Seminera
Lesona 129—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120: Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena


“Lesona 129—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120: Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 129: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena

tovolahy manomana taratasy fandoavana fahafolonkarena

Nandritra ny lohataonan’ny taona 1838 dia nisedra fahasahirana ara-bola goavana ireo Olomasina teo am-piezahan’izy ireo hanefa trosa sy hanangana ny Fiangonana tao Missouri avaratra. Nikatsaka ny torohevitry ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith ka nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119. Ao amin’ny torohevitra nomeny ireo Olomasina dia manambara fahamarinana mifandray amin’ny lalàny momba ny fahafolonkarena ny Mpamonjy. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hiaina ny lalàn’ny Mpamonjy momba ny fahafolonkarena ity lesona ity.

ISahanasa fianarana azo atao

Fanasana iray

Asao ny mpianatra handinika ity rafi-tantara manaraka ity na rafi-tantara mitovitovy amin’izany izay mifanaraka indrindra amin’ny zavatra ilain’ny kilasinao.

Alaivo sary an-tsaina hoe mampianatra ny iray amin’ireo namanao ireo misiônera ao amin’ny faritra misy anao ary asaina ianao handray anjara. Tao anatin’ny lesona tamin’io andro io dia nampahafantatra ny namanao ny lalàn’ny fahafolonkarena ny misiônera. Aorian’ny lesona dia milaza aminao ny namanao fa manana ahiahy momba ny fandoavana fahafolonkarena izy.

  • Inona avy ireo ohatrana ahiahy izay mety ananan’ny olona iray manoloana ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena?

Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ilay fanontaniana teo aloha. Asao ny mpianatra avy eo hieritreritra ny fahatsapany manokana momba ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarenana, ao anatin’izany ny maha-zava-dehibe ny fiainana io lalàna io amin’izao fotoana izao. Angataho izy ireo hieritreritra izay fanontaniana na olana mety ananany momba ny lalàn’ny fahafolonkarena.

Amporisiho ny mpianatra rehefa mandalina mba hitady ireo fampianarana izay afaka manampy azy ireo hahatsapa faniriana lehibe kokoa hankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena.

Nanambara ny lalàn’ny fahafolonkarena tamin’ny Olomasina ny Mpamonjy

Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia azo vakina na fintinina mba hanomezana sahan-kevitra ara-tantara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119. Azonao atao ihany koa ny mangataka mpianatra iray hamaky ny teny fampidirina ao amin’ny fizarana 119.

Tamin’ny volana jolay 1838 dia tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola goavana ny Fiangonana. Na izany aza dia nomena toromarika ireo mpikamban’ny Fiangonana hifindra any amin’ny faritra avaratr’i Missouri ary hanorina tempoly tao Far West (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:8–12). Nihaona tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith mba handinika ny fomba hankatoavana ny didin’ny Tompo. Ho valin’ny fitalahoan’izy ireo ombam-bavaka dia nanome torohevitra momba ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Mpamonjy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy.

  • Inona no nampianarin’ny Tompo ny Olomasina momba ny zavatra andrasany amin’izy ireo amin’ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena?

    Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny fandoavana fahafolonkarena dia nohazavaina amin’izao androntsika izao: “Ny fahafolonkarena dia fanomezana ny ampahafolon’ny vola miditra amin’ny olona iray ho an’ny Fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4; izay rehetra miditra dia midika hoe fidiram-bola). Ny mpikambana rehetra izay manana fidiram-bola dia tokony handoa fahafolonkarena” (Boky Torolanana maneran-tany, 34.3.1).

    Rehefa avy nanome io fanazavana io ianao dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Mandidy antsika ny Mpamonjy handoa ny ampahafolon’ny vola miditra amintsika ho fahafolonkarena ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Inona araka ny eritreritrao no antony sasany angatahan’ny Tompo antsika amin’ny fandoavana fahafolonkarena?

Mampitombo fahatakarana

Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fanontaniana na ireo ahiahy mikasika ny fahafolonkarena nifanakalozanareo hevitra tany amin’ny fanombohan’ny lesona.

sary famantarana ny taratasy zaraina Omeo fotoana ny mpianatra handalina ireo loharanom-pitaovana ao amin’ilay taratasy zaraina hoe “Fampianarana mikasika ny lalàn’ny Mpamonjy momba ny Fahafolonkarena.” Azon’ny mpianatra atao ny mandalina samirery ireo loharanom-pitaovana ireo na miaraka amina mpiara-mianatra iray. Asao izy ireo hitady fampianarana afaka manampy olona iray izay manana ahiahy momba ny fandoavana fahafolonkarena.

Ho solon’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny taratasy zaraina ireo, dia afaka mitady ny azy manokana ny mpianatra. Afaka mampiasa ireo fanampiana amin’ny fandalinana na ny Médiathèque de l’Évangile izy ireo mba hitadiavana soratra masina na teny nambara avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fahafolonkarena.

