“Lesona 110: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95: -Ny fanorenana ny tranoko,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany dia nandidy ny Olomasina i Jesoa Kristy mba hanorina tempoly tao Kirtland, Ohio. Volana maromaro taty aoriana, raha mbola tsy nanomboka nanorina ny Olomasina, dia nanafay azy ireo tamim-pitiavana ny Mpamonjy ary namerina nilaza ny didiny ny mba hananganana ny tranony. Tamim-pankatoavana no niasan’ny Olomasina tamim-pahazotoana tokoa hanorina ny Tempolin’i Kirtland. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa ny hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
Sahanasa fianarana azo atao
Manao ho lohalaharana ny fitsaohana any amin’ny tempoly
Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo ao amin’ny tempoliny, dia azonao atao ny manampy ireo mpianatra hamorona rafi-tantara ahitana zatovo iray noforonina izay nanana drafitra ny handeha any amin’ny tempoly saingy nisafidy ny tsy hanao izany. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana ity teny nolazaina manaraka ity sy manasa ireo mpianatra hameno ny banga amin’ny antony mety holazain’ny olona iray fa mahatonga azy tsy handeha any amin’ny tempoly. Ifanakalozy hevitra ny antony mahatonga antsika indraindray tsy hanao ho laharam-pahamehana ny fandehanana any amin’ny tempoly.
Raha toa ianao sy ny mpianatrao ka mipetraka lavitra loatra ny tempoly ka tsy afaka manao ho laharam-pahamehana ny fandehanana any amin’ny tempoly dia azonao atao ny manomboka fotsiny ny lesona amin’ny alalan’ilay fanombantombanana ny tena ao aorian’ilay sahanasa mameno ny banga.
Te handeha ho any amin’ny tempoly aho. Na izany aza, noho ny , dia tsy nandeha aho.
Ampiasao ity mari-drefy manaraka ity mba hisaintsainana ny fahatsapanao ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly.
Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny lesona mba hahafantarana ny fomba ahafahan’izy ireo manao ho laharam-pahamehana ny fitsaohana any amin’ny tempoly.
Raha toa ka tsy afaka mankany amin’ny tempoly akaiky azy ny mpianatrao dia ampifanaraho amin’izany ny lesona mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiomanana handeha ho any amin’ny tempoly indray andro any.
Manafay ireo izay tiany ny Tompo
Tamin’ny faran’ny volana desambra 1832, dia nandidy ny olony ny Mpamonjy mba hanorina ny tempoly, na “tranon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119 ). Rehefa nanambara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 ny Tompo tamin’ny jona 1833, dia nividy tany ny Olomasina, saingy tsy mbola nanomboka ny fanorenana.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–3 , ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny olony.
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fahatsapan’ny Tompo momba ny tempoly?
Ahoana no nanehoan’ny Tompo ny fitiavany ny olony?
Mety ho tsara ny manontany ny mpianatra raha fantany ny dikan’ny hoe “famaizana.” Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe “famaizana” dia midika hoe manitsy miaraka amin’ny fikasana hanatsara ny fitondrantena.
Nandidy ny olony hanorina tempoly ny Tompo
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4, 8–9 , ka tadiavo ireo antony nandidian’ny Tompo ireo Olomasina hanorina ny tranony.
Ahoana no hitahiana ireo Olomasina noho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo hanorina ny tempoly?
Inona marina raha faritana tsara ny zavatra nampanantenain’ny Ray any An-danitra azy ireo?
Rehefa mizara ny antony nandidian’ny Tompo ny Olomasina hanorenana ny tranony ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fitsipika iray toy ny hoe Mandidy ny olony hanorina tempoly i Jesoa Kristy mba hanatanterahana ny fampanantenan’ny Ray any An-danitra hanafy azy ireo amin’ny hery .
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe tafiana ny herin’ Andriamanitra?
Ny hoe omena fanafiana masina any amin’ny tempoly dia midika hoe mahazo fanomezana fahalalana ara-panahy sy hery.
Mametraha fanontaniana mamporisika hanao fifanakalozan-kevitra: Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina mba hamoronana fifanakalozan-kevitra manan-danja ao an-dakilasy. Raha mila fanazaran-tena bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny mpianatra mba handray andraikitra amin’ny zavatra ianarany ”, izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra . Manaova fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao, “Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ary asao ny mpianatra hamaly ”.
Inona avy ireo fomba samihafa mety ho fidian’ Andriamanitra mba hanomezana antsika ny heriny amin’ny alalan’ny tempoliny?
Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fandraisana ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tempoliny eo aminao any an-tokantrano, any an-tsekoly, na amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainanao?
“Ianareo dia hanan-kery hanorenana izany”
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11–14 , ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay mety ho nanosika ny Olomasina hankatò ny didin’ny Tompo mba hanorina tempoly.
Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely maromaro. Azonao atao ny manome ny vondrona tsirairay ny tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Fahafoizan-tena natao hanorenana ny Tempolin’i Kirtland.”
Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa ao amin’ny taratasy zaraina na eny amin’ny solaitrabe ny fahafoizan-tena maromaro nataon’ny Olomasina ho an’ny Tempolin’i Kirtland. Avy eo izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mitanisa ny fahafoizan-tena azontsika atao mba handehanana any amin’ny tempoly na hiomanana hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoliny amin’izao androntsika izao.
Fotoana fohy taorian’ny nahazoana ny fizarana 95 dia nanomboka nanadio ny saha izay hanorenana ny tempoly i Hyrum Smith. Fanamby sarotra ny fanorenana ny tempoly. Tsy nisy afa-tsy 150 teo ho eo ny mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ilay faritra. Tsy nanana traikefa na fahaiza-manao mba hanara-maso ny fanaovana trano lehibe toy izany izy ireo. Ny fanorenana ny tempoly dia hitondra ihany koa fahasahiranana ara-bola ho an’ny Fiangonana sy ny mpikambana. Na izany aza dia nandeha niasa izy ireo, ary ny Tompo dia nanatanteraka ny fampanantenany hanome azy ireo “hery hanorenana izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11 ). Nifindra tany Kirtland i Artemus Millet, izay mpikambana niova fo avy any Kanadà sy mpanorina trano efa za-draharaha, ary nanara-maso ny fanorenana. Nisy olona niova fo iray hafa, John Tanner, izay nanome fanampiana ara-bola tamin’ny fotoan-tsarotra. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy teo amin’ny faritra no nanome, fotoana, heri-tsandry, ary fitaovana hananganana ny tempoly.
Inona avy ireo fahafoizan-tena maromaro nataon’ny Olomasina mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland? Inona no manan-danja aminao mahakasika ireo fahafoizan-tena ireo?
Inona avy ireo fahafoizan-tena vitsivitsy azontsika atao mba handehanana any amin’ny tranon’ny Tompo?
Rehefa avy mahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Saintsaino ombam-bavaka ny fotoana ahafahanao mizara amin’ny mpianatra ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity izay manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fahafoizan-tena mba hitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly.
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nitsodrano antsika mba hanao fahafoizan-tena hitsaohana any amin’ny tempoly:
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mety tsy hampiova ny fiainanao ny fananganana ireo tempoly fa ny fanokananao fotoana ho ao amin’ireny tempoly ireny kosa anefa dia hampiova izany. Mitsodrano anareo aho mba hahafantatra ireo zavatra izay azonareo ahilika mba hahazoanareo mandany fotoana bebe kokoa ao amin’ny tempoly. (Russell M. Nelson, “Ndao handroso hatrany ,” Liahona , mey 2018, 119)
Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao na ny olona hafa fantatrao tamin’ny fanaovana fahafoizan-tena mba hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny?
Raha toa ianao ka efa nanana traikefa tamin’ny fitsaohana ny Tompo tao amin’ny tempoliny dia zarao ireo fomba nitahian’ny Tompo anao vokatr’izany.
2:50
Mety hahasoa ny mpianatra ny firaketana ny valin-teniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anaty diary fandalinany. Azonao atao avy eo ny manasa ireo mpianatra vonona hizara ny eritreriny.
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 mihatra aminao amin’izao fotoana izao?
Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo ao amin’ny tempoliny?
Nampahatsiahy i Lucy Mack Smith, renin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Nampiantsoana ny filankevitra iray ary niangavy ny rahalahy tsirairay i Joseph mba hitsangana sy hanome ny heviny, ary rehefa tapitra izany dia nanome ny heviny izy. … Nihevitra ny sasany fa tsara kokoa ny manangana trano amin’ny akora efa voarafitra. Ny hafa kosa nilaza fa lafo loatra ny trano vita amin’ny akora efa vita rafitra … , ary ny ankamaroany dia nanao tsoan-kevitra hanangana trano vita amin’ny vatan-kazo ary nanao kajy mikasika izay azony atao amin’ny fananganana azy. Nitsangana i Joseph ary nampahatsiahy azy ireo fa tsy manao trano ho an’ny tenany na ho an’olon-kafa izy ireo fa trano ho an’ Andriamanitra: -Ary moa ve isika, ry rahalahy, no hanangana trano ho an’ Andriamanitsika amin’ny hazo? Tsia, ry rahalahy. Manana drafitra tsara kokoa noho izany aho. Manana ny drafitry ny tranon’ny Tompo izay nomeny Izy Tenany aho. Ho hitanareo amin’izany ny fahasamihafana misy eo amin’ny kajikajy ataontsika sy ny heviny.-” Avy eo ny Mpaminany dia nanome ilay “drafitra feno an’ny tranon’ny Tompo tao Kirtland,” izay “tena nahafaly” ireo rahalahy. Taorian’ilay fivoriana, dia nandeha nankany amin’ilay toeram-panorenana izy ireo ary nanomboka niasa—nanala fefy iray, nanadio ny tany, ary nandavaka hady iray ho an’ny rindrina. (“Lucy Mack Smith, History, 1844–1845,” boky 14, pejy 1–2 , josephsmithpapers.org ; nohavaozina ny tsipelina sy ny mari-piatoana)
Naminany i Isaia fa alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ny Tompo dia “[hanao] ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary [hamita] ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa” (Isaia 28:21 ). Ilay “[asa] … tsy fanaony mandrakariva” nolazain’i Isaia, ary nohamafisin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 , dia miresaka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4 ; 101:95 ). Nampanantena ny Tompo ao anatin’io asa io fa “[h]andatsaka ny Fanahi[ny] amin’ny nofo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4 ; jereo koa ny Joela 2:28–32 ). Ireo izay tsy mino ny famangian’ny olona avy any an-danitra, ny fanambarana, ny fahitana, ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary ireo zavatra ara-panahy hafa dia mety hihevitra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ho “hafahafa.”
“Andro vitsivitsy [taorian’ny nahazoana ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 ], dia nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo, ka nanome an’i Joseph Smith sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany fahitana miavaka izay nahitan’izy ireo drafitra amin’ny antsipiriany hanamboarana ny tempoly. Ny Filoha Frederick G. Williams, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany taty aoriana dia nitantara hoe: -Nandray ny tenin’ny Tompo i Joseph [Smith] izay nangataka azy mba haka ireo mpanolotsainy roa, [Frederick G.] Williams sy [Sidney] Rigdon, ary handeha eo anatrehan’ny Tompo, izay haneho azy ireo ny drafitra na ny maodely hanaovana ilay trano haorina. Nandohalika izahay, niantso ny Tompo, dia nipoitra teo akaiky teo ilay trano, izaho no nahita azy voalohany. Dia niara-nahita izany izahay rehetra avy teo. Rehefa avy nijery tsara ny ivelany izahay, dia toa hianjera aminay ilay trano.- [Frederick G. Williams, nindramin’i Truman O. Angell, ao amin’ny Truman Osborn Angell, tantaram-piainana 1884, pp. 14–15, Arisivan’ny Fiangonana, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Salt Lake City, Utah]” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 271).
