Rehefa niatrika fanenjehana mafy ireo Olomasina tao amin’ny tanin’i Ziona (Fivondronan’i Jackson, Missouri) dia naniry ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho azy ireo. Nampianatra azy ireo momba ireo fitahiana avy amin’ny fananana fadiovam-po ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra ho lasa madio am-po.
Sahanasa fianarana azo atao
Rano madio
Inona no soa azo avy amin’ny fananana rano madio sy mangarahara?
Rehefa maloto ny rano dia inona avy ireo fomba vitsivitsy hanadiovana azy?
Ahoana no mety hampitahana ny rano madio amin’ny fo madio?
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 ny Tompo dia naneho ny faniriany mba hananan’ny olony fo madio. Rehefa mandalina ianao anio dia eritrereto ny toetry ny fonao. Mikatsaha fitaomam-panahy mba hahatakarana ireo fitahiana avy amin’ny famelana ny Tompo hanadio ny fonao.
Ny madio am-po no Ziona
Nisy vondrona loholona tao “Ziona,” anarana izay nampiasaina tamin’izany fotoana izany rehefa niresaka momba ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, naniry ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho azy ireo, ka nanoratra taratasy ho an’i Joseph Smith izy ireo mba hikatsahana valiny. Ho valin’izany dia nofaritan’ny Tompo ireo drafitra lehibe ho an’ny sekoly, ny Fiangonana, eny fa na dia ny tempoly ao amin’ny tanin’i Ziona aza. Mba hamporisihana ny Olomasina ho madio sy hanaiky Azy dia nampitahain’ny Tompo tamin’ny hazo roa izy ireo: ny iray izay hokapaina ary ny iray hafa izay hahavanim-boa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–10). Tahaka ny niantsoan’ny Tompo ny vahoakan’i Enoka hoe Ziona (jereo ny Mosesy 7:18), dia te hiantso ny Olomasiny amin’ny andro farany hoe Ziona koa ny Tompo. Tiany ho tonga tahaka Azy izy ireo, fa tsy hipetraka amin’ny toerana antsoina hoe Ziona fotsiny.
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe madio am-po?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny zavatra azontsika atao mba hadio:
Tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana ao anatin’ny fivoarantsika mandrakizay izao. Saingy manantena Izy fa ho lasa hihamadio isika. Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery. (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68)
Manampy anao hahatakatra inona momba ny fahadiovana io fanambarana io?
Ireo fitahian’ny Tompo izay misy any amin’ny tempoly
Ahoana no mety hanosehan’ireo fitahiana ireo antsika ho madio am-po?
Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nindrana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17 ary nampianatra ny mety ho dikan’ny hoe mahita an’ Andriamanitra any amin’ny tempoly:
16:22
Nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson mazava tsara tamintsika fa isika dia afaka “mahita” ny Mpamonjy ao amin’ny tempoly amin’ny fomba izay hahatonga Azy tsy ho vahiny amintsika intsony. Nilaza izao ny Filoha Nelson hoe: “Ho fantatsika Izy. Ho takatsika ny asany sy ny voninahiny. Ary hanomboka ho tsapantsika ny fiantraikany tsy misy fetran’ny fiainany tsy manam-paharoa” [Teachings of Russell M. Nelson (2018), 369].
Raha toa izaho na ianao ka tsy madio tsara rehefa mankany amin’ny tempoly, dia tsy ho afaka ny hahatakatra ny fampianarana ara-panahy mikasika ny Mpamonjy, izay raisintsika any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. (Henry B. Eyring, “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Liahona, mey 2021, 30)
Ahoana no mety hanosehan’io fampanantenana io ny olona iray ho madio am-po?
Nahoana araka ny hevitrao no mitaky fo madio ny Tompo rehefa hiditra ny tempoly ny olona?