Seminera
Lesona 130—Fandroahana hiala an’i Missouri: Mitodika amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahoriantsika


“Lesona 130—Fandroahana hiala an’ Missouri: Mitodika amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahoriantsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fandroahana hiala an’i Missouri,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 130: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120

Fandroahana hiala an’i Missouri

Mitodika amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahoriantsika

Noroahina hiala tao Missouri ireo Olomasina

Ny fararano sy ny ririnina tamin’ny taona 1838–39 dia fotoana faran’izay mafy ho an’ny Olomasina tao Missouri. Rehefa nitombo ny tsy fifankahazoana teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo mponina hafa tao Missouri dia nanome baiko ny governora Lilburn W. Boggs ny handroahana ireo Olomasina hiala ny faritany. Nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo dia maro no nitodika tamin’ Andriamanitra ary nandray ny fanampiany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitodika amin’ Andriamanitra rehefa miatrika toe-java-tsarotra izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Aiza ianao no mitodika?

Hevero ny hampiseho ity teny nambara manaraka ity sy hanasa mpianatra iray hamaky izany mafy.

Nampianatra toy izao ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Joseph B. Wirthlin

Ny fomba asetrintsika ny fahoriana dia afaka hitondra fiantraikany lehibe amin’ny fifaliana sy ny fahombiazantsika eo amin’ny fiainana. (Joseph B. Wirthlin, “Come What May, and Love It,” Liahona, nôv. 2008, 26)

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany azonao eritreretina izay maneho ny zavatra ampianarina ao amin’io teny nambara io?

Asao ny mpianatra hieritreritra toe-javatra sarotra natrehiny na niainany taloha. Asao izy ireo avy eo hieritreritra ny fomba asetrin’izy ireo raha ny mahazatra na ny efa fomba nasetrin’izy ireo an’ireo toe-javatra sarotra nolalovan’izy ireo. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara valiny izay tsy mahakasika loatra ny tenan’izy ireo manokana.

Amporisiho ny mpianatra hihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy rehefa mandalina izy ireo. Ny bitsika ara-panahy dia afaka manampy azy ireo hahafantatra izay tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo ao anatin’ny toe-javatra sarotra iainany.

Fotoan-tsarotra tao Missouri

Hazavao fa tamin’ny 1839 dia Olomasina teo amin’ny 8000 ka hatramin’ny 10000 teo ho eo no nipetraka tany avaratr’i Missouri. Teo anelanelan’ny janoary sy martsa dia voatery nandao ny taniny sy ny tranony ny ankamaroan’izy ireo. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra izay nitarika ho amin’ireo toe-javatra ireo ireto famintinana manaraka ireto. Azonao atao ny mampiseho ireo famintinana, na manonta izany ary manendry mpianatra vitsivitsy hizara izany amin’ny iray kilasy.

Ho solon’ny fampiasana ny famintinana dia azonareo jerena ny “1838: The Year the Saints Were Driven Out of Missouri” (5:15) izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

5:14
  1. Dimy taona taorian’ny nandroahana ny Olomasina niala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nanangana vondrom-piarahamonina vaovao tany amin’ny faritra hafa tao amin’ny faritany izy ireo. Maro tamin’ireo mponina tao Missouri no tezitra noho ny fitomboan’ny isan’ny Olomasina ary koa tamin’ny fanambarana nataon’ireo mpitarika ny Fiangonana fa hiaro ny tenany amin’ireo mpihetraketraka ho avy ny Olomasina. Tsy vitan’izany fa nisy vondrona kelina mpikamban’ny Fiangonana nanomboka nandrahona ny fahavalon’ny Fiangonana (jereo ny Olomasina, 1:313–15).

  2. Nitarika fifandonana nony farany ny fifandirana teo amin’ny Olomasina sy ny mponina tao Missouri. Voatery nandositra ireo Olomasina tao amin’ny tanàna kely vitsivitsy rehefa noravan’ny mpihetraketraka ny tranony sy ny fananany. Tamin’ny 25 ôktôbra 1838 dia lehilahy Olomasin’ny Andro Farany telo sy mpikambana milisy iray tao Missouri no maty nandritra ilay nantsoina taty aoriana hoe Battle of Crooked River (Ady tao Crooked River) (jereo ny Olomasina, 323–28, 1:330–34, 335–45).

