Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Topimaso ankapobeny

Tamin’ny Septambra 1830, ny Tompo dia nampianatra an’i Joseph Smith momba ny Fiaviany Fanindroany feno voninahitra, sy ireo fitahiana nomaniny ho an’ny olo-marina ary ny famongorana izay miandry ny ratsy fanahy. Nampianatra tamim-pitiavana momba ny fanavotana natolony tamin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary koa tamin’ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika Izy.

kisary fanofananaAsao ny mpianatra hizara: Mitadiava fotoana ao anatin’ny lesona izay ahafahanao mitaona ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra tsapany na hanoratra ny zavatra tsapany ary hizara izany avy eo. Ny fanomezana fahafahana ny mpianatra mba hamoaka am-bava ny eritreriny sy ny fahatsapany dia afaka manampy azy ireo hatoky tena kokoa amin’ny fanehoana fijoroana ho vavolombelona. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanolotra fahafahana ho an’ny olona mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanirian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ilay fanontaniana hoe: “Inona no tian’ Andriamanitra ho ahy eto amin’ity fiainana ity sy aorian’ity fiainana ity?” Afaka misaintsaina ny fomba nahitany ny fanirian’ Andriamanitra ho azy ireo teo amin’ny fiainany koa izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Lisitry ny toromarika ho an’ny asa fandalinana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–29

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fifaliana eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hikaroka sary samihafa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izay maneho ny Fiaviana Fanindroany ary hisaintsaina ny zavatra azony ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ny sary tsirairay.

  • Votoatiny haseho: Sarin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

  • Horonan-tsary:Niseho tany Amerika Fahiny i Jesoa Kristy” (16:43; jereo manomboka avy amin’ny kaodim-potoana 11:19 hatramin’ny 16:31)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra antsika sy ny fanavotana natolotr’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo safidy isan-karazany nataon’izy ireo tao anatin’ny 24 ora. Azo asaina mitanisa azy ireo ho toy ny “safidy tsy misy fiantraikany” na “safidy misy fiantraikany amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra” izy ireo.

  • Taratasy zaraina: “Fahafahana misafidy sy Fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”