Seminera
Lesona 123—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1: Haneho ny Tenany amin’ireo Olomasiny any amin’ny tempoly ny Mpamonjy


“Lesona 123—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1: Haneho ny Tenany amin’ireo Olomasiny any amin’ny tempoly ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 123: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 1

Haneho ny Tenany amin’ireo Olomasiny any amin’ny tempoly ny Mpamonjy

Niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Kristy

Tamin’ny 3 aprily 1836, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Jesoa Kristy Tompo, ka nanatanteraka ny fampanantenany hoe “haneho [ny Tenany] amin’ny olo[ny] … ao amin’ity trano ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7). Azo ampiharina amintsika ankehitriny io fampanantenana io. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanomanan’ny fahamendrehantsika antsika hanakaiky kokoa ny Tompo ao amin’ny tempoliny ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Raha afaka miaraka amin’ny Mpamonjy ianao

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nanana fahafahana hahita mivantana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izy ireo.

Azonao atao ihany koa, ho solon’izany, ny mampiseho sarin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny vahoakan’ny Amerika fahiny na mampiseho ilay horonan-tsary hoe “esus Christ Appears in the Ancient Americas” manomboka amin’ny kaodim-potoana 11:52 ka hatramin’ny 14:05. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe teo izy ireo. Aorian’ilay horonan-tsary dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

16:44
  • Inona avy ireo fitahiana mety ho azonao avy amin’ny fiarahana amin’ny Mpamonjy?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainanao?

Eo am-pandalinanao anio dia mitadiava fomba ahafahanao manakaiky kokoa ny Tompo eo amin’ny ara-panahy sy mianoka ireo fitahiana izay tiany homena anao.

Niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Mpamonjy

Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny fisehoan’ny Mpamonjy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, dia ampahatsiahivo azy ireo ny mikasika ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ireo Olomasina raha toa ka manorina tempoly izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16). Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamerina mijery ny fitahiana sasany izay nangatahan’i Joseph Smith tamin’ny fanokanana ny tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12).

Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia azo vakina mafy na fintinina mba hanomezana sahan-kevitra ara-tantara ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana ireo zava-nitranga ireo sy ny mety ho fahatsapany raha teo izy ireo.

Ny tolakandron’ny alahadin’ny Paska, 3 aprily 1836, dia nisy fivoriana fanasan’ny Tompo natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay vao notokanana. Taorian’ny nanomezana ny fanasan’ny Tompo ho an’ny mpanatrika dia nandeha tao ambadiky ny lambam-baravarana izay nandrakotra ny alitara mba hivavaka mangina i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Tany no nahitan’izy ireo ny andiana fitsidihana masina voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. (Jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 239–40.)

Fanamarihana: Ny lesona manaraka (“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, Tapany 2”) dia mirakitra ireo fitsidihana avy any an-danitra izay nanaraka ny fisehoan’ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4 ianao, dia saintsaino ny zavatra mety ho noeritreretinao na tsapanao raha toa ka niaraka tamin’i Joseph sy i Oliver ianao nandritra io fahitana io.

Mampanantena ny haneho ny Tenany amintsika any amin’ny tempoly ny Mpamonjy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:5–10, ka tadiavo ny antony nilazan’ny Mpamonjy fa tokony hifaly ny Olomasina rehetra.

sary famantarana ny fanofanana Mifantoha amin’ireo fitsipika mitondra fiovam-po: Mety hanampy ny mpianatra hamantatra fitsipika iray ho amin’ny fiovampo ity fampiharana ity. Raha mila fanazaran-tena misimisy kokoa amin’ny fifantohana amin’ireo fitsipika mitondra ho amin’ny fiovampo, dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny Fotopampianarana. Hevero ny hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “Mametraha fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovam-po.”

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay manan-danja aminao na mahaliana anao?

  • Ahoana no mety hanampian’ny andininy 5 sy 8 antsika hiomana hanakaiky kokoa ny Tompo ao amin’ny tempoly?

    Anisan’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra avy amin’ireo andininy ireo, dia ampio izy ireo hahatakatra fa raha mitandrina ny didy isika ary miezaka ny ho madio eo anatrehan’ny Tompo dia haneho ny Tenany amintsika ao amin’ny tempoliny Izy.

