“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny alalan’ny iraka iray avy any an-danitra no nanambaran’ny Mpamonjy ireo fahamarinana momba ny fanasan’ny Tompo. Nampianatra ny fomba fitafy ny fiarovan-tena avy Aminy koa ny Tompo ary nanambara ny lamina sy ny rafitra ampiasainy mba hanambarana ny sitrapony ao amin’ny Fiangonany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–14
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana tsara kokoa handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy ho vonona hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo.
-
Horonan-tsary: “Mba hahazoako mitaona ny olon-drehetra atỳ Amiko” (13:33; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana faha 7:15 hatramin’ny 9:13)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18
Tanjon’ny lesona: Ampio ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy miaro antsika amin’ny fomba entin’i Satana maka fanahy sy manakivy antsika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hiresaka momba ny fomba anafihan’i Satana na akany fanahy ny tanora mitovy taona aminy, sy momba ireo loharano nomen’ny Mpamonjy azy ireo mba hiarovana ny tenany amin’ireo fanafihana na fakam-panahy ireo.
-
Fitaovana: Taratasy kely maromaro ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Taratasy zaraina: “-Itafio avokoa ny fiarovan-tena avy Amiko- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15)”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lamina sy ny rafitra ampiasain’ny Mpamonjy mba hanambarana ny sitrapony ao amin’ny Fiangonany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ireo toe-javatra avy ao amin’ny fizarana “Ohatra” ato amin’ity lesona ity, ary asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manavaka ny fanambarana marina amin’ny fakana tahaka ataon’i Satana.
-
Fitaovana ilaina omanina: Zavatra tena izy na fakana tahaka voafantina (ohatra, finday tena izy na finday kilalao; vola tena izy na vola kilalao; voankazo tena izy na voankazo plastika; ary mailaka tena izy avy amin’ny banky na mailaka hosoka avy amin’ny olona iray milaza ho banky)
-
Horonan-tsary: “Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana” (12:29; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana faha 4:14 hatramin’ny 5:07)