Ny fanafiana masina resahina ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 dia tsy mitovy amin’ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina izay tanterahina ao amin’ireo tempoly taty aoriana. Ny fanafiana masina noraisin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, dia nahitana ôrdônansy sasany mitovy amin’ireo izay tanterahina ao amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao nefa koa nahitana fotoana izay nandatsahan’ny Tompo ny Fanahiny sy nanomezana azy ireo hery ara-panahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 ; 110 ). Ny fanafiana masina feno voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity dia nampidirin’ny Mpaminany Joseph Smith tao Nauvoo, Illinois, tamin’ny mey 1842. Tafiditra tao anatin’izany ireo zavatra sasany notantanana tany Kirtland, ary koa ireo singa fanampiny maro.
Hevero ny hanampy ny mpianatra hianatra momba ny toetra mampiavaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahatakarana ny antony hamaizany antsika. Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ny dikan’ny hoe famaizana ireo mpianatra dia afaka mandalina ireto andininy manaraka ireto, ka hitady ireo antony hamaizan’ny Mpamonjy ny vahoakany:
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny fihetsika hasetrin’izy ireo matetika rehefa faizina izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny mangataka azy ireo hizara ny fomba ahafahantsika mamaly amim-pahatokiana rehefa manafay antsika ny Tompo.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny famaizana, dia jereo ny “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako ,” nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson, Liahona , mey 2011, 97–100 ChurchofJesusChrist.org .
3:2
Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny didin’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaritra izay heveriny fa dikan’ny andian-teny hoe “mandeha ao amin’ny haizina amin’ny mitataovovonana.” Dia hifanakalozy hevitra avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no mety mampitovy ny tsy firaharahiana ny didin’ny Tompo hanorina tempoly amin’ny hoe “mandeha ao amin’ny haizina amin’ny mitataovovonana”?
Ahoana no mety hahatonga antsika “[handeha] ao amin’ny maizina amin’ny mitataovovonana” raha misafidy ny tsy hiraharaha ireo didy hafa isika? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:12 ).
Ity sahanasa ity dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo anarana fiantsoana Azy. Asao ny mpianatra hitady ireo anarana fiantsoana ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:7, 17 . Afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ireo anarana fiantsoana ireo ny mpianatra.
Raha ilaina dia hazavao ireto manaraka ireto:
Ao amin’ny andininy 7 , dia manome fanazavana ny dikan’ny anarana hoe “Tompon’ny Sabaota” ny Tompo. Izany koa dia teny hebreo izay midika hoe “rezimanta” na “tafika.” Tafiditra ao anatin’ireo tafika ireo ny tafik’anjelin’ny lanitra (jereo ny Bible Dictionary, “Sabaoth ”).
Araka ny voalazan’i Joseph Smith, ny teny hoe Amàna dia anaran’ Andriamanitra amin’ny fiteny madion’i Adama, ary ny “Zanakalahy Amàna” (andininy 17 ) dia ny anaran’ny Zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy (jereo ny The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 2: July 1831–January 1833 , natontan’i. Matthew C. Godfrey sy ny olona hafa [2013], 213–15). Nanazava ihany koa izy fa ny hoe Amàna dia midika hoe “lehilahy voalohany na Andriamanitra voalohany” (“Minutes, 5 aprily 1844 ,” pejy 84, josephsmithpapers.org ; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:20 ).
Alphus (Alfa) sy Omegus (Omega) no litera voalohany sy farany amin’ny abidia grika. Izy ireo dia mamaritra “ny toetran’i Kristy rehetra, dia ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana” (Bible Dictionary, “Alfa ”).