Lesona 43: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28: Fanambarana ao amin’ny Fiangonana
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28: Fanambarana ao amin’ny Fiangonana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 28,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 43: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Nilaza ho nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana i Hiram Page tamin’ny taona 1830, tamin’ny alalan’ny vato manokana iray. Nino azy ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana, anisan’izany i Oliver Cowdery. Ho setrin’izany toe-javatra izany dia nanambara fahamarinana momba ny lamin’ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny lamina sy ny rafitra ampiasain’ny Mpamonjy mba hanambarana ny sitrapony ao amin’ny Fiangonany.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fakana tahaka ataon’i Satana
Ahoana no hanavahana ny fakana tahaka sy ny tena izy?
Nahoana no mety hanimba zavatra ny fieritreretana ny fakana tahaka zavatra iray ho toy ny tena izy?
Ahoana no mety hampiharana izany amin’ny olona iray izay miezaka ny hanaraka ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany?
Vakio ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ary mitadiava toe-javatra iray izay nanahirana ireo mpikamban’ny Fiangonana vao nalamina, izay nahafantaran’izy ireo ny tena zava-misy sy ny hala-tahaka.
Mety hanampy ny mahafantatra fa nandray ny filazantsara i Hiram Page ary natao batisa tamin’ilay volana nandaminana ny Fiangonana io ihany. Voafidy ho iray tamin’ireo Vavolombelona Valo amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy ary nahatoky hatrany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba izany.
Nahoana, araka ny eritreritrao, no hoe na dia ny olona tsara toa an’i Hiram Page sy i Oliver Cowdery aza dia mety ho voafitaky ny fakana tahaka ataon’i Satana?
Makà fotoana hisaintsainana ireto manaraka ireto:
Ahoana no mety hataon’i Satana mba hanandramana mamitaka anao sy ny olona hafa fantatrao?
Inona no fitarihana sy fanampiana omen’ny Tompo antsika mba tsy ho voafitaka?
Niahiahy ny amin’izay tokony hatao amin’io toe-javatra io i Joseph Smith dia nandany alina iray hivavahana sy handraisana valiny avy amin’ny Tompo. Ny fanambarana azony dia voarakitra ho Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ary natolotra an’i Oliver Cowdery.
“Ho an’ny tenantsika manokana sy izay nampiandraiketana [na fahefana] ihany no andraisantsika fanambarana ho an’ny tena manokana fa tsy ho an’ny [zo na tombontsoan’ny] hafa. …”
“Ny fotopampianarana sy didy ary fanambarana ho an’ny Fiangonana dia zon’ny mpaminany velona ihany, izay mandray azy ireny avy amin’i Jesoa Kritsy Tompo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5]. …”
“Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia hifanaraka tsara amin’ireo didin’ Andriamanitra sy ireo fanekempihavanana izay nataontsika Taminy. …”
Vakio ireto toe-javatra manaraka ireto ary mitadiava andininy na andian-teny avy amin’ny tenin’ny Tompo nohalalininao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 izay mampianatra raha toa ka tena fanambarana marina izany.
Mamporisika ny Fiangonana manontolo ny Mpaminany mba ho tonga any amin’ny tempoly.
Misy vondron’olona mpikambana voakasik’izany mampianatra amim-pahasahiana fa tian’Andriamanitra ny hanovana ny fotopampianarana na ny hanovana ny fitsipika momba ny olana sarotra iray.
Mino ny mpikambana iray fa nanambara taminy ny zavatra tokony hataon’ny eveka ao amin’ny paroasiny ny Tompo.
Nilaza taminy ny renin’ny zatovovavy iray fa tsy mahazo aina amin’ny safidy iray ataon’ilay tovovavy izy.
Nandritra ny fiarahana tany amin’ny oniversite, dia nilaza ny zatovolahy iray fa nahazo fanambarana izy fa tokony hanambady azy ny zatovovavy iray voafaritra.
Amin’ny fomba ahoana no mety hitondran’ny finoana ny fakana tahaka ataon’i Satana ao anatin’ireo toe-javatra tsy mety voalaza etsy ambony ireo hanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy?
Nahoana no mety ho fitahiana ho anao ny fahatakarana ny lamina izay ampiasan’ny Tompo ho an’ny fanambarany?
Oviana ny Tompo no nitahy anao na ny olona iray fantatrao, tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny mpaminany, mpitarika ny tsatòka na mpitarika paroasy, na havana iray?
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahazo fanambarana avy amin’ny Tompo mba hitahiana ireo izay nantsoina hanompo?
Oviana ianao no nahazo fanambarana avy amin’ny Tompo ho anao manokana?
Nanaiky ilay fanambarana i Oliver Cowdery ary, taorian’ny fandresen-dahatra mafy, dia nanda ireo fanambarana diso i Hiram Page sy ny hafa.