“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–24: -Milaza … aminao Aho,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana , (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Taorian’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ny aprily 1830 dia niatrika fanenjehana lehibe avy hatrany ireo Olomasina. Na dia teo aza ireo olana ireo dia tsy nitsahatra nanamafy orina ny Fiangonana sy nanome torohevitra manokana an’ireo izay naniry mafy ny hahafantatra ny sitrapony ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra azy ireo ary hanome fitarihana azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.
Sahanasa fianarana azo atao
Mivavaka mba hahazo fitarihana
Hevero ny hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra mba hieritreritra amim-pahanginana ny valintenin’izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia amporisiho ireo mpianatra hieritreritra torohevitra manan-danja efa azon’izy ireo tamin’io olona io ary asao ny mpianatra vitsivitsy hizara.
Iza no tena mahafantatra anao indrindra?
Inona no fantany momba anao?
Inona no tsy fantany momba anao?
Na dia mety hahazo torohevitra manan-danja avy amin’ny loharano maro azo itokisana aza ireo mpianatra, dia asao izy ireo hisaintsaina ny antony mahatonga ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho loharano tsara indrindra ahazoana torohevitra. Angataho ireo mpianatra hieritreritra ny ezaka ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao hikatsahana torohevitra avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mahatsapa ve izy ireo fa ampy ny ezaka ataony, sa mahatsapa izy ireo fa misy zavatra ilain’izy ireo ahitsy? Asao ireo mpianatra handinika ombam-bavaka ireo fanontaniana ireo mandritra ity lesona ity.
Mahafantatra anao ny Tompo
Nikatsaka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mahakasika ny andraikiny tao amin’ny Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny i Joseph Smith sy ny hafa. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–24 dia ahitana ny valiny nomen’ny Mpamonjy teo anatrehan’ny fanirian’izy ireo mafy handray fitarihana avy any an-danitra.
Hevero ny hanoratra izao fahamarinana manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika tsirairay avy ary hanome antsika torohevitra mifanaraka amin’ny faniriantsika sy ny toe-javatra misy antsika Izy Ireo .
Rehefa mifanakalo hevitra momba io fitsipika io ireo mpianatra dia azonao hazavaina fa afaka mahazo torohevitra avy amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka, ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany, ny ray aman-dreny, ny olon-dehibe mpitarika azo antoka, sy ny sisa.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:1–6 hitadiavana porofon’io fahamarinana io.
Rahavavy Cristina B. Franco, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia nampianatra hoe:
Mahafantatra anao ihany koa ny Ray any An-danitra. Fantany hoe aiza ianao, iza ianao, ary inona no ilainao. Maheno sy mamaly ny vavaka ataonao Izy. Na dia mahatsiaro ho manirery toy ny inona aza ianao dia eo foana Izy. Tsy irery na oviana na oviana ianao. Afaka mitodika any Aminy foana ianao. (Cristina B. Franco, “Heavenly Father Knows You ,” Friend , jona 2018, 16)
Afaka mitarika ny fiainako Izy Ireo
Ilay taratasy zaraina dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manome fitarihana azy ireo mifanaraka amin’ny toe-javatra manokana misy azy ireo. Zarao ho tsiroaroa na vondrona kely ireo mpianatra ary omeo tahadikan’ilay taratasy zaraina ny tsirairay. Avelao ireo mpianatra hisafidy hoe momba an’iza no hianarany. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.
Afaka mampiandraikitra olona iray na roa ho an’ny vondrona tsirairay ihany koa ianao mba hianaran’izy ireo ny momba azy.
Misafidiana farafahakeliny olona roa amin’ireto manaraka ireto mba hovakina ny momba azy. Mitadiava andian-teny ao amin’ireo andininy izay mifandray amin’ny famintinana ara-tantara. Afaka manampy anao izany mba hahita porofo fa nahafantatra ny olona tsirairay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary nanome torohevitra ho an’ny fiainan’izy ireo manokana.
Mpampianatra i Oliver. Mpitantsoratr’i Joseph Smith Zanany izy rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph. Isan’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna izy ary loholona faharoan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Nizara ny filazantsara tamin’ny fianakaviana Whitmer sy ireo namany hafa tao Fayette, New York, izy. Efa imbetsaka no niseho ny toetrany mieboebo. Anisan’izany ny fotoana iray izay nanoratany tamin’i Joseph Smith Zanany momba ny ampahany tamin’ny fanambarana iray izay tsy nekeny. Nahatonga azy hiala ny Fiangonana ny toetrany mieboebo teo anelanelan’ny 1838 sy 1847.
Zokilahin’ny Mpaminany Joseph Smith i Hyrum. Nanampy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna izy tamin’ny alalan’ny fiasana mivantana niaraka tamin’ny mpanonta printy. Nanana faniriana lehibe hitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy, saingy nangatahina izy mba hiandry sy hiomana amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22 ). Filohan’ny sampana voalohan’ny Fiangonana tao Colesville, New York, izy. Notanterahin’i Hyrum ny adidiny tamin’ny Fiangonana ary nahatoky tamin’ny Tompo izy nandritra ny androm-piainany.
Naman’i Joseph Smith Zanany akaiky i Joseph Knight Rainy ary naneho hatsaram-panahy lehibe taminy izy. Namatsy ny zavatra nilain’ilay Mpaminany izy nandritra ny fotoana nandikany ny Bokin’i Môrmôna. Nanana faniriana ny hatao batisa niaraka tamin’ireo olona hafa ny andro nananganana ny Fiangonana izy, saingy niandry izy satria naniry ny handalina bebe kokoa ny Bokin’i Môrmôna. Fotoana fohy taorian’ny nandraisany ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 , dia nisafidy ny hatao batisa i Joseph Knight Rainy. Nijanona ho mpikamban’ny Fiangonana mahatoky izy nandritra ny androm-piainany.
I Joseph Smith Zanany dia mpaminanin’ny Tompo. Tamin’ny aprily 1830 dia nanorina ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny i Joseph. Avy hatrany dia niatrika fanenjehana ilay Fiangonana vaovao. Nosamborina i Joseph noho ny fiampangana diso ary navotsotra. Nanana andraikitra hamelona ny fianakaviany sady hitarika ny Fiangonana izy. “Na dia sahirana tamin’ilay Fiangonana vaovao aza izy dia tsy maintsy namboly tao amin’ny sahany raha te hahazo vokatra tsara amin’ny fararano. Efa tara ny fandoavany ny volan’ny rain’i Emma tamin’ilay toeram-piompiana sy fambolena, ary raha ratsy ny vokatra azony dia tsy maintsy ho nitady fomba hafa handoavana ny trosany izy” (Saints , 1:90 ).
© 2023 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Rehefa vitan’ireo mpianatra ny fandalinany dia asao izy ireo hizara ny porofo hitany fa nahafantatra ireo olona ireo ny Tompo.
3:18
After a trial of her faith, a young woman receives a witness that Heavenly Father truly does answer prayers.
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy ny fahatsapany momba ny fahafantaran’ny Tompo azy ireo. Hevero ny hanome fotoana ireo mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany. Mety hanana fahatsapana ny mpianatra sasany hoe tsy mahafantatra azy ireo ny Tompo. Omeo toky ny mpianatra tsirairay fa mahafantatra azy ireo Izy, ary amporisiho izy ireo hikatsaka hatrany ny fanampian’ny Tompo sy ny fitarihany.
Inona no porofo hitanao fa mahafantatra anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mahalala ny momba anao?
Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo?
Inona, araka ny eritreritrao, ny torohevitra homen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao amin’ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao?
Asao ireo mpianatra izay vonona mba hizara ny zavatra niainany na niainan’ny olon-kafa fantany ka nanampy azy ireo hahafantatra fa mahafantatra ny momba azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampahatsiahivo ny mpianatra mba tsy hizara zavatra mahakasika ny tena manokana loatra na zavatra masina loatra.
Hevero ny hijoro ho vavolombelona an’ny tena manokana na hizara zavatra niainana izay maneho fa mahafantatra antsika tsirairay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanome torohevitra antsika izay mifanaraka amin’ny faniriantsika sy ny toe-javatra misy antsika.
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Manome toky anareo aho fa tia anareo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany Malala. Fantatr’ Izy Ireo tsara ny toe-javatra misy anao, ny tsara ao aminao, ny zavatra ilainao, ary ny vavaka ataonao mba hahazoana fanampiana. Mivavaka ombieny ombieny aho mba hahatsapanareo ny fitiavan’Izy Ireo anareo. (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona , nôv. 2022, 95)
Nanazava izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy, araka ny hita ao amin’ny soratra masina dia mandrisika ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Hoy ny Loholona Robert D. Hales: “Rehefa te hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika.” (Dale G. Renlund, “Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana,” Liahona , nôv. 2022, 16)
Jereo ity horonan-tsary manaraka ity izay ahitana olona mizara ny zavatra niainany mahakasika ny fitarihan’ny Fanahy Masina azy ireo:
3:25
What is it like to be guided by the Holy Ghost? Ordinary people share their experiences.
Nampianatra ny Filoha Bonnie H.Cordon ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany hoe:
Tadiavo ny tsodranon’ny patriarika nomena anao, tsofy ny vovoka raha ilaina, kanefa halalino matetika izany. Raha tsy manana ianao dia maka iray. Aza atao ela. Aza mangataka andro amin’ny famantarana izay tian’ny Tompo holazaina momba anao amin’izao fotoana izao. (Bonnie H. Cordon, “Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery,” Liahona , nôv. 2021, 10)
Nampianatra izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Mino aho fa hanomboka amin’ny fanehoana ny fitiavany lalina ho anareo Izy. Mety hilaza izany amin’ny teny Izy, nefa mety hiseho mafy tokoa izany—amin’ny maha eo Azy fotsiny—ka tsy azo ihodivirana fa mipaka lalina any am-ponao any, mameno ny atifanahinao iray manontolo! … Mino aho fa hanome toky anao Izy amin’ny teny izay efa nolazainy ao amin’ny soratra masina. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery,” Liahona , nôv. 2022, 9)
Ity sahanasa ity dia afaka manampy ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fizakana amim-paharetana ny fahoriana. Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8 ary ampio izy ireo hahita ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa manana faharetana isika sy miaritra ny fahoriantsika, dia homba antsika ny Tompo . Asao ireo mpianatra hizara fahoriana mahazatra atrehin’ny zatovo ary soraty eny amin’ny solaitrabe izany. Avy eo dia zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Ny vondrona iray dia handalina ny teny hoe manana faharetana ary ny iray ny teny hoe miaritra . Rehefa afaka fotoana vitsy dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany ary hametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahita fomba hanana faharetana sy hiaretana ny fahoriany:
Inona avy ireo zavatra sasany azontsika atao mba hahatonga antsika hanana faharetana amin’ny fahoriantsika?
Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika miaritra tsara ny fahoriantsika?
Ahoana ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy antsika hanana faharetana sy hiaritra mandritra ny fotoan-tsarotra?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita lamin-drafitra ao amin’ny soratra masina dia asao izy ireo hitady ilay andian-teny hoe “ianao … dia tsy eo ambany fanamelohana” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:1, 3, 4, 5 . Avy eo dia ampio ireo mpianatra hahita fa tsy nahazo fitahiana mitovy amin’izany i Joseph Knight Rainy (jereo ny andininy 6–7 ). Mety ho hitan’ireo mpianatra fa mbola tsy natao batisa izy. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:
Nahoana, araka ny eritreritrao, no tsy nolazaina i Joseph Knight Rainy hoe: “ianao dia tsy eo ambany fanamelohana”?
Ahoana no ahafahan’ny maha-vita batisa sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa manampy antsika hijanona ho “tsy eo ambany fanamelohana”?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fomba hampaherezana ny Fiangonana dia hevero ny hanasa azy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–5 ary ampio izy ireo hamantatra ilay andian-teny hoe “fampaherezana ny fiangonana.” Hevero ny haneho izao teny nambara manaraka izao, ary avy eo dia mametraha fanontaniana hanampiana ireo mpianatra hahita fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny torohevitry ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana:
Ny olona tsirairay izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia nampanantena ny hikarakara ny hafa ary hanompo an’ireo izay sahirana. … Manana anjara asa ny tsirairay avy amintsika amin’ny fanangonana an’ Isiraely. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona , mey 2022, 6)
Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy mba hampaherezana ny Fiangonana?
Amin’ny fomba ahoana ny “fampaherezana ny Fiangonana” no afaka manampy antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?
Inona avy no mety ho fomba vitsivitsy ahafahantsika “[mampahery] ny fiangonana” ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika?