“Lesona 121—Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 8: Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 8,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 121: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108
Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 8
Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina hahazoana fahalalana ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana fifehezana fotopampianarana: Ampiharo
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Teo am-piomanana ny hampianatra ny kilasin’ny Zatovovavy ny alahady i Andrea no nanomboka nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107. Rehefa avy namaky ny andininy 8 izy, dia niato ary nanomboka nanontany tena ny amin’ny fomba hampiharana ny fisoronana amin’ny zatovovavy. Nanjary niahiahy izy ary nanontany tena raha matoky ny zanany lahy mihoatra noho ny zanany vavy Andriamanitra. Tsaroany ihany koa ny nahitany vao haingana horonan-tsary iray an-jotra izay mirakitra hevitra momba ny fitondrana ny vehivavy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nisy olona iray nanakiana ny Fiangonana tamin’ny filazana fa voasakana ny vehivavy noho ny tsy fihazonana anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana.
Manao asa amim-pinoana
Ahoana no ahafahan’ny fanontaniana sy ny ahiahin’i Andrea ho fahafahana ho azy hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny fanoloran-tenany ho an’ny Fiangonany?
Inona no mety hakan’i Satana fanahy azy hataony manoloana ireo fanontaniana sy olana izay mety hitarika azy hanalavitra an’i Jesoa?
Ahoana no hanoloranao hevitra azy ny amin’ny fomba hamaliany ny fanontaniany sy ny ahiahiny amim-pinoana?
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny fahamarinana iray avy amin’ny andiam-pehezan-teny 8 izay heverinao fa afaka manampy an’i Andrea sy ny anton’izany.
Mandehandehana manodidina ny efitrano ary miezaha hitady mpianatra iray hafa izay nisafidy ny fahamarinana mitovy amin’ilay anao. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’izany manampy an’i Andrea.
Ampio fahatakarana manan-danja izay nozarain’ilay mpianatra hafa taminao ao amin’ny pejin’ny diarinao.
Eritrereto hoe tsy afaka mahita valiny mazava mikasika ny antony tsy ananan’ny vehivavy anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana i Andrea. Inona no fantatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny zavatra tsapany momba ireo zanany vavy izay tianao hotsaroany?
Inona avy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (na ireo boky soratra masina hafa) izay afaka manampy amin’ny fampahatsiahivana an’i Andrea ny drafitr’ Andriamanitra sy ny zavatra tsapany momba azy?
Manan-danja ny loharanom-pahalalana ampiasain’i Andrea hitadiavana fampahalalana satria…
Ho toroiko hevitra i Andrea mba hitady valiny ao amin’ny… fa tsy hitady valiny any amin’ny …
Famaranana
Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao amin’ireo fanontanianao na olanao?
Ahoana no ahafahan’ny fisafidianana ny hanaraka ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy hisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa misy fanontaniana na olana miseho?