“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114
Topimaso ankapobeny
Narahin-trosa lehibe ny Fiangonana tamin’ny taona 1836. Nandeha tany Salem, Massachusetts, izay toerana nantenaina hahazoana vola handoavana ireo trosa ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Rehefa tao Salem i Joseph dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111. Tamin’ny 1837, dia nikatsaka torolalana momba ny antsony tamin’i Joseph Smith i Thomas B. Marsh, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fahatokisana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra olana na fanamby atrehin’izy ireo sy ny halalin’ny fahatokisan’izy ireo fa ho vitany ny hiatrika izany ary hilamina ny zava-drehetra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra amim-panetrentena.
-
Fanomanana ny mpianatra: Mandritra ny lesona dia hasaina hieritreritra ireo torolalana ilainy avy amin’ny Ray any An-danitra ireo mpianatra. Azonao atao ny manasa azy ireo mialoha mba hieritreritra momba ny fiainany sy ny fitarihana izay mety ilainy avy Aminy.
-
Horonan-tsary: “How I #HearHim: Elder Neil L. Andersen” (2:51)
Tombano ny fianaranao 8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatadidy sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mba hivoatra ara-panahy.
-
Zavatra hampiasaina: Vato maro samy hafa habe azo ampiasaina hanaovana famantarana ny lalana
-
Sary: Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny