“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110
Topimaso ankapobeny
Taorian’ny asa sy fahafohizan-tena efa ho nandritra ny telo taona dia vonona ny Tempolin’i Kirtland. Nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny vavaka fanokanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109). Taorian’ny fanokanana izany dia nanatanteraka ny fampanantenany ny Mpamonjy mba “haneho [ny tenany] amin’ny olo[ny]” ao amin’ny tranony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7). Nisy iraka avy any an-danitra telo koa niseho ary namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana izay tena ilaina.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa ny handeha any amin’ny tempoly sy handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany momba ny tempoly. Mety ho te hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:10–13 izy ireo ary hitady ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly izay manan-danja ho azy ireo.
-
Sary haseho: Tempoly isan-karazany sy ny Tempolin’i Kirtland
-
Fampahalalana homanina: Azonao atao ny mitady fampahalalana vitsivitsy momba ny tempoly, toy ny isan’ny tempoly miasa, ny isan’ny nambara tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany, ny tempoly akaiky indrindra amin’ny toerana misy ny kilasinao, sy ny sisa. Ho an’ny antontan’isa momba ny tempoly dia azonao atao ny mitsidika ny ChurchofJesusChristTemples.org/statistics/
-
Horonan-tsary: “The Blessings of the Temple” (3:37) na “Strength beyond My Own” (3:47)
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Boky fihirana na tahadikan’ilay hira hoe “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanomanan’ny fahamendrehantsika antsika hanatona akaiky kokoa ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny dikan’ny hoe mendrika ny hiditra ny tempoly ary nahoana no mendrika ny hanaovana ezaka izany. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviany na mpitarika ao amin’ny Fiangonana hizara ny heviny. Asao ireo mpianatra ho vonona hizara ny hevi-baovao azony sy ny fanontaniany rehefa tonga ao an-dakilasy.
-
Sary haseho: Sarin’ny Mpamonjy
-
Horonan-tsary: “Jesus Christ Appears in the Ancient Americas” (16:43; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 11:52 hatramin’ny 14:05)
-
Votoatiny haseho: Sarin’ny tempoly miaraka amin’ny lalana mankany amin’izany
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadika natonta an’ireo fanontaniana mikasika ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly na fomba hafa hamakiana izany
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mitahy ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireto lohahevitra manaraka ireto ary hisaintsaina ny nahatonga izany ho fitahiana teo amin’ny fiainany: ny asa fitoriana, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
-
Sary haseho: Ny fisehoan’ny Mpamonjy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland
-
Taratasy zaraina: “Naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny fanalahidin’ny fisoronana (Tapany 1 sy Tapany 2)”