Seminera
Lesona 45: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–29: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–29: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–29,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 45: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–29

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany indray andro any dia ho andro lehibe sy mahatahotra. Ireo izay mandà ny iraka sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia hizaka ny vokatry ny safidiny. Ireo izay miezaka manara-dia Azy dia hanana fifaliana hahita ny Mpanavotra azy hiverina eto an-tany. Ary Izy no hamonjy azy ireo amin’ny faharatsiana sy ny alahelo, ary hiara-hitoetra eo amin’izy ireo arivo taona. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fifaliana eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampatahotra sa mahafaly?

Asehoy ny sarin’ny Fiaviana Fanindroany, toy ilay iray tany am-piandohan’ny lesona. Eo akaikin’ny sary, mamoròna maridrefy 1 hatramin’ny 10, ka ny 1 dia maneho ny “mampatahotra” ary ny 10 dia maneho ny “mahafaly.” Angataho ny mpianatra maromaro mba hametraka marika eo amin’ny maridrefy izay maneho ny fiheveran’izy ireo ny zavatra tsapan’ny zatovo maro momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao izy ireo hanazava ireo marika nataony.

Avy eo dia asao ny mpianatra hamaly amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany.

  • Inona no zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao? Nahoana?

  • Rehefa mieritreritra momba ny Fiaviana Fanindroany ianao, moa ve ianao mirona hifantoka bebe kokoa amin’ny Mpamonjy sa amin’ireo olana izay mialoha ny fiverenany? Inona no vokatr’izany fiheveranao izany eo amin’ny fihetseham-ponao?

Makà ny fotoana ilaina hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny votoatin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity.

Marina fa hisy fisedrana sy faharatsiana be dia be amin’ny andro farany, ary hisy “ny fahoriana sy ny fandravana” hihatra amin’ny olon-dratsy. (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:8). Zava-dehibe ihany koa ny mahatakatra fa tsy ny fitsapana sy faharatsiana no anton’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ny fiverenany dia hanafaka ny mpianany amin’izy ireo. Ny Fiaviana Fanindroany dia hahafinaritra kokoa ho an’ireo mpanara-dia Azy mihoatra noho izay azontsika eritreretina! Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny antony ahafahan’ny mpino mahatsapa fifaliana sy fanantenana rehefa mieritreritra ny fiverenan’i Jesoa Kristy izy ireo.

Mifalia amin’ny fiavian’i Kristy!

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–13, ka mitadiava teny sy andian-teny izay manome ny antony tokony hifalianao.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–11 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Asao ny mpianatra mba hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo teny sy andian-teny hitan’izy ireo. Anontanio ny mpianatra maromaro hoe nahoana no manampy azy ireo hifaly ny zavatra hitany.

Rehefa mizara izy ireo dia azonao atao ny manampy azy ireo hamolavola ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manaraka toy izao manaraka izao:

  • Ahoana no mety hahazoanao fankaherezana amin’ny fahafantarana fa rehefa hiseho i Jesoa dia ho tonga amin’ny “hery sy ny voninahi-dehibe”? (andininy 11).

  • Ahoana no fomba eritreretinao fa tsy hampitovy ny fiainanao isan’andro rehefa “hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona” i Kristy? (andininy 11).

  • Iza amin’ireo olon-tianao izay efa nodimandry no tena mampientanentana anao ny hahita azy rehefa hanangana ny olo-marina ny Mpamonjy amin’ny fiaviany? (Jereo ny andininy 13.)

  • Inona no dikan’ny hoe “hiaraka [amin’i Kristy], ka hahatonga anay ho iray”? (andininy 13). Nahoana, araka ny eritreritrao, no te ho iray miaraka aminao i Jesoa?

Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny andininy 11: “Haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona.”

Ny ambiny amin’ity lesona ity dia mifantoka amin’ireo toe-javatra mahafinaritra izay hitahian’ny Mpamonjy ny olo-marina mandritra sy aorian’ny fiverenany.

