“Lesona 119: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20: -Ny fisoronana masina,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 119: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20
“Ny fisoronana masina”
Tamin’ny lohataona 1835 dia niomana handeha hanao ny asa fitoriana voalohany nataony ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay vao natsangana. Nanome antsipirian-javatra hanampiana azy ireo sy ny hafa hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo tao amin’ny fisoronana io fanambarana avy amin’ny Tompo io. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanovozana amin’ny herin’ny Mpamonjy sy ny fahefan’ny fisoronany rehefa manompo ao amin’ny Fiangonany izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Rantsana na tovana
-
Inona no mitranga amin’ny rantsana iray raha tsy ampifandraisina amin’ilay hazo izany? Nahoana?
Vakio ny Jaona 15:5, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ka mifandray amin’ity lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana ity.
-
Inona no nianaranao?
-
Nahoana no ilaina amin’ny ezaka ataontsika hanompoana ao amin’ny Fiangonany ny fifandraisana foana amin’ny Mpamonjy?
Tovana amin’ny fisoronana
Tamin’ny 28 martsa 1835 dia niomana handeha hanao asa fitoriana tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao niforona. Ny Apôstôly sasany dia mbola tsy tena nahazo antoka ny amin’ny fomba tokony hanompoan’izy ireo tamin’ny antson’izy ireo vaovao. Nanambara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 ny Tompo mba hampianarana azy ireo momba ny fisoronana sy hamporisihana azy ireo amin’ny andraikitr’izy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fisoronana.
-
Inona no zavatra nianaranao momba ny Fisoronana Melkizedeka?
Ampitahao amin’ny zavatra nampianarin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny anaran’ny fisoronana hita ao amin’ny andininy 3:
I Kristy no loharanon’ny tena fahefana sy herin’ny fisoronana marina eto an-tany. Asany ity, izay hananantsika tombontsoa ny fahafahana hanampy amin’izany. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fifaliana avy amin’ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2012, 59)
-
Nahoana ianao no mahatsapa fa manan-danja ny fahatakarana fa ny herin’ny fisoronana rehetra dia tonga mivantana avy amin’i Jesoa Kristy?
Iaraho mamaky amin’ny mpiara-mianatra iray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:5, 13–14, ka tadiavo izay teny eny amin’ny solaitrabe azonao ampitahaina amin’ilay vatan-kazo ary izay azo ampitahaina amin’ireo rantsana.
-
Inona no azo ampitahaina amin’ilay vatan-kazo, araka ny zavatra novakinao? Inona ireo rantsana?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampitahan’ny Tompo ny Fisoronana Aharôna sy ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana amin’ireo “tovana” ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara izao manaraka izao mikasika ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana:
Amin’ny farany, dia i Jesoa Kristy Tompo no mihazona ny fanalahidy rehetra an’ny fisoronana, fisoronana izay Azy. Izy no mamaritra hoe fanalahidy inona no zaraina amin’ny olombelona ary ahoana no fomba ampiasana azy. …
… Koa satria milaza ny soratra masina fa “ireo fahefana hafa rehetra [sy] anjara fanompoana ao amin’ny fiangonana dia tovan’io fisoronana [Melkizedeka] io” (F&F 107:5), dia atao amin’ny fahefan’ny fisoronana ny zavatra rehetra izay atao eo ambanin’ny fitarihan’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo. (Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014, 50)
-
Manampy anao amin’ny fomba ahoana mba hanompo amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny olona manodidina anao ny fahatakarana fa ny antso rehetra ao amin’ny Fiangonana dia mifandray amin’ny herin’ny Mpamonjy?
-
Oviana no nahatsapanao ny herin’ny Mpamonjy nanampy anao tamin’ny asa fanompoanao tao am-piangonana?
Miaina ny herin’ny fisoronana
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, 18–20, ka tadiavo ireo fomba anomezan’ny Mpamonjy hery an’ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fisoronany.
-
Inona avy ireo “zavatra ara-panahy” (andininy 8) izay itahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka?
-
Amin’ny fomba ahoana no anampian’ireo “ôrdônansy ivelany” ao amin’ny Fisoronana Aharôna (toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo) izay resahina ao amin’ny andininy 20 anao hifandray amin’i Jesoa Kristy?
-
Oviana no fitahiana teo amin’ny fiainanao ny fifandraisan’ny olona iray hafa amin’ny Mpamonjy rehefa nanompo izy ireo?
Fampiharana ataon’ny tena manokana
Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha dia nampianatra ny fomba hanomezan’ny fahefan’ny fisoronana hery ireo zatovovavy amin’ny antson’izy ireo. Tadiavo ny fomba azo ampiharana io teny nambara io amin’ireo zatovo rehetra rehefa manompo izy ireo.
Mila mahita ny tenany ho toy ny mpandray anjara manan-danja ao amin’ny asa famonjena tarihin’ny fisoronana ny zatovovavin’ny Fiangonana fa tsy ho toy ny mpitazana sy mpijery fotsiny ihany. Manana antso ianareo ary atokan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mba ho mpitarika manana hery sy fahefana ato amin’ity asa ity. Rehefa milofo amin’ny antsonareo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy sy miomana ara-panahy ianareo, rehefa miara-mikaon-doha, manolo-tanana mba hanompo ireo olona ao amin’ny kilasinareo, ary mifampianatra ny filazantsara, dia mandray ny toeranareo ato amin’ity asa ity, ary samy hotahiana ianareo sy ireo namanareo. (Bonnie L. Oscarson, “Mitsangàna amin-kery ry rahavavy ao Ziona,” Liahona, nôv. 2016, 14)
-
Inona no manan-danja aminao ao amin’io teny nambara io? Nahoana?
-
Inona no nianaranao androany momba ny maha-zava-dehibe ny fanovozana amin’ny herin’ny Mpamonjy sy ny fahefan’ny fisoronany rehefa manompo ao amin’ny Fiangonana ianao?