“Lesona 124—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 2: Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 124: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110
Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana
Taorian’ny fahitana an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 3 aprily 1836, dia “nosokafana tamin[’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery] indray ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11 ). Mpaminany telo fahiny no niseho ary nanome azy ireo fanalahidin’ny fisoronana tena ilaina. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mitahy ny fiainan’izy ireo ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana?
Hanombohana ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana tsy feno manaraka ity:
Ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy ny ?
Asao ireo mpianatra hameno ilay fanontaniana ao anatin’ny diary fandalinany amin’ny zavatra iray izay tsapan’izy ireo hoe ho sarotra ny hiaina raha tsy misy azy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra namenoany ilay fanontaniana ary hanazava anaty fotoana fohy ny antony mahatonga ny fiainan’izy ireo ho sarotra raha tsy misy izany.
Rehefa avy nizara ny mpianatra, dia fenoy ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe amin’ny andian-teny toy ny “asa fitoriana,” “ny fahafenoan’ny filazantsara,” “asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana,” ary “ny fahafahana hofehezina amin’ny fianakavianao.” Asao ny mpianatra handinika amim-pahanginana ny mety hiova eo amin’ny fiainana raha tsy misy ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra ireo ary hirakitra izay mety ho zavatra tsapan’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hanohy hisaintsaina ny lanjan’ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainany rehefa mianatra momba ireo zava-nitranga masina izay nanampy tamin’ny fahatanterahan’ireo izy ireo.
Fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny
Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny fisehoan’ny Mpamonjy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 3 aprily 1836 (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10 ). Raha efa nanao ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1 ” ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity amin’izy ireo:
Soraty amin’ny soratra matevina eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Nandefa iraka avy any an-danitra ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe an’io fahamarinana io dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary asao ireo mpianatra hamerina izany ao amin’ny diary fandalinany. (Hazavao fa tokony hamela toerana ampy ny mpianatra hanampiana fanontaniana fanampiny eny amin’ny faran’ny tsanganana tsirairay any aoriana ato amin’ity lesona ity.) Asao ny mpianatra hampiasa ny soratra masiny hamenoana ilay tabilao.
Rehefa avy nanome fotoana ampy ny mpianatra ianao mba handalinany, dia asao ny mpianatra manolo-tena hanatona eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra ao amin’ny tsanganana tsirairay ny zavatra nianarany. Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra ireto manaraka ireto:
Tsarovy fa “ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia tarihin’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany , 3.4.1 , ChurchofJesusChrist.org ; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2 ).
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny dia asao izy ireo handalina ireo fanalahidy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana andalan-tsoratra masina hafa, lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na loharanom-pahalalana avy amin’ Andriamanitra hafa. Afaka mandalina ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy izy ireo, na mitady ny hoe “fanalahidin’ny fisoronana,” ireo teny tsy mahazatra, na anaran’ireo mpitsidika avy any an-danitra, ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina . Azon’izy ireo atao ny mikaroka ny hoe “fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile izy ireo.
Na zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo iray amin’ireo sahanasa fandalinana ny vondrona tsirairay avy amin’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny tempolin’i Kirtland.” Asao ny vondrona tsirairay hiara-handinika ilay taratasy zaraina ary hanampy hevi-baovao ao amin’ny tabilaony.
Namerina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny “fanangonana an’i Isiraely” i Mosesy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11 ). Ny fanalahidin’ny fanangonana dia manome lalana ireo mpanompo izay mihazona izany fahefana izany hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ireo firenena eto an-tany.
Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika dia mazava ho azy fa miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Miresaka momba ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay miara-miaina sy miasa ary manompo amintsika ihany koa isika. (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka ,” Liahona , nôv. 2020, 92)
Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay ifaneraseranao isan’andro?
Ahoana no fomba nikasihan’ny Tompo ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao tamin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Nampita ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama i Elià (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12 ). Anisan’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama.
Nanazava toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama … dia nahitana fampanantenana maromaro, [ka] anisan’izany … ny firenena rehetra ambonin’ny tany dia hotahiana amin’ny alalan’ny taranany. …
… Nahazo ny fisoronana masina, sy ny filazantsara maharitra mandrakizay isika, tahaka ireo tany aloha tany. Manana ny zo isika handray ny fahafenoan’ny filazantsara, sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana, ary ho mendrika ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra—dia ny fiainana mandrakizay. (Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana ,” Liahona , nôv. 2011, 87–88)
Inona avy ireo fomba sasany itahian’ny Tompo ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny firenena amin’ny alalan’ny filazantsarany sy ny fisoronany?
Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny Tompo izay iainanao amin’ny alalan’ny filazantsarany sy ny fisoronany?
Naverin’i Elia tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny famehezana, izay ahitana ny fahefana hamehy fianakaviana ao amin’ny tempoly.
Nanazava toy izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fanalahidin’ny famehezana izay naverin’i Elia mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ny laoniny no ahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ireo tempoly masina. Ireo ôrdônansy izay tanterahina any amin’ireo tempoly ireo no manome fahafahana ny olona sy ny fianakaviana hiverina eo anatrehan’ny ray aman-drenintsika any an-danitra. (Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana? ,” Liahona , mey 2016, 31)
Inona avy ireo fomba sasantsasany itahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny famehezana?
Ahoana no nitahian’ny Tompo na azon’ny Tompo itahiana anao sy ny fianakavianao (t)amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly?
Hevero ny hampahatsiahy ireo mpianatra ny zavatra noeritreretiny tany am-piandohan’ny lesona. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinany hoe “Nahoana no zava-dehibe amiko ireo fanalahidy ireo?” Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana sy hamaliana io fanontaniana io mifototra amin’ny fandalinany na ny zavatra nianarany tamin’ilay sahanasa.
“Mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra”
Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:14–16 , ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay mifandray amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Inona no hitanao?
Amporisiho ireo mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masiny izay teny na andian-teny manan-danja hitany.
Ahoana no anomanan’ny Mpamonjy antsika amin’ny Fiaviany Fanindroany amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naverin’i Mosesy sy i Elià ary i Elia tamin’ny laoniny?
Nahoana araka ny eritreritrao no “hasiana amin’ny ozona” ny tany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15 ) amin’ny fiavian’ny Tompo raha tsy nisy ny famerenana tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo?
Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hamita ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.
Alaovy sary an-tsaina hoe misy namana iray milaza aminao fa nianatra momba ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy. Hoy ilay namanao avy eo: “Tsy azoko antoka hoe inona no ifandraisan’izany amiko.” Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany, dia hazavao hoe inona avy ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny sy ny fomba nitahian’izy ireo na ahafahany mitahy ny namanao.
Nampanantena fitahiana goavana ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ny Mpamonjy noho ny asa sy ny fahafoizan-tena nataon’izy ireo mba hanorenana tempoly iray tao Kirtland, Ohio. Ireo fitahiana ireo dia nahitana ireo fanalahidy sy hery naverina tamin’ny laoniny tamin’ny 3 aprily 1836. Nanazava toy izao ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
2:3
Ny Tempolin’i Kirtland, na ny toerany izany na ny habeny, dia azo lazaina fa tsy dia fantatra loatra. Saingy raha ny lanjany lehibe ho an’ny zanak’ olombelona no resahina, dia mandrafitra mandrakizay . Naverin’ireo mpaminany fahiny tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niteraka fifaliana sesehena ho an’ireo mpikambana mahatoky izany.
Ireo fanalahidy ireo dia mitondra “hery avy any ambony” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:38 ] hanatanterahana asa masina nampandraiketina izay mandrafitra ny tanjona fototry ny Fiangonana. (Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2018, 114)
Raha ny fivavahantsika, dia ampifandraisina amin’ny fankalazana ny Paska Jiosy teo amin’ny Isiraelita fahiny ny fetin’ny Paska. Ireo fankalazana roa ireo dia samy manan-karena amin’ny fanehoana an’ohatra mikasika ny sorona nataon’ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra mba hitondrana fanafahana sy famonjena ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.
Mifandray amin’ny faminaniana ny fiavian’i Elia ny ampahany amin’ny fombafomban’ny fankalazana isan-taonan’ny Paska ataon’ny Jiosy. Matetika, mandritra ny fetin’ny Paska na ny Sedera, dia misy toerana apetraka eo amin’ny latabatra ho an’i Elia, ary amin’ny fotoana iray mandritra ny fisakafoanana, dia sokafana ny varavarana mba hidiran’ilay mpaminany. Tsy fantatra avy amin’ny tantara ny niandohan’io fomban-drazana io, nefa azo inoana fa misy heviny ara-pivavahana eo amin’ny fankalazana ny Paska Jiosy izany.
Raha ny zava-nitranga dia ny 3 aprily no andro faharoa tamin’ny vanim-potoan’ny Paska Jiosy tamin’ny 1836. Noho izany, dia tena mahagaga fa niverina nandritra ny Paska Jiosy tokoa i Elia mpaminany (jereo ny Stephen D. Ricks, “The Appearance of Elijah and Moses in the Kirtland Temple and the Jewish Passover,” BYU Studies , boky 23, lah. 4 [1983], 483–86).
“Noho izany, ho antsika, ilay fiavian’i Elia izay nambara tamin’ny faminaniana dia lohahevitra masina voatonona hatrany mandritra ny Fetin’ny Paska Jiosy, ny famonjena ny taranak’olombelona ankalazaina amin’ny Paska, ary ireo zava-niseho niavaka izay nitranga tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 3 aprily 1836” (“Viewpoint: Key Events in 1836 and 2018 Occurred on Easter Sunday,” Church News , apr. 1, 2018, ChurchofJesusChrist.org ).
Rehefa hitan’ny mpianatra ny anaran’ireo iraka avy any an-danitra izay namerina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana dia asao ireo mpianatra hizara izay antsipiriany mety ho fantany momba ireo mpaminany fahiny ireo. Afaka mikaroka ao amin’ny application Mediathèque de l’Évangile ny mpianatra mba hahazoana fampahalalana fanampiny momba ny fiainany sy ny asa fanompoany. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Raha ilaina dia hazavao fa i Elià dia mety ho mpaminany niaina tamin’ny andron’i Abrahama. Ny anarana Elià dia anaram-boninahitra ihany koa izay midika hoe mpialoha lalana na mpamerina amin’ny laoniny (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Elià ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org ). Zarao amin’ny mpianatra ihany koa ny fampahalalana momba ny fiverenan’ny mpaminany Elia ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny”.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny lanjan’ny fiverenan’i Elia dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto:
Asao ny mpianatra hamaky ny andalan-tsoratra masina tsirairay ary hitady ireo fitoviana. Amporisiho ny mpianatra hanoritra ao amin’ny soratra masiny ny fampifandraisana ireo toko sy andinin-tsoratra masina tsirairay . Rehefa vita izany dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Nahoana araka ny eritreritrao no voalaza ao amin’ireo bokin-tsoratra masina tsirairay avy ireo io faminaniana io?
Amin’ny fomba ahoana no itahian’ny Ray any An-danitra izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny iraka nampanaovina an’i Elia ny hampitodika ny fon’ny fianakaviana amin’ny tsirairay?