“Lesona 126—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112: -Ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 126: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114
“Ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana”
Ny fanetrentenan’i Jesoa Kristy dia nanampy Azy hahatakatra sy hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (jereo ny Jaona 5:30 ). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 , ny Mpamonjy dia nampianatra an’i Thomas B. Marsh fa ny fanetrentena dia afaka manampy antsika hahazo fitarihana avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ireo mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra amim-panetrentena.
Sahanasa fianarana azo atao
Mitady fitarihana avy amin’ Andriamanitra
Mba hanomanana ny mpianatra hianatra momba ny fandraisana fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hisaintsaina ny valin-tenin’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hisafidy iray na roa amin’ireo fanontaniana hovaliana ao amin’ny diary fandalinany.
Inona no fitarihana ilainao avy amin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao?
Inona no manampy anao hahazo fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra?
Inona indraindray no manakana antsika tsy handray ny fitarihana avy amin’ny Raintsika any An-danitra?
Rehefa mifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fandraisana fitarihana avy any an-danitra isika dia diniho tsara ny zavatra ampianarin’ny Fanahy anao mikasika ny fomba ahafahanao manatsara ny fahafahanao mba hotarihiny.
Ny fanetrentena dia mitarika ho amin’ny fitarihan’ Andriamanitra
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 sy ny antony nitadiavan’i Thomas B. Marsh fitarihana avy amin’ny Tompo dia azonao atao ny mampiseho izao fampahalalana manaraka izao ary manasa mpianatra iray hamaky izany:
Tamin’ny 1837 dia Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Thomas B. Marsh. Nisy fanahin’ny apôstazia sy fitadiavana fahadisoana eo amin’ny hafa nitombo teo anivon’ny Olomasina sasany tao Kirtland, ka anisan’izany ny mpikambana sasany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’ny janoary 1837 dia nanangana banky iray antsoina hoe ny Kirtland Safety Society ny mpitarika ny Fiangonana. Noho ny olana isan-karazany, isan’izany ny krizy ara-bola teo nanerana ny firenena, dia tsy nahomby ilay banky tamin’ny farany, ka nampitombo ny fitarainana nanohitra ny Mpaminany Joseph Smith. Nanahy ny amin’ireo fifanolanana ireo i Thomas B. Marsh ka nandao ny tranony tany Missouri ary nandeha nankany Kirtland, tapa-kevitra ny hihaona amin’ny Roambinifololahy sy haneho ny fanohanany an’i Joseph. Rehefa tonga anefa ny Filoha Marsh dia naheno izy fa nandefa mpikambana roa tao amin’ny Roambinifololahy tany Angletera hanao asa fitoriana i Joseph. Amin’ny maha-filohan’ny kôlejy azy dia tezitra ny Filoha Marsh hoe tsy nanontany ny heviny mialoha i Joseph. Na dia izany aza dia nitsidika an’i Joseph Smith i Thomas B. Marsh mba hikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo.
Manapaha hevitra hoe iza amin’ireo fomba famakiana no tena hanampy ny mpianatrao handalina ireto andininy manaraka ireto. Azonao atao ny mizara ireo andinin-tsoratra masina amin’ireo mpianatra tsirairay na vondrona mpianatra. Na azona mpianatra maromaro manolo-tena atao ny mamaky mafy ireo andian-tsoratra masina ka ny mpianatra hafa kosa hanaraka ny vakiteny.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:2–3, 10, 12–15, 20–22, 28, 33–34 , dia tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh izay hanampy azy handray fitarihana avy amin’ny Tompo.
Mety hahita fitsipika maro avy amin’ny fandalinany ireo mpianatra. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fametrahana fanontaniana hahitana ny fahatakarana ary hampalalim-paka ny fahatakaran’ny mpianatra an’ireo fitsipika hitan’izy ireo. Ny ambin’ity lesona ity dia hifantoka amin’ilay fahamarinana hoe raha manetry tena isika dia hitarika antsika sy hamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra (jereo ny andininy 10 ).
Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany an’io fitsipika io dia azonao apetraka ao anaty vondrona ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka mamaky ny tenin’ny Loholona Soares izy ireo avy eo ary mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
11:21
Mino aho, ry rahalahy sy rahavavy isany, fa ireo izay manetry tena ihany no afaka mahafantatra sy mahatakatra ny valin’ny vavak’izy ireo avy amin’ny Tompo. Mora ampianarina ireo manetry tena, manaiky fa miantehitra tanteraka amin’ Andriamanitra ary maniry ny hanoa ny sitrapony. Malemy fanahy ireo manetry tena ary manana fahaizana mitaona ny hafa mba ho tahak’izany koa. Ny fampanantenan’ Andriamanitra amin’ireo manetry tena dia ny hoe hitarika azy ireo amin’ny tanany Izy. Mino marina tokoa aho fa ho afaka amin’ireo zavatra mampania sy ny alahelo eo amin’ny fiainantsika isika raha mbola mifampitantana amin’ny Tompo koa. (Ulisses Soares, “Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po ,” Liahona , nôv. 2013, 10)
Azonao atao ny manome fotoana fohy ho an’ny vondrona vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo.
