Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hizatra hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fotopampianarana izay ampianarin’izany. Hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa izany.
Nahoana ny olona no mety hanangona na hitahiry ireo zavatra ireo?
Inona avy ireo zavatra hafa mety hangonin’ny olona sy hotehiriziny mba hampiasaina amin’ny hoavy?
Ahoana no ifandraisan’izany amin’ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina?
Inona avy ireo fomba samihafa nezahinao niraketana ny tenin’ Andriamanitra tao an-tsainao?
Ahoana no nanampian’ireo ezaka ireo anao hahatsapa ny fitiavana na ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao?
Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao tamin’ny alalan’ny fanampiana anao hahatsiaro andinin-tsoratra masina iray tamin’ny ora tena nilanao izany?
Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo ka hatramin’ny dimy izay tsapanao fa hanan-danja ny hiraketana na hanaovana tsianjery izany.
Saintsaino ny fomba mety hanampian’ny firaketana an’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.
Mamoròna karatra fitadidiana ho an’ny andininy tsirairay nofidinao amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andininy eo anoloan’ny taratasy iray ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny lafiny ilany.
Manaova fanazaran-tena manao tsianjery ny votoatin-javatra ao amin’ny lafiny roa amin’ny karatra fitadidiana tsirairay.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny namanao sasany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia nanontany anao hoe nahoana ianao no tsy misotro kafe, dite, na toaka. Rehefa avy nanazava fohifohy ny zavatra fantatrao momba ny Tenin’ny Fahendrena ianao, dia milaza ilay namanao fa tena mamepetra be ny fahitan’izy ireo izany ary manontany izy ireo hoe: “Iza koa no olona te hiaina toy izany?”
Inona araka ny eritreritrao no fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy izay mety hanampy indrindra ka tsara hoheverinao rehefa mamaly ny namanao ianao? Nahoana?
Manao asa amim-pinoana
Inona no maha-fanaovana asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy ny fanoloran-tenanao hankatò ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89)?
Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay afaka manampy anao hankatò ny Tenin’ny Fahendrena na dia tsy takatrao tanteraka aza izany?
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena eo amin’ny fomba fijerinao ny Tenin’ny Fahendrena?
Inona avy ireo tombontsoa azo ao anatin’ny fotoana tsy maharitra izay inoan’ny olona fa afaka ny ho azony avy amin’ny tsy fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena? Manao ahoana ireo tombontsoa ireo raha oharina amin’ireo fitahiana maharitra nampanantenain’ny Mpamonjy rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21).
Ahoana no nanovan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra toy ny Fanahy Masina, ny ray aman-dreninao, na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ny fanirianao hankatò ny Tenin’ny Fahendrena?