“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: Topimaso ankapobeny” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26
Topimaso ankapobeny
Nandritra ireo andro sy volana taorian’ny nanorenana ny Fiangonan’ny Tompo dia naniry ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo ireo olona tao amin’ny fianakavian’i Joseph Smith sy ny olona hafa. Nanontany ny Tompo i Joseph ary nandray fanambarana ho azy ireo tsirairay avy. Nanome torolalana mikasika ny fomba hahafahan’i Joseph mitarika ny Fiangonana sy mamelona ny fianakaviany ihany koa ny Tompo. Nanambara ny sitrapony momba an’i Emma Smith ny Tompo. Nantsoina ho vehivavy nofinidy izy ka nomena andraikitra mba hampahery ny vadiny, ho mpitantsoratra, hamelabelatra ny soratra masina, hanentana ny fiangonana ary hanangona amboarana hira masina.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–24
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra azy ireo ary hanolotra fitarihana ho an’ny fiainan’izy ireo manokana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra faniriana tsara iray mety hananan’izy ireo (hanao asa fitoriana, hanompo ny fiarahamonina misy azy ireo, hanambady any amin’ny tempoly, sy ny sisa). Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka ny torohevitry ny Tompo mahakasika io faniriana io.
-
Fitaovana: Tahadikan’ireo taratasy zaraina hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–24. Torohevitra avy amin’ny Tompo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 1
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hahatakatra ireo fomba ahafahany ho lasa kokoa tahaka ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fahafahana nananan’izy ireo hanompo ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Inona no tsapan’izy ireo fa sarobidy tamin’io zavatra niainana io?
-
Votoatiny haseho: Sarin’i Emma Smith iray
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 2
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hikatsaka ireo fitahian’ny Tompo ary hahafoy ny zavatr’ izao tontolo izao.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiresaka amin’ny ray na reny na mpitarika ao amin’ny fiangonana momba ny zavatra avy amin’izao tontolo izao izay nafoin’izy ireo mba hanarahana ny Tompo.
-
Fitaovana: Fitoeran-javatra lehibe iray izay azo asiana karazan-javatra maro ka afaka maneho ny zavatra mahaliana ireo mpianatra tahaka ny hoe baolina kitra, kahie any am-pianarana, zavamaneno kely, soratra masina, sns.
-
Horonantsary: “Ny fifaliana amin’ny fanavotana ny maty”(16:36) manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:42 ka hatramin’ny 7:44.