Lesona 125—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”
“Lesona 125—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111: -Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 125: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114
“Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”
Narahin-trosa lehibe ny Fiangonana tamin’ny taona 1836. Nandeha tany Salem, Massachusetts, izay toerana nantenaina hahazoana vola handoavana ireo trosan’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny 6 aogositra 1836 dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 i Joseph Smith. Nanome toky azy mikasika ny trosan’ny Fiangonana sy ny fiadanan’i Ziona ny Tompo tao amin’io fanambarana io. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fahatokisana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Hanao ahoana ny toe-draharaha?
Araka ny eritreritrao, hatraiza ny fahatokisan’ny ankamaroan’ny zatovo fa hilamina ho an’ny tombontsoan’izy ireo ny zava-drehetra?
Saintsaino ny fomba hanombananao ny tenanao amin’io mari-drefy io mikasika ireo olana na fanamby atrehinao na mety hatrehinao amin’ny hoavy.
Fotoan-tsarotra ho an’i Joseph sy ny hafa
Tamin’ny taona 1836, dia nanana trosa be ny Fiangonana noho ny fandaniana tamin’ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland sy ny fividianana tany tao Ohio sy Missouri. Nandritra izany fotoana izany dia noterena hifindra toerana ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Clay, Missouri. Tamin’ny faramparan’ny volana jolay 1836, niaraka tamin’ireo ahiahy ireo izay nibahana mafy tao an-tsain’izy ireo, i Joseph sy i Hyrum Smith, i Oliver Cowdery, ary i Sidney Rigdon dia nanao dia 965 kilaometatra mahery avy tao Kirtland, Ohio, nankany Salem, Massachusetts. Na dia tsy fantatra mazava aza ny anton’ny dian’izy ireo, dia azo inoana fa nandray fanapahan-kevitra niainga tamin’ny fampahalalana izay noheveriny fa mety hanampy azy ireo hanamaivana ny trosan’ny Fiangonana izy ireo. Araka ny raki-tantara iray, dia nisy mpikamban’ny Fiangonana iray nilaza tamin’i Joseph Smith mikasikana trano iray tao Salem izay nisy vola be nafenina. (Jereo ny fampidirana ara-tantara ho an’ny “Revelation, 6 August 1836 [D&C 111],” 35, josephsmithpapers.org.)
Araka ny eritreritrao, hatraiza ny fahatokisan’i Joseph Smith fa hilamina ihany amin’ny farany ny olana atrehin’ny Fiangonana?
“Na dia eo aza ny hadalanareo”
Vakio ireto vondron’andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary valio ireto fanontaniana roa manaraka ireto ho an’ny vondrona tsirairay:
Ahoana no mety ho nahafahan’ireo fahamarinana hitanao nanampy an’i Joseph Smith tamin’ireo fanamby sy olana natrehiny?
Ahoana no mety hahafahan’izy ireo manampy anao?
Andriamanitra dia afaka mandrindra ny zavatra rehetra ho tombontsoantsika
Araka ny andininy 11, inona no takina amintsika mba handaminan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra hahasoa antsika?
Halalino ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo izay tokony hataontsika mba handaminan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra ho tombontsoantsika. Ampifandraiso amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:11 ireto andininy manaraka ireto.
Nijoro ho vavolombelona toy izao ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008):
Dia hilamina ho azy ny zava-drehetra. Aza manahy. Miteny izany amin’ny tenako aho isa-maraina. Dia hilamina izany amin’ny farany. Raha manao ny tsara indrindra avy aminao ianao dia hilamina izany amin’ny farany. Apetraho amin’ Andriamanitra ny fitokianao, ary mandrosoa amim-pinoana sy amim-pahatokiana amin’ny hoavy. Tsy handao antsika ny Tompo. Tsy handao antsika Izy. (“Latter-day Counsel: Excerpts from Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Oct. 2000, 73)
Inona no hitanao fa afaka manamafy orina ny fahatokisanao fa Andriamanitra dia afaka mandrindra ny zava-drehetra ho tombontsoanao?
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay anao hino fa afaka mandrindra ny zava-drehetra ho tombontsoanao Andriamanitra?
Oviana na tamin’ny fomba ahoana no nandaminan’ Andriamanitra ny zava-drehetra ho tombontsoanao teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona fantatrao?
Fenoy ao anatin’ny diarinao ny iray na ny maromaro amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto:
Nohamafisina androany ny fahatokisako fa Andriamanitra dia afaka mandrindra ny zava-drehetra ho tombontsoako tamin’ny alalan’ny … Ny zavatra nianarako androany dia afaka manampy ahy amin’ny olana atrehiko amin’ny alalan’ny … Rehefa tojo fahasahiranana aho amin’ny hoavy dia tiako ny hahatsiaro …