Lesona 122—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109: Ny tempolin’ny Tompo: Tranon’ny voninahitra sy ny hery
“Lesona 122—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109: Ny tempolin’ny Tompo: Tranon’ny voninahitra sy ny hery,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 122: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110
Ny tempolin’ny Tompo: Tranon’ny voninahitra sy ny hery
Niasa efa ho nandritra ny telo taona ny Olomasina mba hanorina ny Tempolin’i Kirtland, ilay tempoly voalohany naorina tamin’ity fotoampitantanana ity. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 dia ilay vavaka fanokanana nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Mirakitra fitahiana azontsika raisina ankehitriny io vavaka io. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana miavosa handeha any amin’ny tempoly sy handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahatsapana mikasika ny tempoly
Nahoana ny olona sasany no mety ho mientanentana mikasika ny fandehanana any amin’ny tempoly? Nahoana no mety ho tsy mientanentana ny hafa?
Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.
Zava-dehibe ho ahy ny fiomanana na ny fandehanana any amin’ny tempoly.
Mino aho fa hanome fitahiana lehibe ho ahy ny Tompo rehefa miezaka ny ho mendrika ny hiditra ao an-tranony aho.
Saintsaino izay fanontaniana na olana rehetra anananao momba ny fiomanana sy ny fandehanana any amin’ny tempoly. Rehefa mandalina ianao anio dia azonao atao ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatsapa faniriana miavosa handeha any amin’ny tempoliny masina.
Ny Tempolin’i Kirtland
Teo anelanelan’ny jona 1833 sy martsa 1836, dia nahafoy fotoana sy vola ary fananana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana amin’ny fanorenana ny tempoly voalohany amin’ity fotoampitantanana ity. Ny lehilahy dia nampiasa ny fahaizany manokana tamin’ny fanorenana trano, ary ny vehivavy dia nanamboatra ny akanjo sy nikarakara ny fonenan’ireo mpiasa. Nanolotra ny ankamaroan’ny hareny ho an’ny fanorenana ny tempoly ny Olomasin’ny Andro Farany sasany. Nitentina teo amin’ny 60.000 dôlara amerikana teo ny tempoly—izay vola be tamin’izany fotoana izany, indrindra raha ny fahantran’ny Olomasina no jerena.
Notokanana tamin’ny 27 martsa 1836 ny Tempolin’i Kirtland. Maro tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanatrika ireo lanonana sy zava-nitranga tao anatin’ny fanokanana no nahita fisehoana ara-panahy lehibe. Anisan’izany ny fandrenesana ny feon’ny rivotra mahery mifofofofo, ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, ny fahitana fahitana, ary ny fanatrehana ny fitsidihan’ny anjely.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 dia ilay vavaka fanokanana izay nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Novakina mafy nandritra ny fotoam-panokanana io vavaka io. Mitohy ankehitriny io lamina io, dia ny famakiana ny vavaka fanokanana nentanim-panahy mandritra ny fotoam-pivoriana fanokanana ny tempoly tsirairay.
Inona no mety hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika mba ho azo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana no sarobidy aminao izany?
Hevitra mampahery ihany no mameno ny saiko any amin’ny tempoly. Mahavariana ny mieritreritra zavatra azonao atao mba hanampiana ny hafa. [Chloé D.] …
… Nanampy ahy hahatsapa ny Fanahy matetika kokoa ny fitsidihana tsy tapaka ny tempoly. Tena nampifanakaiky kokoa an’ireo namako tokoa izany. Ankoatra izany, maro amin’ireo mpiara-mianatra aminay no manontany momba ny dianay mankany amin’ny tempoly. …
… Nisy namana iray … nanana fahafahana nahazo ny fahazoan-dalana voafetra voalohany, ary mahafinaritra ny mahita ny vokatra tsara naterak’izany teo amin’ny fiainany. [Annalise K.] …
… Vantany vao nandeha tao amin’ [ny tempoly] aho dia nahatsapa fa tsy nisy intsony tsotra izao ireo olana rehetra niainako tany an-tsekoly sy tany an-kafa. Nahatsapa fiadanana aho tao amin’ny tempoly. Nahatsiaro ho feno fahasambarana aho. Nanampy ahy hifantoka amin’ny zavatra tokony hataoko any am-piangonana sy ao amin’ny andraikitra hafa ny fandehanana any amin’ny tempoly. Tena nahatalanjona ny nahafahako nandeha sy niala kely tamin’ireo olana rehetra nananako. [Kole E.] (“Youth Voices: Attending the Temple,” New Era, apr. 2013, 5–7)
Manatrika ny tempoly masin’ny Tompo
2:3
2:3
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
[Ny tempoly] no tranony. Ahitana ny heriny izany. Aoka isika tsy ho very fifantohana amin’ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao. … Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany. (Russell M. Nelson, “Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022, 121)
Oviana ianao na ny olona akaiky anao no niaina fitahiana avy amin’ny tempoly?
Inona no zavatra nianaranao na tsapanao izay afaka manampy ny olona iray hiatrika ny ahiahiny na hitaona azy hananana fahatsapana hafa mikasika ny tempoly?
Inona no tsapanao androany fa niova teo amin’ny fahatsapanao manokana momba ny Tompo sy ny tempoliny masina ?