“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny janoary 1838 dia nifindra avy tao Kirtland, Ohio, nankany Far West, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fianakaviany rehefa nihombo ny fanenjehana nataon’ireo fahavalon’ny Fiangonana. Volana vitsy taorian’izay dia nandray fanambarana izay nanambaran’ny Tompo fahamarinana manan-danja ny Mpaminany, isan’izany ny anaran’ny Fiangonany sy ny lalàn’ny fahafolonkarena. Tamin’ny faramparan’io taona io dia niatrika fanenjehana lehibe ireo Olomasina tao Missouri, anisan’izany ny baiko avy amin’ny governoran’i Missouri mba handroahana ireo Olomasina hiala tao amin’ilay faritany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka fotoana hieritreretana momba ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy: dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba mety hanampian’io anarana io ny olona mba hahatakatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ilay lahateny hoe “Ny anarana marin’ny Fiangonana” (Liahona, nôv. 2018, 87-90) ho an’ireo mpianatra tsy afaka mamaky ny endriny nomerika.
-
Horonan-tsary: “Ny anarana marin’ny Fiangonana” (13:36; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 10:45 hatramin’ny 12:10)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana miavosa mba hiaina ny lalàn’ny Mpamonjy mikasika ny fahafolonkarena.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra izay efa nandoa ny fahafolonkarena mba hisaintsaina momba ny niainany izany ary hieritreritra momba ny fahatsapan’izy ireo mikasika ny fiainana io lalàna io. Asao ireo izay tsy mbola manana fidiram-bola mba hangataka ray aman-dreny iray na olon-dehibe azo atokisana iray mba hizara momba ireo fitahiana hitan’izy ireo avy amin’ny fandoavana ny fahafolonkarena.
-
Taratasy zaraina “Fampianarana mikasika ny lalàn’ny Mpamonjy momba ny fahafolonkarena”
-
Horonan-tsary: “Tithing: I Will Make a Leap of Faith” (4:47); “Ny fitenin’ny filazantsara” (12:27; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:27 ka hatramin’ny 7:40)
Fandroahana hiala an’i Missouri
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitodika amin’ Andriamanitra rehefa miatrika toe-java-tsarotra izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hangataka olona akaikin’ny fony iray hizara ny zavatra niainan’izy ireo na niainan’olon-kafa momba ny fitodihana na fianteherana amin’ Andriamanitra rehefa miatrika toe-java-tsarotra.
-
Votoatiny haseho: Famintinana ireo toe-javatra nahatonga ny fandroahana ireo Olomasina hiala tao Missouri
-
Horonan-tsary: “1838: The Year the Saints Were Driven Out of Missouri” (5:15)
-
Taratasy zaraina: “The Account of Amanda Smith at Hawn’s Mill”