Seminera
Lesona 44: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8: Henoy ny Mpanavotra anao


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8: Henoy ny Mpanavotra anao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 44: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8

Henoy ny Mpanavotra anao

Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika

Manana fitiavana lehibe ho an’ny zanany rehetra ny Ray any an-danitra. Tian’Izy sy ny Zanany ho sambatra isika eto amin’ity fiainana ity ary tiany hiaraka Aminy amin’ny fanangonana ny olona rehetra hiverina eo anatrehany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanirian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Iza no atokisanao?

Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ireo mpianatra hahatakatra fa ny fatokisana olona iray dia miankina amin’ny fahafantarana mialoha ny antony manosika azy na ny faniriany. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.

Eritrereto hoe iza no tianao hitokisana amin’ireto manaraka ireto ary nahoana.

  1. Ny fanalahidin’ny tranonao

  2. Ny tenimiafinao amin’ny fitaovana na kaonty manokana

  3. Ny nofinofinao na ny tanjonao manokana

  • Inona no fantatrao momba io olona io na ireo olona ireo ka misy fiantraikany amin’ny fahavononanao hatoky azy ireo?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fehezanteny iray na roa izay mamaritra ny zavatra fantatrao momba ny antony manosika sy ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha toa ianao ka mahafantatra zavatra mikasika ny antony manosika Azy Ireo na ny faniriany dia eritrereto ny fiantraikan’izany eo amin’ny fahavononanao hatoky Azy Ireo. Raha toa ianao ka tsy mahafantatra firy momba ny antony manosika na ny fanirian’Izy Ireo, dia eritrereto hoe nahoana ny fahafantarana izany no dingana iray manan-danja amin’ny fahavononana hatoky azy ireo.

Fanirian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Septambra 1830, dia nolazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ny fitiavana sy ny fanirian’Izy sy ny Ray any an-danitra ho an’ny olona rehetra.

Ity asa atao manaraka ity dia fomba iray hanampiana ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8. Mety hila ovana izy io mba hifanaraka amin’ny habeny na ny zavatra ilain’ny kilasinao.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny isa iray ka hatramin’ny valo. Omeo azy ireo avy eo ireto toromarika manaraka ireto. Asaivo manaraka ny torolalana tsirairay izy ireo alohan’ny hanomezana azy ny manaraka.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8 ary asio marika ny zavatra nianaranao momba ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy tsirairay.

  2. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaranao eo akaikin’ny laharan’ny andininy iray izay manana dikany manokana ho anao.

    Miandrasa ny mpianatra rehetra hanoratra ny anarany eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny laharan’ny andininy iray alohan’ny hirosoana amin’ny dingana manaraka.

  3. Raha azo atao dia vorio ny mpianatra roa na telo izay nanoratra ny anarany teo akaikin’ilay laharan’andinin-tsoratra masina iray mitovy.

    Raha toa ka mpianatra iray ihany no nanoratra ny anarany teo akaikin’ny laharan’ny andininy iray dia avelao io mpianatra io hisafidy ny hiasa samirery na hiaraka amin’ny vondrona hafa.

  4. Zarao amin’ny vondrona misy anao ireo teny na andian-teny izay nasianao marika ao amin’ny andinin-tsoratra masina misy ny anaranao sy ny zavatra ampianarin’izany anao mikasika ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  5. Iaraho midinika ao anatin’ny vondrona misy anao ny fanontaniana iray, izay afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Jereo na omeo ny vondrona tsirairay ny lisitr’ireo fanontaniana izay mety hosafidian’izy ireo hifanakalozana hevitra. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy fanontaniana iray ao amin’ny lisitry ny fanontaniana atolotra, na afaka mamorona ny fanontaniany manokana izy ireo. Misy ohatra vitsivitsy ireto ambany ireto:

  • Ahoana no mahatonga ny fahatakaranao an’io fahamarinana io hisy fiantraikany amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa?

  • Oviana ianao no nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy naneho ireo faniriana ireo teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa?

  • Inona avy ireo soratra masina fanampiny izay mampianatra fahamarinana mitovy amin’izany? (Jereo ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, na loharano hafa mba hahitana izany.)

  • Inona no nampianarin’ny mpaminany, na apôstôly, na mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana izay manohana io fahamarinana io? (Mitadiava fanambarana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.)

  • Ahoana no mety hampitomboan’io andininy io ny fahafahantsika mijery ny fiainana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no fanontaniana anananao momba ireo andininy ireo? Inona no fanontaniana azo apetraka mba hahatakarana bebe kokoa an’io andininy io? (Miaraha mitady izay mety ho valiny.)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny finoana na ny fiainana ireo fitsipika ampianarina ao amin’io andininy io eo amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny hino na hiaina ny fampianaran’ity andininy ity? Inona no mety hanampy azy ireo handresy io fanamby io?

Mba hamelana ireo vondrona hampitombo ny fahatakarany dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hafa hisafidy fanontaniana hafa ary hifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny vondrona iray. Rehefa tsy mizara intsony na mihavariana ny mpianatra, dia mety hidika izany fa tonga ny fotoana hanovana ny asa atao mifanaraka amin’ny zava-misy. Raha tianao, dia afaka manao ilay asa indray ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fisafidianana andinin-tsoratra masina vaovao, manangana vondrona vaovao, mifanakalo hevitra momba ny andininy nofidiny ary manaraka ireo dingana voatanisa etsy ambony.

Rehefa mahavita ny fiaraha-miasa ao anatin’ny vondrona ny mpianatra, dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany momba ny fanirian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny sitrapon’ Andriamanitra

Amin’ireo fahamarinana maro izay mety ho hitan’ny mpianatra, dia fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe Maniry ny hanome antsika ny fanjakany ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny andininy 5. Asehoy ity fanambarana ity ary asao hamaly ireo fanontaniana mifandray amin’izany ny mpianatra.

Nizara izao manaraka izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dale G. Renlund

Tian’ny Raintsika any An-danitra ho lasa mpandova Azy ianareo ary hahazo izay rehetra ananany. Tsy misy zavatra azony omena anareo mihoatra izany. Tsy misy zavatra azony ampanantenaina anareo mihoatra izany. Tia anareo mihoatra izay fantatrareo Izy ary tiany ho sambatra eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy ianareo. (Dale G. Renlund, “Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay,” Liahona, mey 2022, 76)

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny zavatra tsapanao momba Azy Ireo?

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny fanirian’Izy Ireo, eo amin’ny fahatsapanao mikasika ny torohevitra omen’Izy Ireo antsika?

Ho famaranana, dia asao ny mpianatra hijery ny zavatra nosoratan’izy ireo tao amin’ny diariny nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fampianarana. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fahamarinana nianarany mikasika ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay azon’izy ireo ampiana ao amin’ny asa sorany.