Ireo fomba ahafahantsika manetry tena rehefa mivavaka
Mieritrereta fomba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahantsika maneho fanetrentena ao anatin’ny vavaka ataontsika. Afaka mitanisa hevitra eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Afaka mandalina sy mifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto koa izy ireo. Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra ampianarin’ny Fanahy azy ireo.
Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahantsika maneho fanetrentena rehefa mivavaka:
Afaka maneho fankasitrahana isika (jereo ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 19:19–20, 27–28 ).
Afaka manaiky ny fahalementsika sy ny herin’ny Ray any An-danitra isika (jereo ny ohatra nasehon’ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Etera 3:1–6 ).
Afaka mikatsaka fanitsiana isika (jereo ny horonan-tsary “How I #HearHim: Elder Neil L. Andersen ” [2:51], izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ; jereo koa ny Hebreo 12:5–9 ).
Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina ireo fotoana namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo mba hanomezana azy ireo ny tari-dalana sy ny torolalana ilainy. Afaka mizara ny traikefany ny mpianatra vitsivitsy izay vonona.
Ity manaraka ity dia natao hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao drafitra hikatsahana fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra amim-panetrentena:
Henoy ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao ianao:
Asao ny mpianatra hanao zavatra araka ny fahatsapana azony. Afaka mizara traikefa manokana momba ny fandraisana ny fitarihan’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao ianao.
Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia manome sahan-kevitra ara-tantara fanampiny ho an’ny fizarana 112 :
“Ny fandrika rehetra ,” Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany , boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 260–73
“Hanjaka ny Fahamarinana ,” Olomasina , 1:274–83
Kay Darowski, “The Faith and Fall of Thomas B. Marsh ,” ao amin’ny Revelations in Context (2016), 54
Sujets de l’histoire de l’Église, “The Kirtland Safety Society ,” ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics
Ny hoe manetry tena dia miaiky amim-pankasitrahana ny fiankinantsika amin’ny Tompo—mahatakatra fa mila ny fanampiany tsy tapaka isika. Ny fanetrentena dia fanekena fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo talentantsika sy ny fahaiza-manao ananantsika. Tsy mariky ny fahalemena, na henatra na tahotra izany, fa fanehoana fa fantatsika ny tena fiavian’ny herintsika. (Sujets et questions, “L’humilité ,” topics.ChurchofJesusChrist.org )
Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:
Amin’ny zava-drehetra, i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika. Raha toa ka nanandrana nanova ny drafitry ny famonjen’ny Ray sy naniry ny hahazo ny voninahitra ho azy i Losifera, ny Mpamonjy kosa dia niteny hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” [Mosesy 4:1–2 ]. Na teo aza ny fahafaha-manaony niavaka sy ny zava-bitany dia malemy fanahy sy manetry tena hatrany ny Mpamonjy. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fieboeboana sy ny fisoronana ,” Liahona , nôv. 2010, 57)
Nanazava toy izao ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanetrentena sy ny fahafoizan-tena ho an’ny zanak’olombelona rehetra no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara. Ny Mpamonjy, na dia mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra aza, dia vonona ny ho ety an-tany toy ny zaza tsotra ary nanomboka niaina fiainana izay nahitana fampianarana sy fanasitranana ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifarana tamin’ny fiaretana fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. Io fanehoam-pitiavana sy fanetrentena avy amin’i Kristy io no antsoina hoe ny fiambaniany. Nataony izany ho an‘ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra. (Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay ,” Liahona , nôv. 2017, 52)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zava-nitranga tany Kirtland, Ohio, nandritra ny taona 1836 sy 1837, dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “If They Harden Not Their Hearts ” manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 6:12.
11:20
Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary ireo mpianatra dia afaka namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:2–3, 10, 12–15, 20–22, 28, 33–34 , mba hitadiavana ireo fampianarana izay mety ho nanampy ny Olomasina hisoroka ny avonavona sy hahazoana fitarihana avy amin’ny Tompo. Afaka mizara ny fomba ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy azy ireo hiala amin’ny avonavona ankehitriny ny mpianatra avy eo.
Azonao atao avy eo ny mampiseho ny ambiny amin’ilay horonan-tsary, manomboka amin’ny kaodim-potoana 6:12 ka hatramin’ny 11:21, mba hahitana ny olana nananan’i Thomas B. Marsh tamin’ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo. Mampiseho ny nihavanany tamin’ny Fiangonana taona maro taty aoriana ihany koa izany.
11:20
Mihirà na mihaino hira iray izay afaka manampy ireo mpianatra hahita ireo fitahiana azo avy amin’ny fikatsahana amim-panetrentena ny fitarihan’ny Tompo. Ohatra amin’izany ny “Oh! Sois humble ” (Cantique , no. 69), “Le front baissé ” (no. 99), ary ny “En toute humilité ” (lah. 97). Afaka mizara ireo teny izay nanaitra azy ireo ny mpianatra avy eo.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny kisarisarin’ny Ray any An-danitra izay mitarika antsika amin’ny tanana amin’ny alalan’ny famaliana ny vavaka ataontsika, dia asehoy ny sarina ankizy iray mihazona ny tanan’ny rainy na ny reniny. Ifanakalozy hevitra ny antony mety hihazonan’ny ankizy ny tanan’ny rainy na ny reniny (mba hahazoana fampiononana, fiarovana, fitoniana, fitarihana, sns). Ampio ny mpianatra hahita fa tahaka ny fiankinan’ny ankizy amin’ny tanan’ny ray aman-dreny no ahafahantsika miantehitra amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manome fitahiana mitovy amin’izay azon’ny ankizy iray avy amin’ny fihazonana ny tanan’ny rainy na ny reniny.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra mety hitranga rehefa mivavaka amim-panetrentena izy ireo, dia hevero ny hamaky ity teny nambara manaraka ity avy amin’ny Filoha Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany:
Isaky ny manonona vavaka isika dia manasa ny Ray any An-danitra hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika. Vavaka hangatahana fahagagana ny vavaka tsirairay. Na ny vavaka fankasitrahana aza dia antenaina mba hampaha lalim-paka ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. (Steven J. Lund, “Seminera sy Institiota ary ireo zavatra hafa izay mahomby ” [lahateny nandritra ny fampitana fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 27 jan. 2023])
Ny famerenana ireto fitsipiky ny vavaka manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mivavaka amim-panetrentena kokoa:
Ataovy avy amin’ny fo ny vavaka ataontsika.
Mampiasà fiteny izay mampiseho fitiavana, sy fanajana, sy fanomezam-boninahitra ary mampiseho hoe mifanakaiky.
Manolora fisaorana ny Ray any An-danitra lalandava.
Katsaho ny fitarihana sy ny herin’ny Ray any An-danitra amin’ny zavatra rehetra ataontsika.
Tsarovy ireo zavatra ilain’ny hafa rehefa mivavaka isika.
Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantarantsika izay zavatra tokony hampidirina ao anatin’ny vavaka ataontsika.
Rehefa manao fangatahana amin’ny alalan’ny vavaka isika, dia tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba hahazoana izany. (nalaina avy amin’ny Sujets et questions, “La prière ,” topics.ChurchofJesusChrist.org )
Azonao atao ny mizara ireo fitsipika ho ana vondrona mpianatra. Afaka manome ohatra vitsivitsy mikasika ny fomba hampiharana ireo fitsipika ireo ao anatin’ny vavaka ataony izy ireo avy eo.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 dia nambara tamin’ny andro iray izay nanombohan’ny Loholona isany Heber C. Kimball, Orson Hyde, ary John Goodson nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tany Angletera. Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “The Eternal Everyday ” manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:51 ka hatramin’ny 6:39 mba hanampiana ireo mpianatra hianatra momba ny fanetrentena izay nilain’ireo misiônera ireo mba hitory ny filazantsara voalohany tany ivelan’i Amerika Avaratra.
2:3
Azonao atao avy eo ny mampiseho ny sarin’ny River Ribble etsy ambany ary mizara ity fampahalalana manaraka ity amin’ny mpianatra: Herinandro taorian’ny nanombohan’ny misiônera nitory, dia natao batisa tao amin’ny River Ribble ireo olona niova fo voalohany. Ny roa tamin’ireo niova fo ireo dia tena nientanentana tokoa ny hatao batisa, ka nifaninana nihazakazaka nankany amin’ny renirano izy ireo. I George D. Watt no nandresy tamin’ilay hazakazaka ary izy no olona niova fo voalohany natao batisa tany Angletera. (Jereo ny Saints , 1:281–82; Global Histories, England, “George D. Watt and the Journal of Discourses ,” history.ChurchofJesusChrist.org .)