Seminera
Lesona 41: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–14: “[Ataovy] amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro izany”


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–14: -[Ataovy] amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro izany,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–14,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 41: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–14

“[Ataovy] amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro izany”

ankizy mandray ny fanasan’ny Tompo

Taorian’ny fandaminana ny Fiangonana tamin’ny Aprily 1830 dia nitohy ny fanenjehana ny mpikamban’ny Fiangonana. Indray andro, raha nandeha haka divay hampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo i Joseph Smith, dia nosakanan’ny iraka iray avy any an-danitra izy, izay nampita taminy ireo fahamarinana natao hanampiana ny Olomasina. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana tsara kokoa handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fanasan’ny Tompo

Hevero ny hampiseho ity rafi-tantara manaraka ity. Apetraho tsiroaroa ny mpianatra, ka ny iray amin’izy ireo hilalao ny toeran’ilay namana ao anatin’ilay rafi-tantara. Asao ny mpianatra hilalao an-tsehatra vetivety io toe-javatra io alohan’ny handrosoana.

Raha tsy izany, dia asao ny mpianatra mba hamorona ny rafi-tantaran’izy ireo manokana izay misy olona iray tsy mahazo na tsy dia niaina zavatra tsara tamin’ny fanasan’ny Tompo.

Milaza aminao ny namanao hoe: “Miteny daholo ny olona hoe tena manan-danja be ny fanasan’ny Tompo, saingy tsy dia tsapako ho zava-dehibe loatra amiko izany. Inona no tsy azoko?”

  • Inona avy ireo fanontaniana mety ho azonao apetraka?

  • Inona no azonao zaraina?

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ireto manaraka ireto:

Saintsaino ny zavatra niainanao vao haingana tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Misy dikany ve ny zavatra niainanao tamin’ny fanasan’ny Tompo? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mitarika anao sy ny hafa hiaina zavatra manan-danja sy mahery kokoa amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo.

Ny fanasan’ny Tompo: inona no zava-dehibe sy tsy ilaina

Tamin’ny volana Aogositra 1830 dia nandao an’i Colesville, New York, i Newel sy i Sally Knight, mba hitsidika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny vadiny Emma tany Harmony, Pennsylvanie. Efa natao batisa i Emma sy i Sally, saingy noho ny fanenjehana nataon’ny mpihetraketraka dia tsy mbola noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo ary tsy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Talohan’ny niverenan-dry Knight nody dia nanapa-kevitra i Joseph sy ny namany fa hiara-handray ny fanasan’ny Tompo ary hanao ny fandraisana ho mpikambana.

Miaraka amin’izany toe-javatra izany ao an-tsaina, dia vakio ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 mba hahitana ny fomba nandraisana io fanambarana io.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany fa nahaliana azy ireo. Hazavao fa nitondra hafatra avy amin’ny Mpamonjy ilay iraka avy any an-danitra. Raha manontany ny mpianatra hoe nahoana isika no mampiasa rano fa tsy divay amin’ny fanasan’ny Tompo, dia asao izy ireo hitady fitsipika iray nambara ao amin’io fizarana io izay afaka manampy amin’ny famaliana izany fanontaniana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2, ary tadiavo ny zavatra nianaran’i Joseph momba ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona no zavatra nanaitra anao? Nahoana?

    Manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo. Mitadiava fomba hanehoana fa mankasitraka ny valin-teniny ianao.

    Raha toa ka tsy mandeha ho azy amin’ny mpianatra ny fizarana fahamarinana, dia anontanio izy ireo hoe: “Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tokony handraisana ny fanasan’ny Tompo?” Rehefa eo am-pamaliana ny mpianatra, dia ny tenin’izy ireo no ampiasao hanoratana fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Mety hitovy amin’ity manaraka ity izany: tokony handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika, hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ho antsika.

    Raha ilaina dia anontanio ny mpianatra hoe andian-teny inona avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no tiany hosaintsainina na tiany ho azo kokoa. Afaka manampy ity fitaovana manaraka ity:

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra?

Ny hoe manana maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra dia midika hoe mifantoka ara-panahy amin’ny Mpamonjy sy ny asa fanavotana nataony, fa tsy amin’ny tenantsika (jereo ny Marlin K. Jensen, “Maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.,” Ensign, nôv. 1989, 27–28). Azon’ireo mpianatra atao ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–68 mba hahitana ireo fitahiana nampanantenaina noho ny fananana maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny mpianatra dia mety hizara ihany koa ny hevitry ny hoe feno hazavana.

kisary fanofanana Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy: Ity fitaovana manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fahitana ny fanasan’ny Tompo sy ny Sorompanavotan’i Kristy ho fanomezana manokana ho azy ireo. Mba hahazoana fiofanana bebe kokoa mikasika ny fomba hamporisihana ireo mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Fanasana izay manampy ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony.” Io fiofanana io dia hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.