  • Ankoatra ny fisehoana ara-batana, inona avy ireo fomba hafa mety hanehoan’ny Mpamonjy ny Tenany amintsika any amin’ny tempoly? (Ny ohatra sasany dia hita ao amin’ny andininy 8–9.)

Ny fomba hafa mety hanehoan’ny Mpamonjy ny Tenany amintsika dia mety hahitana ny firesahana amintsika amin’ny feony (andininy 8) sy ny fanomezana antsika fitahiana sy fanafiana masina, na fanomezana hery ara-panahy avy any ambony (andininy 9). Any amin’ny tempoly, dia afaka mahazo ny fitahiana sasany mitovy amin’izay mety noeritreretin’ireo mpianatra tany am-piandohan’ny lesona isika. Ireo fitahiana ireo dia mety hahitana ny fahafantarana kokoa ny Mpamonjy sy ny fahazoana fitarihana sy fiadanana ary fanasitranana.

Ny fitandremana ny didin’ny Tompo sy ny fahadiovana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny momba ny fitandremana ny didy sy ny fiezahana ho madio dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ka hitady ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika mialoha ny ahafahantsika miditra ao an-tranony (jereo ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([2022], 36–37). Mety efa nanao zavatra mitovy amin’izany ny mpianatra rehefa nandalina ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97.”

Azonao atao ny manao sary na manasa mpianatra iray hanao an’ity kisary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Afaka mandika ilay sary ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mitanisa ny zavatra nianarany avy amin’ny famerenana ireo fanontaniana mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly amin’ilay lalana.

lalana mankany amin’ny tempoly
  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo isika hiezaka hitandrina ny didy mba hanakaiky Azy kokoa ao amin’ny tempoly?

  • Midika ho inona aminao ny hoe madio na mendrika eo anatrehan’ny Tompo?

Ny Rahalahy Bradley R. Wilcox ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia nampianatra toy izao:

Rahalahy Bradley R. Wilcox

Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe, ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy misy pentina. Ny fahamendrehana dia fahamarinan-toetra sy fiezahana. Mila marin-toetra amin’ Andriamanitra isika, amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary amin’ireo olona hafa izay tia antsika, ary mila miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ka tsy hilavo lefona mihitsy raha toa ka solafaka. …

… Tsarovy fa azo atao tsara ny miova, ny fibebahana dia dingana arahina, ary ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema. Fa ny zava-dehibe indrindra dia izao, tsarovy fa Andriamanitra sy i Kristy dia vonona hanampy antsika izao dieny izao. …

… Hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf: “Andriamanitra dia tsy mitady olona tsy manana fahalemena. Fa mitady ireo izay vonona hanolotra -fo sy saina marisika- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34], ary izy ireo dia hataony -tanteraka ao amin’i Kristy- [Môrônia 10:32–33].” (Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 62, 67)

  • Ahoana no ahafahan’io hafatra io manampy ny olona iray izay manontany tena raha toa ka mendrika ny ho any amin’ny tempoly sy ho eo anatrehan’ny Mpamonjy izy ireo?

Asehoy ny fahatakaranao

Mba hanampiana ny mpianatra haneho ny fahatakaran’izy ireo dia azonao atao ny manome rafi-tantara tahaka izao manaraka izao:

Alaovy sary an-tsaina ny namana iray manontany tena raha toa ka ilaina ny fiezahana ny ho mendrika ny hitsaoka ao amin’ny tempoly. Manontany tena ny namana iray hafa raha toa ka afaka ny ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly izy. Mifidiana iray amin’ireo toe-javatra ireo, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao androany, ahoana no hamalianao ny ahiahin’io namanao io?

  • Inona no antenainao ho takatry ny namanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny tempoly?

Asao ireo mpianatra hizara ny eritreriny. Hevero ny hizara ny fahatsapanao momba ny fampanantenan’ny Mpamonjy haneho ny Tenany amintsika ao amin’ny tempoliny rehefa miezaka hitandrina ny didy sy ho madio isika.