  3. Ny governoran’i Missouri, Lilburn W. Boggs, dia nahazo tatitra mihoampampana izaitsizy nilaza fa 50 ka hatramin’ny 60 ny mponina ao Missouri no maty nandritra ny ady. Naharay teny fianianana avy tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana teo aloha izay tezitra ka nijoro ho vavolombelona nandainga nanohitra an’i Joseph Smith ihany koa ilay governora. Tamin’ny 27 ôktôbra 1838 dia namoaka didy hentitra ny governora Boggs ka nanambara hoe: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ireo Môrmôna ary tsy maintsy aringana na roahina hiala ao amin’ny faritany” (jereo ny Olomasina, 1:345–46).

  4. Taorian’ny namoahan’ny Governora Boggs ny baikony dia nosamborin’ny mpikambana tao amin’ny milisin’i Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nanafika ny tanànan’i Far West sy ireo toeram-ponenan’ny Olomasin’ny Andro Farany hafa ireo mpihetraketraka (jereo ny Olomasina, 1:347–58, 359–67).

    • Raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana nandritra izany fotoana izany dia ahoana no hamaritanao ireo fahatsapana na fanontaniana mety ho nanananao?

    • Inona no fihetsika mety ho tianao natao?

Nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo dia maro ireo Olomasina no naneho ny finoany tamin’ny fitodihana tamin’ Andriamanitra.

sary famantarana ny taratasy zarainaIty raki-tantara manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahita ohatra mikasika ny fomba nisafidianan’ny mpikamban’ny Fiangonana iray ny hitodika tamin’ Andriamanitra nandritra ny fahoriany. Hevero ny hizara ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny tantaran’i Amanda Smith tao Hawn’s Mill.”

Azonao atao ny mandalina ity tantara ity miaraka amin’ny iray kilasy, miaraka amin’ny mpianatra vitsivitsy mifandimby mamaky amin’ny feo avo ny ampahany samihafa amin’ilay tantara. Afaka mandalina ilay tantara miaraka amin’ny vondrona kely ihany koa ny mpianatra.

Ny tantaran’i Amanda Smith tao Hawn’s Mill

Vehivavy mpisava lalana eny an-tsaha

Tamin’ny 30 ôktôbra 1838 dia nanafika ny toeram-ponenan’ny Olomasin’ny Andro Farany iray antsoina hoe Hawn’s Mill ny andian’olona mpihetraketraka tao Missouri. Notifirin’ireo mpihetraketraka ireo lehilahy sy ankizilahy izay niditra tao amin’ny toeram-pivarotana mpanao kitron-tsoavaly iray mba hitady fialofana sy hiaro ny olony. Olomasin’ny Andro Farany fito ambin’ny folo no maty tamin’ilay fanafihana ary am-polony mahery no naratra.

Anisan’ireo naratra i Alma Smith, enin-taona, izay tsy hita intsony ny valahiny iray manontolo taorian’ny nitifirana azy. Very hevitra i Amanda Barnes Smith renin’i Alma rehefa nahita azy. Nisaona ny vadiny sy ny zanany lahy 10 taona izay samy maty nandritra ilay fanafihana ihany koa izy.

Satria tsy nisy olona afaka nanampy azy dia namory ny zanany sisa tavela i Amanda ary nivavaka mba hahazo fitarihana. “Ry Raiko any An-danitra ô,” hoy izy nivavaka, “Ianao no mahita ny zanako maratra ary mahafantatra ny tsy fahaizako. Ray any An-danitra ô, tariho amin’izay tokony hataoko aho.”