Alohan’ny handehananao, dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny farany ao amin’ny andininy 11, “ny olon-dratsy tsy hahatanty.” Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny andininy 9, 15, sy ny 17 mba hahitana ny vokany ho an’ireo izay mandà an’i Kristy. Raha mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao ao am-pianarana, dia ampahatsiahivo ireo mpianatra izay miahiahy momba ireo olon-tiany, fa ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny heriny dia ny hamela sy hanasitrana izay rehetra mibebaka sy manatona Azy.

(Fanamarihana: Ny lesona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia hifantoka manokana amin’ireo famantarana ny fotoana sy ny fiomanana manokana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany.)

Hitoetra miaraka amin’ny olona arivo taona i Kristy

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny toe-piainana eto an-tany mandritra sy aorian’ny fitondran’i Jesoa Kristy arivo taona. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hizara izay fanontaniana ananany momba izany.

Makà minitra vitsivitsy hikarohana ireo loharano notendren’ Andriamanitra ho valin’ireo fanontaniana mety hanananao momba ny Arivotaona, sy ireo toe-javatra mahafaly izay hisy mandritra sy aorian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona. Mety hanampy amin’ny fianaranao ireto manaraka ireto:

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra, ka ny vondrona tsirairay dia mandalina ny iray amin’ireto loharano manaraka ireto. Avy eo, dia asao ny vondrona tsirairay mba hanolotra ny zavatra nianarany amin’ny kilasy, na asao ny mpianatra mba hamorona vondrona vaovao miaraka amin’ireo mpianatra izay nandalina loharano samihafa, ary hifandimby hizara ny zavatra nianarany.

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Arivotaona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

Lohahevitra ara-pilazantsara, “Arivotaona,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:23–27

Isaia 65:19–25

Apokalypsy 20:1–3

1 Nefia 22:24–28

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita mazava ny antony hifaliana amin’ireo toe-javatra manaraka ny fiverenan’ny Mpamonjy, dia azonao atao ny mamarana ity fizarana ity amin’ny lesona, amin’ny fizarana ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny”.

Mifantoka amin’ny Mpamonjy

Mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ilay Mpamonjy be fitiavana nidina avy any an-danitra, dia asehoy ilay horonan-tsary “Niseho tany Amerika Fahiny i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 11:20 hatramin’ny 16:31. Asao izy ireo hitady ny fitoviana misy eo amin’ny fitiavana naseho tamin’ny alalan’ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny Nefita, sy ny zavatra eritreretin’izy ireo hitranga rehefa miverina Izy.

16:44

Hevero ny hanakimpy ny masonao sy ny hiezaka haka sary an-tsaina an’i Jesoa Kristy midina avy any an-danitra hamonjy sy hiaro ary hanasitrana ireo mpanara-dia Azy. Diniho ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina mba hianarana ny tian’ny Ray any an-danitra ho tsapanao momba ny fiverenan’ny Zanany.

  • Toy ny ahoana ny tarehiny, ao an-tsainao, rehefa mijery ireo izay miezaka manaraka azy Izy?

  • Inona, araka ny eritreritrao, no nolazainy tamin’ireo mpino taorian’ny fiaviany?

  • Inona, araka ny eritreritrao, no tian’ny Mpamonjy ho tsapan’ny mpianany momba ny fiverenany eto an-tany?

Hevero ny hizara ny fahatsapanao manokana eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany. Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny fihirana famaranana izay miresaka momba ny fifaliana amin’ny fiavian’i Kristy sy ny fanjakany arivo taona, toy ny hoe “L’Esprit du Dieu Saint” (Recueil des cantiques, lah. 2), “Vivons ce bonheur” (Recueil des cantiques, lah. 3), na “Oh, quel bonheur! Jésus viendra!” (Recueil des cantiques, lah. 123).

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia “Haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona.” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”