Lesona 42: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18: “Itafio avokoa ny fiarovan-tena avy Amiko”
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18: -Itafio avokoa ny fiarovan-tena avy Amiko,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 42: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Ao anatin’ny hafatra noraisin’i Joseph avy tamin’ny anjelin’ Andriamanitra iray, no nilazana taminy ny fomba ahafahan’ny Olomasina mahazo fiarovana lehibe kokoa avy amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy miaro antsika amin’ny fomba entin’i Satana maka fanahy sy manakivy antsika.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fanafihan’ny fahavalo
Inona no azonao atao mba hiarovana ny tenanao amin’ireo fanafihana ireo?
Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fakam-panahy sy ny fahakiviana atrehinao ianao. Saintsaino ny fomba efa nanampian’ny Tompo anao handresy azy ireny. Amin’ny ahoana ianao no mbola miady ka mila ny fanampian’ny Mpamonjy? Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 ianao dia jereo ireo fahamarinana sy hevitra izay afaka manampy anao.
Ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ Andriamanitra
Taorian’ny teniny tamin’i Joseph Smith momba ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4), dia nampanantena ny Mpamonjy fa hiverina etỳ an-tany Izy ary handray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ireo mpanara-dia Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–14). Avy eo ny Mpamonjy dia nampianatra ny fomba hiarovana ara-panahy ireo Olomasina amin’ny herin’i Satana “mandra-piaviko dia hakarina ianareo ka any amin’izay misy Ahy no hisy anareo koa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:18).
Nahoana, araka ny eritreritrao, no mampitaha ny fanampiany sy ny fiarovany amin’ny akanjo fiarovan-tena ny Mpamonjy?
Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe “mifahara”? (jereo ny andininy 15–16)
Nahoana, araka ny eritreritrao, no manantitrantitra ny Tompo hoe hotafiana “avokoa” ny fiarovan-tena avy Aminy?
Inona no ho tsapanao momba an’io olona io?
Inona no mety hitovizan’izany toe-javatra izany amin’ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ho antsika?
Ny fiarovana sy ny fanampian’ny Mpamonjy
Hoy ny Apôstôly Paoly, “Itafio Jesoa Kristy Tompo” (Romana 13:14). Ireo fiarovan-tena samihafa voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 (jereo koa ny Efesiana 6:11–18) dia afaka maneho ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy miaro antsika amin’ny fitaka, ny faharatsiana, ny korontana ary ny fisalasalana izay manodidina antsika. Atolony antsika izany fiarovana izany rehefa manatona Azy isika.
Itafio avokoa ny fiarovan-teny avy Aminy
Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ny Tompo ho fomba mahery vaika hanasana ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny fiarovany (ny fiarovan-tena rehetra avy Aminy) eo amin’ny fiainantsika?