Seminera
Lesona 128—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115: “Toy izany no hiantsoana ny fiangonako”


“Lesona 128—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115: -Toy izany no hiantsoana ny fiangonako,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 128: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115

“Toy izany no hiantsoana ny fiangonako”

Ireo fandikana amin’ny fiteny hafa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Mba hialana tamin’ny fanenjehana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nivondrona sahabo 80 kilaometatra tany avaratra ny Olomasina an’arivony ary nanorina fonenana vaovao nantsoina hoe Far West. Tao anatina fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tao Far West no nanambaran’ny Tompo fa ny Fiangonany dia tokony hantsoina hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Nantsoina tamin’ny anarana tsy izy

Miresaha amina mpianatra vitsivitsy alohan’ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana. Angataho izy ireo hiantso anao amin’ny anarana tsy izy eo anoloan’ireo mpianatra hafa alohan’ny hanombohanao ny lesona. Mety ho fomba mahafinaritra izany hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny maha-zava-dehibe ny fampiasana anarana marina.

  • Efa nisy fotoana ve niantsoana anao tamin’ny anarana diso? Inona no fahatsapanao manoloana ny zavatra iainana toy izany?

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ny anarana tsy izy ampiasain’ny olona hiantsoana ny Fiangonana indraindray?

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ireo antony maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreritr’izy ireo. Amporisiho izy ireo avy eo rehefa mandalina mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Manambara ny anaran’ny Fiangonany i Jesoa Kristy

Hazavao fa taorian’ny fanenjehana tsy nitsaha-nitombo nataon’ireo fahavalon’ny Fiangonana dia nandao an’i Kirtland, Ohio, ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny janoary 1838. Nifindra monina tao Missouri izy sy ny fianakaviany izay toerana nanorenan’ireo Olomasina fonenana vaovao nantsoina hoe Far West. Fotoana fohy taorian’ny fifindran-toerana dia nandray fanambarana izay nanomezan’ny Tompo fitarihana momba ny fanorenana ny Fiangonana tao Far West ny Mpaminany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:1–4, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo ireo mpitarika ny Fiangonana tao Far West.

  • Inona no nampianarin’i Jesoa Kristy momba ny anaran’ny Fiangonany?

    Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hamantatra fa i Jesoa Kristy dia nanambara fa ny anaran’ny Fiangonany dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Asao ny mpianatra hanisy marika ny anaran’ny Fiangonan’i Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4.

  • Inona no ampianarin’io anarana io anao mikasika ny Fiangonana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’i Jesoa Kristy hantsoina amin’ny anarany marina ny Fiangonana?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrareo ho valin’ireo fanontaniana teo aloha dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 27:7–8. Azonao atao ny mampifandray ireo andininy ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4.

Ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana

Raha azo atao dia omeo fotoana ny mpianatra handalina ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ny anarana marin’ny Fiangonana” (Liahona, nôv. 2018, 87–90). Ataovy printy izany ho an’ireo mpianatra izay tsy afaka mamaky amin’ny endriny nomerika.

Rehefa mandalina ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fampianarana izay manampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Azon’ireo mpianatra atao ny mandalina samirery ilay lahateny iray manontolo na azonao atao ny manendry vondrona kely mba handalina ampahany amin’izany ary hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy avy eo.

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitan’izy ireo dia mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no nianaranao momba ny antony maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” na koa hoe “Inona no nisongadina indrindra taminao tao amin’ny hafatry ny Filoha Nelson? Nahoana?”

Raha tsy afaka mandalina mivantana ilay lahateny ny mpianatra dia ampiasao ity fanambarana manaraka ity.

Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo ny Filoha Russell M. Nelson:

Filoha Russell M. Nelson

Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana. Rehefa milaza mazava ny anarana tokony hiantsoana ny Fiangonany ny Mpamonjy, ary manomboka mihitsy ny fanambarany amin’ny hoe “Toy izany no hiantsoana ny fiangonako,” dia matotra Izy izay. …

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany eo amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany, toy izay mbola tsy fahitantsika. Hanana ny fahalalana sy ny herin’ Andriamanitra isika mba hanampy antsika hitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny manerana ny firenena ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra mba hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. (Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87, 89)

  • Inona avy ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Filoha Nelson rehefa mampiasa ny anarana marin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika?

“Mitsangàna ary mamirapirata”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6, ka tadiavo hoe hatraiza ny fanirian’ny Tompo hitahy ny olona manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Fiangonany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanasan’ny Tompo dia makà fotoana handalinana teny sy andian-teny manan-danja. Ohatra, azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanao sary na hilalao an-tsehatra ilay andian-teny hoe “mitsangàna ary mamirapirata” (andininy 5). Mety hanampy ny mpianatra ny mahatakatra fa ilay teny hoe faneva izay ampiasaina ao amin’ny andininy 5, dia milaza saina[izay] “ … mampivondrona ny vahoaka noho ny tanjona na ny toetra iraisana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faneva,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no mety hanampian’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo antsika hanaja ilay fanasana natolotrin’ny Tompo ao amin’ny andininy 5–6?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha fahazavana anao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrareo ho valin’ireo fanontaniana teo aloha dia zarao ireto zavatra niainana manaraka ireto izay nofintinin’ny Loholona Neil L. Andersen.

Nizara iray amin’ireo zavatra niainan’ny olona maneran-tany ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

13:36
Loholona Neil L. Andersen

An’arivony maro ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanambara tamin-kerim-po ny anaran’ny Fiangonana. Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia hanaraka ireo hafa. Tiako ity tantara tany Tahiti ity.

Nanapa-kevitra ny hanaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson i Iriura Jean izay ankizy folo taona.

“Niresaka momba ny faran’ny herinandro izy ireo tao am-pianarana … ka dia niresaka momba ny … fiangonana i Iriura.

“Hoy i Vaite Pifao mpampianatra azy: -Ha, hay Môrmôna ianao?-

“Niteny tamim-pahasahiana i Iriura hoe: -Tsia … mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho!-

“Namaly ilay mpampianatra azy hoe: -Eny, … Môrmôna ianao.-

“Nanantitrantitra i Iriura hoe: -Tsia ry mpampianatra, mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho!-

“Talanjona i Madama Pifao tamin’ny faharesen-dahatra nananan’i Iriura ary nanontany tena izy hoe nahoana izy no nikiry nampiasa ilay anarana lava be an’ny fiangonany. [Nanapa-kevitra ny hianatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana izy.]

“[Taty aoriana, rehefa natao batisa Rahavavy] Vaite Pifao, dia [naneho fankasitrahana izy] noho ny nanarahan’i Iriura ny torohevitry ny Filoha Nelson.” (Neil L. Andersen, “Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 118–19)

sary famantarana ny fanofananaMametraha fanontaniana izay mitarika amin’ny fianarana zava-baovao: Mba hanampiana anao hanazatra tena amin’ny fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra hianatra fahamarinana dia jereo ilay fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny raikitra izay manampy ny mpianatra hamantatra avy amin’ny ezaka ataony fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana.

  • Inona no nisongadina taminao tamin’io zavatra niainana io?

  • Inona no nianaranao na tsapanao anio ka manampy anao hahatakatra kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra. Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny didin’ny Tompo mba hampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa.