“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108
Topimaso ankapobeny
Tahaka ny nataony tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, dia niantso mpaminany sy apôstôly ary olon-kafa i Jesoa Kristy mba hitarika ny Fiangonany ankehitriny sy hijoro ho vavolombelona momba Azy manerana an’izao tontolo izao. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107, dia manazava ny anjara asan’ireo mpitarika voafidy ireo i Jesoa ary manome antsipiriany mba hanampiana azy ireo sy ny hafa hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo ao amin’ny fisoronana.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanovozana ny herin’ny Mpamonjy sy ny fahefan’ny fisoronany rehefa manompo ao amin’ny Fiangonany izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fotoana nahatsapany ny herin’ny Mpamonjy nanampy azy ireo hanompo ao amin’ny Fiangonany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny antso ao amin’ny kôlejy sy ny kilasin’izy ireo na ireo andraikitra amin’ny fanompoana.
-
Horonan-tsary: “The Tender Mercies of the Lord” (17:15; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 6:55 hatramin’ny 8:53)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–100
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fitokisana bebe kokoa fa ireo Apôstôly dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra fa ireo mpaminany sy apôstôly dia nantsoina ho vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23). Asao izy ireo hiomana ho amin’ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny famakiana lahateny iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana izay nataona mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Omeo torolalana izy ireo hitady ny zavatra ampianariny momba an’i Jesoa Kristy.
-
Fitaovana: Kaopy enina izay azo atao mifampitaingina mba ho lasa piramida iray
-
Votoatiny haseho: Taratasy kely napetraka manodidina ny efitrano misy ireo antso hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 sy ireo andininy milaza ireo antso ireo
-
Horonan-tsary: “Neil L. Andersen: Vavolombelona manokan’i Kristy” (5:24; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:15 hatramin’ny 5:24)
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Lahatenin’ny fihaonambe vao haingana natonta na fanambarana vao haingana hafa avy amin’ny Apôstôly ho an’ny mpianatra izay tsy afaka mamaky izany amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika
Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanazava avy amin’ny fitadidiany amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviany ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Raha misy fitsipika sarotra tadidiana dia asao ny mpianatra hampiasa dia hanao famerenana ny ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) alohan’ny fotoam-pianarana.
-
Fitaovana: Taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay; fitoeran-javatra iray izay hametrahan’ny mpampianatra ireo taratasy
-
Sary haseho: Sarina zatovovavy iray