Tahaka ny nataony tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, dia niantso mpaminany sy apôstôly ary olon-kafa i Jesoa Kristy mba hitarika ny Fiangonany ankehitriny sy hijoro ho vavolombelona momba Azy manerana an’izao tontolo izao. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia nanazava ny anjara asan’ireo mpitarika voafidy ireo i Jesoa. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fitokisana bebe kokoa fa ireo Apôstôly dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Vakio ireto andininy manaraka ireto. Tadiavo ireo antso nampiasain’ny Mpamonjy mba hitantanana ny Fiangonany sy hanohanana ny Olomasina tamin’ny androny.
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra fa i Jesoa Kristy sy ny mpaminany ary ny apôstôly no fototra iorenan’ny Fiangonana? (jereo ny Efesiana 2:20).
Teo ambany fitarihan’ny Rainy no nanorina ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao, teo ambonin’ilay fototra nanonerany ihany nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (jereo ny Fanekem-pinoana 1:6). Nanomboka nanambara ny firafitry ny Fiangonany tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo ary mbola manambara izany Izy ankehitriny. Tamin’ny taona 1835 dia niantso Fiadidiana Voalohany, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, Fitopololahy, eveka ary mpiandraikitra hafa ao amin’ny fisoronana ny Mpamonjy mba hanompo ny Olomasina sy hitantana ny Fiangonany eto an-tany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia mamaritra ny andraikitra sasany nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo izay nantsoina amin’ireo toerana ireo.
Ny andraikitry ny mpitarika nofidin’ny Tompo
Halalino ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny fomba nampiasan’i Jesoa Kristy ireo izay apetrany eo amin’ireo antso ireo mba hanohanana ny Olomasina ao amin’ny Fiangonany:
Amin’ny fomba ahoana no hizaran’ireo Apôstôly fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy manerana an’izao tontolo izao amin’izao androntsika izao?
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny hoe midika inona ho an’ny Apôstôly izany hoe “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy” izany (andininy 23).
Mitovy tamin’ny taloha ny anjara asan’ny Apôstôly ankehitriny (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:22; 4:33). Ny iraka nampanaovina anay dia ny handeha amin’izao tontolo izao ka hitory momba an’i “Jesoa Kristy, ary Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana” (jereo ny Marka 16:15; 1 Korintiana 2:2). Ny Apôstôly dia misiônera sy vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy. Ny “anaran’i Kristy” dia milaza ny fitambaran’ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty—ny fahefany sy ny fotopampianarany ary ireo toetrany miavaka amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy mba ho Mpanavotra sy Mpamonjy antsika. Amin’ny maha-vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy anay dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisian’i Jesoa Kristy sy ny maha-Andriamanitra Azy ary ny fitsanganany tamin’ny maty, ny Sorompanavotany tsy manam-petra sy mandrakizay ary ny filazantsarany, izahay. (David A. Bednar, “Special Witnesses of the Name of Christ,” Religious Educator: Perspectives on the Restored Gospel, boky 12, lah. 2 [2011], 1)
Araka ny hevitrao, nahoana i Jesoa Kristy no nanome Apôstôly velona ho vavolombelony manokana ankoatra ireo vavolombelony ao amin’ny soratra masina?
Mitadiava ohatra ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonambe farany na ireo teny nambara hafa vao haingana momba ny Apôstôly mijoro ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa manao izany ianao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona manokan’ireo Apôstôly ireo eo amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy?
Inona no zavatra nozarain’ny Apôstôly iray momba an’i Jesoa Kristy izay inoanao ihany koa fa marina? Ahoana no nianaranao ho an’ny tenanao manokana izany fahamarinana izany?
Inona avy ireo zavatra azontsika atao mandritra ny androm-piainantsika mba hanohizana ny fianarana avy amin’ireo fijoroana ho vavolombelona manokan’ireo Apôstôly momba an’i Jesoa Kristy?