Fampianarana mikasika ny lalàn’ny Mpamonjy momba ny fahafolonkarena

Halalino ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra mety hanosika anao na ny hafa hankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena.

Soratra masina:

Fanambarana sy loharanom-pahalalana hafa:

Ny Filoha Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany dia nampianatra hoe:

Filoha Steven J. Lund

Rehefa mandoa fahafolonkarena feno ny zatovo dia manorina rohim-pihavanana amin’ny Ray any An-danitra izay mitoetra izy ireo. Isaky ny mankatò izany didy izany izy ireo ary mandoa izany, dia misy rohim-pahafoizan-tena sy fifandraisana vaovao miforona. (Steven J. Lund, “Seminera sy Institiota ary ireo zavatra hafa izay mahomby” [lahateny natao nandritra ny fampitana ny fiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera & Institiota, 27 jan. 2023], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia manoro hevitra hoe:

Asehoy ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. …

… Rehefa mifady hanina sy mandoa fahafolonkarena sy fanatitra ianao dia maneho amin’ Andriamanitra fa manan-danja kokoa aminao mihoatra ny zavatra eo amin’ny lafiny ara-batana ny asany. (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 11–12)

Nanontany ny Loholona Stanley G. Ellis raha mbola tao amin’ny Fitopololahy hoe:

Loholona Stanley G. Ellis

Manana finoana mba hatoky ny fampanantenan’[ny Tompo] momba ny fahafolonkarena ve isika fa metimety kokoa ny fiainantsika miaraka amin’ny 90 isan-jaton’ny vola miditra amintsika miampy ny fanampian’ny Tompo toy izay ny 100 isan-jaton’ny vola miditra amintsika isan-taona ary miady irery isika? (Stanley G. Ellis, “Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra,” Liahona, nôv. 2017, 114)

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona David A. Bednar

Matetika isika rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona mikasika ny lalàn’ny fahafolonkarena dia manamafy ilay fitahiana ara-nofo mivantana sy misongadina ary mora hita izay azontsika. Ary azo antoka fa tena mitranga izany fitahiana izany. Saingy ny sasany amin’ireo fitahiana samihafa azontsika rehefa mankatò izany didy izany isika dia lehibe saingy misoko mangina. …

Ohatra, ny fitahiana iray lehibe saingy misoko mangina azontsika dia ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaizana mankasitraka izay manome fahafahana ny fankasitrahantsika izay ananantsika hamolavola izay zavatra iriantsika. …

Mety mangataka amin’ Andriamanitra mba hanome antsika fahombiazana isika indraindray, kanefa tanjaka ara-batana sy ara-tsaina no omeny. Mety hangataka fanambinana isika, ary hahazo fomba fijery mivelatra sy faharetana bebe kokoa. (David A. Bednar, “Ny varavaran’ny lanitra,” Liahona, nôv. 2013, 17–18)

I Mary Fielding Smith dia vady navelan’i Hyrum Smith ary renin’ny Filoha Joseph F. Smith. Rehefa nisy olona nilaza fa mahantra loatra izy ka tsy afaka mitandrina ny lalàn’ny fahafolonkarena dia namaly izy hoe:

Handà fitahiana ho ahy ve ianao? … Mandoa ny fahafolonkarenako aho, tsy hoe satria lalàn’ Andriamanitra ihany izany, fa satria manantena fitahiana amin’ny fanaovana izany aho. (Mary Fielding Smith, teny nindramin’ i Joseph F. Smith, tao amin’ ny Conference Report, Apr. 1900, 48)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany fa mety hanampy ny olona iray manana fanontaniana na olana momba ny fahafolonkarena. Mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny lalàn’ny fahafolonkarena ianao?

  • Inona no torohevitra homenao ny olona iray izay manana ahiahy momba ny fandoavana fahafolonkarena?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny nitahian’ny Tompo anao na ny hafa noho ny fankatoavana ny lalàny momba ny fahafolonkarena?

Rehefa mifanolo hevitra momba ny fanontaniana farany etsy ambony ianao dia mizarà ohatra iray avy amin’ny fiainanao. Azonao atao koa ny mampiasa ny iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto: “Tithing: I Will Make a Leap of Faith” (4:47) na “Ny fitenin’ny filazantsara” (12:27) manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:27 ka hatramin’ny 7:40. Ireo horonan-tsary ireo dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:3
12:27

Eritrereto ny fiainanao manokana

Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hamaly ny iray na ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany.

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany ka tianao hotadidiana?

  • Inona no tsapanao avy amin’ny Fanahy fa tokony hataonao rehefa teo am-pandalinana androany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara ny heviny. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinao ary amporisiho ireo mpianatra hiezaka ny hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena mandritra ny androm-piainany.