Nambaran’ilay anjely ny hafatry ny Mpamonjy mba hahatsiarovana fa ny tenan’ny Mpamonjy dia “napetraka ho ana[o]” ary ny rany dia “nalatsaka ho famelana ny fahotana[o]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2; nampiana fanamafisana).

Asao ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “ho ana[o]” sy “ny fahotana[o].” Mety ho te hanoratra ny anarany manokana ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ireo andian-teny ireo izy ireo mba hampiharana io andininy io amin’ny tenany manokana. Afaka manisy marika andian-teny mitovy amin’izany koa ny mpianatra ao amin’ny Lioka 22:19–20, rehefa nizara ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy “ho ana[o]” manokana sy ho an’ny “fahotana[o]” rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao?

Raha te hahita ohatra iray amin’ny olona izay nahatsapa hoe natao ho azy manokana ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy ny fanasan’ny Tompo, dia jereo ny “Mba hahazoako mtaona ny olon-drehetra atỳ Amiko” manomboka amin’ny kaodim-potoana 7:16 ka hatrami’ny 9:14, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

13:39

Faminaniana iray sy fampanantenana iray

Mba hanamafisana ny fampianarany dia naminany ny Tompo fa hanolotra ny fanasan’ny Tompo izy amin’ny hoavy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5 mba hahitana ilay faminaniana. (Jereo koa ny Lioka 22:18.)

Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:6–14 mba hahitana hoe iza koa no hiverina.

Amporisiho ny mpianatra haka sary an-tsaina io fotoana io ary hieritreritra ny zavatra tsapany momba ny fampanantenan’ny Mpamonjy hiverina sy handray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny mpianany. Angataho izy ireo hisaintsaina hoe inona no mety ho tsapany raha teo izy ireo. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra ampianarin’ity faminaniana ity momba ny maha zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo.

Tandremo sao manombantombana momba ity fihaonana ity sy ny mety ho fiafarany.

Jereo ny fanambarana nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (1915–1985) ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fiarahana amin’ny Mpamonjy eo aminao rehefa mandray anjara amin’ny fanasan’ny Tompo ianao?

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Manaova roa na telo amin’ireto asa atao manaraka ireto mba hanampiana anao hiomana handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.

  1. Tanisao ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay heverinao fa tsara hotsaroana mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  2. Raketo ao anatin’ny diarinao ny zavatra niainanao rehefa nanampy anao na ny olona iray fantatrao ny Mpamonjy. Hazavao hoe nahoana no mety hanampy ny mahatsiaro zavatra niainana toy izany mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  3. Manaova lisitr’ireo soratra masina na hira momba ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho anao izay hanampy anao ny misaintsaina azy mandritra ny fanasan’ny Tompo. Hevero ny hampiditra andalana na andian-teny izay hitanao fa tena ilaina ary hazavao ny antony.

  4. Saintsaino hoe inona no ilanao manokana ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fisaintsainana ireo fanekempihavanana nataonao manokana tamin’ny Tompo sy izay fahotana nataonao noho ny zavatra tsy mety natao (rehefa manao izay tsy tokony hatao isika) na noho ny zavatra izay tsy atao kanefa tokony hatao (rehefa tsy manao izay tokony hatao isika), izay mitaky fibebahana.

  5. Tanisao ireo zavatra mety ho fanelingelenana tokony hohalavirinao mandritra ny fanasan’ny Tompo ary nahoana ianao no tokony hanalavitra izany mba hiainanao zavatra manan-danja kokoa amin’ny fanasan’ny Tompo.

  6. Tanisao ireo fomba hafa azonao ifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo ary hazavao hoe nahoana izy ireo no mety hahasoa.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany sy tsapany rehefa nanao ireo asa izay nofidiny izy ireo.

Asao izy ireo hisaintsaina indray ny zavatra niainany manokana momba ny fanasan’ny Tompo rehefa manao izao manaraka izao:

Fidio amim-bavaka ny zavatra hataonao mba handraisanao ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra amin’ny alahady ho avy izao. Manaova drafitra amin’ny fomba hanatanterahana izany zavatra hatao izany. Eritrereto ny mety ho fiantraikan’izany eo aminao sy ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo ho avy. Katsaho ny fanampian’Izy Ireo amin’ny ezaka ataonao amin’ny fanatanterahanao ny drafitrao.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy izay azo aseho amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Eritrereto ny hizara zavatra niainanao momba ny fanasan’ny Tompo. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ireo zavatra izay iainany manokana.