Lesona 127—Tombano ny fianaranao 8: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95–115
“Lesona 127—Tombano ny fianaranao 8: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95–115,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Tombano ny fianaranao 8,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 127: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–115
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo mba hivoatra ara-panahy ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Tombano ny fivoaranao ara-panahy
Inona avy ireo famantarana lalana izay nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hitarihana antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana hiverina ho eo anatrehan’ Izy Ireo?
Ahoana no ahafahan’ny famantarana lalana ho fanehoana an’ohatra ny Mpamonjy?
Rehefa misaintsaina ny zavatra niainanao tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao dia asao ombam-bavaka ny Fanahy mba hanampy anao hamantatra ny fivoaranao mankany amin’ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy anao.
Inona avy ireo fahamarinana ara-panahy nianaranao na nampiharinao izay nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Ahoana no nanomezan’ireo fahamarinana ireo fitarihana sy fiarovana anao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?
Inona avy ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nanan-danja taminao? Nahoana?
Hazavao ny fomba itahian’ny fisoronan’ny Mpamonjy sy ny fanalahidin’ny fisoronana ny Fiangonany
I Becky sy i Michael dia mpiray tampo izay vao haingana no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Izy ireo irery ihany no mpikambana ao amin’ny fianakaviany. Samy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Bokin’i Môrmôna, ny Mpaminany Joseph Smith, ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izy ireo, kanefa fantany fa mbola mila mianatra bebe kokoa izy ireo. Tany am-piangonana indray alahady dia nandre olona iray niresaka momba ny fomba nitahian’ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronan’ny Mpamonjy ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay izy ireo. Tsy tena azon’izy ireo ny dikan’izany.
Inona no azonao ampiasaina avy amin’ny fandalinanao vao haingana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mba hanampiana an’i Becky sy i Michael hahatakatra kokoa ny fomba nitahian’ny herin’ny fisoronana’ny Mpamonjy sy ny fanalahidin’ny fisoronana antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika?
Matoky bebe kokoa fa ireo Apôstôly dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy
Inona no nataonao vao haingana izay nisy fiantraikany tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona fa tena vavolombelona manokan’i Kristy tokoa ny mpaminany sy ny apôstôly?
Misafidiana hafatra vao haingana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay nanan-danja taminao. Saintsaino ny fiantraikan’io hafatra io tamin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy.
Valio ny fanasana amin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Zarao ao amin’ny pejinao amin’ny tambajotran-tserasera ilay fanasana.
Valio ny zavatra navoaka iray tao amin’ny tambajotran-tserasera na mandefasa hafatra mivantana any amin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka maneho fankasitrahana noho ny hafatra iray vao haingana izay nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Miomàna hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly
Inona no ezaka nataonao vao haingana mba hanomanana kokoa ny tenanao hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly?
Katsaho ny fanambarana ho an’ny tena manokana mba hitarihana anao rehefa mamaly ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao ianao:
Inona no fahafoizan-tena nataonao na vonona ho ataonao mba hanehoana fa laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly?
Inona no fitahiana hitanao teo amin’ny fiainanao teo am-pandinihanao ny namalianao ireo fanontaniana ao amin’ny tafa sy dinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho fiomanana hiditra ny tranon’ny Tompo?
Inona no nataonao ho fiezahana ho mendrika ny hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly?
Eritrereto ireo fitahiana azonao noho ny ezaka nataonao. Inona no mbola hotohizanao na zavatra hatombokao mba hiomanana kokoa amin’ny fitsaohana ao amin’ny tempoliny?