Rehefa nahavita ny vavaka nataony i Amanda, dia nandre feo nanoro hevitra azy hanafangaro lavenona amin’ny rano izy. Nampiasainy izany mba hanasana ny ratra nahazo an’i Alma mandra-pahadiony. Taorian’izany dia notarihin’ny Fanahy haka faka tamin’ny hazo iray i Amanda ary hitoto izany mba hahazoana ranony. Napetrany teo amin’ny ferin’i Alma izany ary nofonosiny hariry.

“Mitsora tahaka izao ianao dia aza mihetsika”, hoy izy tamin’ny zanany lahy, “ary hanaovan’ny Tompo valahana vaovao ianao.”

Nanakana an’i Amanda sy ny fianakaviany tsy hiala taorian’ilay fanafihana ilay ratra nahazo an’i Alma. Rehefa nandeha ny herinandro maro dia nametraka fe-potoana hiaingan’izy sy ireo Olomasina hafa sisa tavela ireo mpihetraketraka. Nitombo ny tahotr’i Amanda rehefa tonga ny fe-potoana farany. Niafina tao anaty amboaran-katsaka izy mba hahafahany nivavaka amin’ny feo avo ka tsy hisy handre. Nandre feo namerimberina ireto teny ireto izy avy eo:

  • INy fanahy izay miankina amin’i Jesoa mba ho fialofany,

  • Tsy hilavo lefona eo anatrehan’ireo fahavalo;

  • Na dia handalo ny helo manontolo aza dia tsy azo hozongozonina,

  • Satria tsy handao anao na oviana na oviana Izy!

Ireo teny avy amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Fototra mafy orina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lp. 56) ireo dia nanampy an’i Amanda hahazo tanjaka sy herim-po vaovao.

Tsy ela taorian’izay dia teo ivelany i Amanda no nandre ny zanany nihiaka mafy tao an-tranony. Nihazakazaka nankany an-trano izy ary nahita an’i Alma nihazakazaka nanodidina ny efitrano. “Salama aho neny a, salama aho!” hoy izy sady nitomany. Niala tao Hawn’s Mill i Amanda sy ny zanany taoriana kelin’izay.

(Notsongaina sy nofintinina avy tamin’ny Olomasina, 1:347–50, 353–55, 378–79)

  • Inona no hitanao fa nisongadina tamin’io raki-tantara io?

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa namaky an’io raki-tantara io ianao?

Rehefa mizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ireo fahamarinana ianarany izay afaka manampy azy ireo ao anatin’ny fitsapana atrehany. Fahamarinana iray izay mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe: Rehefa mitodika amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahoriantsika isika dia afaka misitraka ny fitarihany sy ny fampiononana avy Aminy ary ny heriny.

Hirao na henoy miaraka amin’ny iray kilasy ilay hira hoe “Fototra mafy orina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 56). Ireo teny izay nampahery an’i Amanda Smith dia hita ao amin’ny andininy 7.

Soratra masina manampy antsika hitodika amin’ Andriamanitra

Makà fotoana kely hitadiavana soratra masina izay afaka mampitombo ny fanirianao hitodika amin’ Andriamanitra rehefa miatrika zava-tsarotra ianao. Azonao atao ny mandalina ny sasany na ny rehetra amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto na mikaroka soratra masina hafa.

  • Inona no hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy nohalalininao ireo? Nahoana?

  • Oviana Andriamanitra no nitahy anao na olon-kafa izay fantatrao rehefa nitodika Taminy tao anatin’ny toe-javatra sarotra ianareo?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrao momba ilay fanontaniana teo aloha dia hevero ny hizara ohatra iray avy amin’ny fiainanao manokana.

Eritrereto ny fiainanao manokana

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany dia asao izy ireo hamaly farafahakeliny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany izay mety hampatanjaka anao rehefa miatrika toe-javatra sarotra ianao amin’ny manaraka?

  • Inona no tsapanao fa tokony hataonao teo am-pandalinanao androany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny zavatra nosoratany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay noresahinareo anio ary amporisiho ny mpianatra hanapa-kevitra ny hanaraka ny fitaomam-panahy izay mety ho noraisin’izy ireo.