Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Topimaso ankapobeny

Tamin’ny jolay 1833 dia nisy vondrona milisy tao Missouri izay nangataka ireo Olomasina mba hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Nohosorana tara sy volom-borona ny Eveka Edward Partridge sy i Charles Allen ary noravana ny trano fanaovana printy an’i W. W. Phelps. Tsy nahafantatra ny fisian’ireo tranga ireo ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 izy. Nampiononina sy nomena torolalana momba ny fiatrehana fanenjehana ireo Olomasina ao amin’io fanambarana io. Tamin’ny fotoana nandraisana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 tamin’ny desambra 1833 dia noroahina niala ny tranony tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny ankamaroan’ireo Olomasina. Nolazain’ny Tompo tamin’izy ireo ny antony namelany azy ireo horoahina hiala ny tranony, nampahatsiahiviny azy ireo ny fangorahany ary noresahiny ny momba ny fanavotana an’i Ziona amin’ny farany.

sary famantarana ny fanofananaOmeo fahafahana hifanakalo hevitra mombana lohahevitra ao amin’ny filazantsara ny mpianatra. Manokàna fotoana hizàran’ny mpianatra miresaka momba ny zavatra ianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hiaina sy hahatsiaro ary hilaza mazava ireny fahamarinana ireny. Io fanazaran-tena io dia afaka mampitombo ihany koa ny fatokisan-tenan’ny mpianatra hizara fahamarinana amina sehatra hafa. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ihany koa ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–42.”

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98

  • Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hiandry amim-paharetana ny Tompo mandritra ny fotoam-pahoriana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka ray aman-dreny iray na olon-dehibe iray atokisan’izy ireo mba hitantara fotoana iray nahavitan’izy ireo natoky an’ Andriamanitra nandritra ny fitsapana sarotra iray. Izany dia afaka manampy azy ireo hieritreritra momba ny maha-sarobidy ny fitsapàna eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hiomana hizara ny eritreritr’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Horonan-tsary:Fanantenana ao amin’i Kristy” (15:37) manomboka amin’ny mari-potana 9:13 ka hatramin’ny mari-potoana 10:06; “Hatreho am-pinoana ny ho avy” (14:25) manomboka amin’ny mari-potoana 8:05 ka hatramin’ny mari-potoana 9:14; “Hanandratra antsika Andriamanitra” (4:59); “Tendrombohitra hohanihana” (05:02)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–42

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fangorahana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy ho azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny mety ho fiantraikan’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny seminera amin’ny zavatra iainan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra momba ny fandraisan’izy ireo anjara mandritra ny fotoam-pianarana sy amin’ireo fifanakalozan-kevitra anaty vondrona ary manapa-kevitra momba ny fomba handraisan’izy ireo anjara misimisy kokoa.

  • Horonan-tsary:Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy” (13:00) manomboka amin’ny mari-potoana 9:40 ka hatramin’ny mari-potoana 10:01

  • Sary: Zatovo iray anatin’ny fahoriana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101

Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra handalina fanoharana iray sy hamantatra ny heviny ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hazavao amin’ny mpianatra fa ireo zavatra manodidina antsika dia afaka maneho tandindona na mampianatra antsika fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 6:63). Ohatra, ny masoandro no ivon’ny système solaire misy antsika ary manome fahazavana sy aina amin’ny tany. Torak’izany ihany koa dia ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany i Jesoa Kristy ary manome fahazavana sy aina antsika tsirairay avy. Asao ny mpianatra hitady zavatra iray eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro izay afaka mampianatra azy ireo zavatra momba an’i Jesoa Kristy. Hanana fahafahana hizara izany amin’ny fiandohan’ny lesona ny mpianatra.

  • Horonan-tsary:Tafio ny herinao” (13:44) manomboka amin’ny mari-potoana 0:47 ka hatramin’ny 1:20

  • Taratasy zaraina: “Ahoana no fomba handalinana ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy”