Seminera
Lesona 40: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 2: “Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 2: -Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 40: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, tapany 2

Hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa

vavaka sy batisa

Ny zavatra lazain’ny Tompo amin’olona iray dia matetika miantefa amin’olon-kafa ihany koa. Marina izany raha jerena ny ankamaroan’ireo teny nolazain’ny Tompo an’i Emma Smith izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 (jereo ny andininy 16). Nanasa azy ny Tompo mba hikatsaka ireo zavatra izay hanampy azy hahazo “satroboninahitry ny fahamarinana” (andininy 15). Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hikatsaka ny fitahian’ny Tompo sy hahafoy ireo zavatr’izao tontolo izao.

Sahanasa fianarana azo atao

Zavatra tsara kokoa

Eritrereto ny fomba azonao hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny maha-zava-dehibe ny fanaovana laharam-pahamehana an’ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Fomba iray ahafahanao manao izany dia ny fitondrana fitoeran-javatra ao an-dakilasy, toy ny boaty iray. Mitondrà ihany koa karazan-javatra izay mety afaka maneho ny zavatra mahaliana ny mpianatra, toy ny baolina, kahie any am-pianarana, zavamaneno kely iray, bokin-tsoratra masina, sy ny sisa. Ataovy izay hitondrana zavatra maro nefa omby tsara ao anatin’ilay fitoeran-javatra. Hazavao amin’ny mpianatra fa ilay fitoeran-javatra dia maneho ny fiainantsika. Asao ireo mpianatra hifantina ireo zavatra izay tian’izy ireo ho azo antoka fa tafiditra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa feno ilay fitoeran-javatra dia anontanio ireo mpianatra raha misy zavatra efa ao anatin’ilay fitoeran-javatra izay tian’izy ireo hosoloina zavatra izay tsy ao anatin’izany. Aorian’ity sahanasa ity dia azonao atao ny mangataka ireo mpianatra mba handinika ireo laharam-pahamehan’izy ireo eo amin’ny fiainany. Ity manaraka ity dia fomba iray azonao hanaovana izany.

Soraty ao amin’ny diarinao ireo zavatra tsapanao fa tena lohalaharana eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hevero ny handinika ombam-bavaka raha toa ka tian’ny Rainao any An-danitra ny hanaovanao fanitsiana amin’ireo laharam-pahamehanao.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, ny Tompo dia niresaka tamin’i Emma Smith ary nanome torohevitra azy momba ireo laharam-pahamehany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Emma.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no hevitr’izany hoe “mikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” izany?

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io andininy io?

Ireo zavatr’ Andriamanitra

Ampio ireo mpianatra hahita ilay fahamarinana hoe ny Tompo dia manasa antsika hahafoy ireo zavatr’izao tontolo izao ka hikatsaka ireo zavatr’ Andriamanitra. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10 izay manampy amin’ny fampianarana io fahamarinana io.

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny torohevitry ny Tompo amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hitady andian-teny mitovitovy amin’izany ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hisafidy andian-teny tian’izy ireo ary hanazava hoe inona no zavatra anampian’izany mba ho takatr’izy ireo. Hevero ny hampiseho ny mpianatra ny fomba ahafahan’izy ireo mampifandray ireo andininy ireo.

Ampitahao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10 ny Matio 6:19–21 sy ny 2 Nefia 9:51.

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manampy anao hahatakatra ny fanasana natolotry ny Tompo?

    Mety hila fanampiana ireo mpianatra hieritreritra ireo zavatra manokana izay mety hoheverina ho “zavatr’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10). Eritrereto ny hanasa ireo mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo zavatr’izao tontolo izao izay manakana antsika tsy hanao ireo zavatr’ Andriamanitra. Azonao atao avy eo ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina hoe aiza ho aiza izy ireo eo amin’ny fahafoizana ireo zavatra ireo. Ampio ireo mpianatra hahafantatra fa misy ireo zavatra sasany izay tsy dia mendrika ny handaniantsika fotoana loatra, raha toa ka ny sasany kosa tena tsy mendrika ny fotoanantsika sy ny fifantohantsika mihitsy.

  • Ohatra inona avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy no maneho fa nifantoka tamin’ireo zavatr’ Andriamanitra Izy fa tsy ny zavatr’izao tontolo izao?

    Raha mila fanampiana ireo mpianatra eo amin’ny fieritreretana ohatra dia azonao asaina izy ireo hikaroka ireto andinin-tsoratra masina ireto: Lioka 2:42–49; Jaona 2:13–16; Jaona 6:38.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Mpamonjy zatovo iray izay miezaka mamoy ireo zavatr’izao tontolo izao?

Ny Loholona Richard G. Scott [1928–2015] tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao zavatra niainan’ny zatovo iray manaraka izao:

16:42
Loholona Richard G. Scott

Tany amin’ny Misiônan’i Rostov-na-Donu Russie, dia nahazo fanasana ireo zatovo mba hirakitra anarana miisa 2000 ary hanomana farafahakeliny anarana iray avy amin’ny fianakaviany manokana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nahazo fanasana handeha hanao dia lavitra nankany amin’ny Tempolin’i Kiev Ukraine izay vao naorina ireo izay nahatanteraka an’io tanjona io. Nizara ny zavatra niainany ny zatovolahy iray: “Nandany fotoana maro nilalaovana jeux vidéos aho. Tsy nanana fotoana nilalaovana intsony aho rehefa nanomboka nirakitra anarana. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe: -Andray! Nahoana aho no tsy afaka hilalao mihitsy!- Rehefa tapitra ilay fandaharan’asa dia very hatramin’ilay fahalianako hilalao aza. … Zavatra azontsika atao eto an-tany ny fanaovana tetiarana ary hitoetra any an-danitra izany.” (Richard G. Scott, “Ny fifaliana amin’ny fanavotana ny maty,” Liahona, nôv. 2012, 94)

  • Inona no misarika ny sainao ao anatin’ilay zavatra niainan’io zatovolahy io?

    Mba hanampiana ireo mpianatra handinika izay zavatra mety ho efa niainan’izy ireo tamin’ny fahafoizana ny zavatr’izao tontolo izao dia hevero ny hanome fotoana azy ireo hamaliana ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diarin’izy ireo.

  • Inona no fitahiana azonao rehefa nisafidy ny hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra ianao teo amin’ny fiainanao?

Fanampiana amin’ny fikatsahana zavatra tsara kokoa

Ny andininy enina farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 dia ahitana torohevitra mahakasika ireo lafin-javatra maro teo amin’ny fiainan’i Emma. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–16 ary tadiavo ny fomba ahafahan’ity torohevitra avy tamin’ny Tompo ity manampy antsika koa hikatsaka zavatra tsara kokoa.

  • Inona no hitanao ka mety hanampy anao “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao … ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”? (andininy 10).

Mba hanampiana ireo mpianatra hikatsaka sy handray fanambarana an’ny tena manokana momba ny fomba ahafahan’izy ireo mametraka ny zavatr’ Andriamanitra ho lohalaharana dia asao izy ireo handalina ny iray na ny maromaro amin’ireto lohahevitra manaraka ireto: mozika, fanekempihavanana, halemem-panahy, ary ireo didin’ny Tompo. Omeo safidy ny mpianatra na hiara-handalina amin’ny iray kilasy na hiasa tsirairay na ao anatina vondrona kely. Rehefa misafidy ny handalina miaraka amin’ny iray kilasy izy ireo dia asao ireo mpianatra hisafidy lohahevitra iray hohalalinin’ny tsirairay. Raha maniry ny hiasa ao anatina vondrona ireo mpianatra dia mety hahasoa azy ireo ny handalina zavatra samy hafa avy ary hizara ny zavatra hitany amin’ny vondrona. Safidy iray hafa azo atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hiomana alohan’ny fotoam-pianarana ary avy eo dia hampianatra ny iray kilasy. Omeo azy ireo ireo loharanom-pitaovana tena manampy.

Mozika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12

Salamo 100:2

Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.2 (“Ny hira ao an-tokantrano”), 19.3 (“Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana”)

“Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra,” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 18 (jereo ny fizarana “Katsaho ny zavatra mampahery, manentana ny fanahy, ary manasa ny Fanahy.”)

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hisafidy hira iray ao amin’nyfihirana ary hikaroka ny zavatra ampianarin’izany momba ny Tompo sy ireo fitahiana nomaniny ho antsika. Afaka mampiseho loharanon-kira hafa manampy ihany koa ianao sy hira izay ho an’ny zatovo ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13

Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra,” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 17 (jereo ny fizarana “Fahamarinana mandrakizay”)

Sujets de l’Évangile, “Alliance,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Hevero ny hampiseho ny mpianatra ity horonan-tsary manaraka ity izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe mitandrina ny fanekempihavanantsika sy ireo fitahiana azontsika rehefa manao izany.

2:3

Halemem-panahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:14

Matio 5:5; Môrônia 8:26

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Halemem-panahy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

Ulisses Soares, “Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, nôv. 2013 (jereo ny andiam-pehezan-teny 1–6)

David A. Bednar, “Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018 (jereo ny fizarana hoe “Ilay Mpampianatra no ohatra eo amin’ny halemem-panahy”)

Didy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:15

Matio 22:36–40

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Didin’ Andriamanitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao,” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 10

0:39

Amporisiho ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nianarany sy ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra. Azonao asaina izy ireo hizara amin’ny mpianatra hafa izay nandalina lohahevitra mitovy amin’ny azy ireo, ary hizara amin’ireo izay nandalina zavatra hafa ihany koa. Asao izy ireo handray andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika azony.

Raha toa ka mila fanampiana ny mpianatra eo amin’ny fieritreretana izay andraikitra horaisaina eo anatrehan’ny zavatra ianaran’izy ireo, dia azonao atoro azy ireo ny fanasana hita ao amin’ny lohahevitra tsirairay ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022). Azonao asaina ireo mpianatra hanoratra ny zavatra hataon’izy ireo mba hikatsahana ireo zavatr’ Andriamanitra ary avy eo hametraka ny zavatra nosoratany amin’ny toerana izay hahitan’izy ireo izany matetika. Amporisiho ihany koa izy ireo hikaroka ny fanampian’ny Tompo sy ny fanampian’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy namana koa angamba.