Seminera
Lesona 113: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98: Ny zava-drehetra dia hiara-hiasa hahasoa antsika


“Lesona 113: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98: Ny zava-drehetra dia hiara-hiasa hahasoa anatsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 113: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98

Ny zava-drehetra dia hiara-hiasa hahasoa antsika

Fanenjehana tao Missouri

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1833 dia nisy tsy fifankahazoana teo amin’ireo mponin’i Missouri sy ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson izay niteraka ny fisian’ireo andian’olona mpihetraketraka hanafika ireo trano, handrava orinasa sy hangataka ny fanalana ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra teo amin’ilay faritra. Ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 dia nanolotra fampiononana sy torohevitra ho an’ireo Olomasina izay nijaly ary nanome torolalana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny amin’ny fomba hiatrehana ny fihetsika tsy ara-drariny natao tamin’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiandry amim-paharetana ny Tompo mandritra ny fotoam-pahoriana.

Sahanasa fianarana azo atao

Faharetana

Atombohy amin’ny fanampiana ny mpianatra hisaintsaina momba ny faharetana ny lesona. Izany dia afaka manomana azy ireo hianatra momba ny fiandrasana amim-paharetana ny Tompo mandritra ny fotoam-pahoriana. Azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe “maharitra” sy mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Amin’ny fotoana inona no maha sarotra ny fananana faharetana?

  • Inona avy ireo toe-javatra vitsivitsy izay tsy maintsy nanananao faharetana?

  • Raha refesina eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 ka ny 10 no tena maharitra dia hatraiza ny halehiben’ny faharetana anananao araka ny eritreritrao?

  • Amin’ny toe-javatra manao ahoana no mety ho tian’ny Tompo hanananao faharetana? Nahoana?

Ny fandroahana ireo Olomasina avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri

Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity azo vakina na fintinina amin’ny teninao manokana mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ara-tantaran’ny fizarana 98.

Rehefa tonga tao Missouri mba hanangana an’i Ziona ireo Olomasina dia nisy tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mponina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Nampitombo ireo olana ny tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika sy ireo tsy fifankazahoana ara-pivavahana ary ireo fanapahan-kevitra tsy malina (anisan’izany ny tsy nananganana ny tempoly araka ny nandidian’ny Tompo izany). Nandritra ny fahavaratry ny taona 1833 dia nisy milisy nivondrona mba handroaka tamin-kery ireo Olomasina hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Nokapohina ary nosorana tara sy volom-borona ny Eveka Partridge sy i Charles Allen. Rava ny fitaovana fanontana pirinty an’i W. W. Phelps ary naparitaka ny pejin’ny Bokin’ireo Didy. Nosamborin’i Vienna Jacques niaraka tamin-dry rahavavy Mary sy Caroline Rollins tamim-kerimpo izay pejy nisy ireo fanambarana azon’izy ireo nosamborina talohan’ny nahasimba azy ireo. Nihazakazaka izy ireo ary niafina ireo mpihetraketraka niaraka tamin’ireo fanambarana. Nandritra ilay fanafihana dia maro tamin’ireo Olomasina no voatery nandao ny tranon’izy ireo rehefa nambanana basy (jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 172–181).

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitsapana na fahoriana mety holalovan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 ary hihaino ny zavatra tian’ny Tompo ataon’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, ka tadiavo ny fomba namalian’ny Tompo ireo vavaka nataon’ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’io torohevitra io an’ireo Olomasina tao Missouri?

  • Amin’ny fomba ahoana no azon’izany anampiana anao na ny olona fantatrao hiatrika zava-tsarotra?

  • Inona avy ireo fitsipika vitsivitsy azonao raisina avy amin’ireo andininy ireo?

Mety hizara fitsipika isan-karazany ny mpianatra. Fomba iray hanampiana ny mpianatra hamantatra fitsipika ny fanoratana ity teny nambara tsy feno manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hameno izany.

Rehefa miandry amim-paharetana ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana Izy fa

Azon’ny mpianatra atao ny mameno ilay teny nambara amin’ny fitsipika toy ny hoe:

  • ho voavaly ny vavaka ataontsika.

  • hisy zava-tsoa ho tonga avy amin’ny fahoriantsika.

Miandry amim-paharetana ny Tompo

Mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantaranao ireo fitsipika tokony hifantohana. Hevero ny zavatra ilain’ny mpianatrao ary misafidiana fitaovana izay tsapanao fa tena hanampy azy ireo. Manapaha hevitra hoe inona amin’ireto fitaovana manaraka ireto no hozaraina amin’ny mpianatrao. Tsy mila mifanakalo hevitra momba azy rehetra ianareo.

Safidy hafa azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona maromaro sy manome ny tsirairay amin’zy ireo iray amin’ireo teny nambara na andininy iray ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna mba hohalalininy. Asao avy eo ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.

Nampianatra toy izao ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fiandrasana ny Tompo amim-paharetana. Vakio ity teny nambara manaraka ity na jereo ilay horonan-tsary hoe “Fanantenana ao amin’i Kristy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:13 hatramin’ny 10:06, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

15:45
Loholona M. Russell Ballard

Ny fiandrasana ny Tompo dia midika hoe fankatoavana tsy tapaka sy fivoarana ara-panahy mankany Aminy. Ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo dia tsy midika hoe miandry fotsiny eo tsy manao na inona na inona. Tsy tokony hahatsapa ho toy ny ao anaty efitrano fiandrasana velively ianao.

Mitaky asa ny hoe miandry ny Tompo. Nianarako tanatin’ny taona maro fa mampitombo ny fanantenantsika an’i Kristy ny fanompoana ny hafa. Mampitombo ho azy ny fanantenantsika an’i Jesoa ny manao fanompoana toy izay nataony.

Ny fivoaran’ny tena manokana azon’ny olona iray tratrarina amin’izao eo am-piandrasana ny Tompo sy ireo fampanantenany dia singa iray tena sarobidy sy masina ao amin’ny drafiny ho antsika tsirairay. (M. Russell Ballard, “Fanantenana ao amin’i Kristy,” Liahona, mey 2021, 55)

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay hahazoantsika miandry ny Tompo amim-paharetana mandritra ny fotoam-pahoriana?

Nampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3 ny Filoha Russell M. Nelson mba hampianarana momba ireo valin’ny vavaka ataontsika.

2:3
Filoha Russell M. Nelson

Raha toa ka mivavaka amin’ny fahaizana mijery ny mandrakizay isika, dia tsy mila misalasala isika hoe reny ve ny fibaboantsika sy ny ranomasontsika lalina. …

Ny Tompo dia nisafidy ny teny matanjaka indrindra mba hanome antoka antsika! Tombokase! Testamenta! Nianiana! Nanapaka! Fanekempihavanana tsy azo ovaina! Ry rahalahy sy anabavy, minoa Azy! Hihaino ireo vavaka tsotra sy vokatry ny fo ataonareo Andriamanitra, ary dia hatanjaka ny finoanareo. (Russell M. Nelson, “Hatreho am-pinoana ny ho avy,” Liahona,, mey 2011, 35)

  • Inona no ampianarin’io teny nambara io anao mikasika ny Tompo?

  • Manampy ny olona iray hiandry amim-paharetana Azy amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ireo fampianarana ireo?

Vakio ny 2 Nefia 2:1–2, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny mpaminany Lehia an’i Jakôba zanany momba ireo fahoriany.

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahan’ny Tompo “[manokana] ny fahoria[ntsika] ho tombontsoa[ntsika]”?

Ny torohevitry ny Mpamonjy

Mba handalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–22 dia azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa amin’ny mpiara-mianatra iray na anatina vondrona kelikely kokoa. Afaka misafidy fitsipika hifantohana ny mpianatra ary avy eo mitady ny torohevitry ny Mpamonjy izay afaka manampy olona hampihatra io fitsipika io.

Ohatra, ny hoe “izy no hanome ny mahatoky andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ” (andininy 12) dia afaka manampy olona iray hiandry amim-paharetana ny Tompo rehefa mamaly tsikelikely ny vavaka ataon’izy ireo Izy. Ny andian-teny hoe “hahafoy ny ratsy rehetra ianareo ary hifikitra amin’ny tsara rehetra” (andininy 11) dia mety hanampy olona anatina toe-javatra iray mba hahafahan’ Andriamanitra hahatonga ny fahoriany “hiara-hiasa hahasoa [azy ireo]” (andininy 3).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–22, ka tadiavo ny torohevitra omen’ny Mpamonjy izay afaka manampy anao na olona iray hafa hiandry amim-paharetana ny Tompo.

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy olona iray hiandry amim-paharetana ny Tompo?

  • Inona ny teny na andian-teny izay azonao zaraina amin’ny olona iray mandalo fitsapana? Nahoana?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay nanampian’ny Mpamonjy azy ireo hahita ny zava-tsoa avy amin’ny fotoana hitsapana antsika. Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “Hampahery antsika Andriamanitra” (4:59) na ilay horonan-tsary hoe “Tendrombohitra hohanihana” (5:05), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

4:59
5:5

Omeo fahafahana ireo mpianatra izay vonona hanao izany mba hizara ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo hiandry amim-paharetana Azy mandritra ny fotoam-pitsapana. Raha mety dia afaka mizara zavatra niainana ireo mpianatra izay nahitan’izy ireo ny zava-tsoa izay tonga vokatry ny fitsapana iray.

Ampiharo ny fampianaran’ny Mpamonjy

Valio ombam-bavaka ao anaty diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto araka ny zavatra nianaranao androany:

  • Inona no nianaranao izay afaka mampitombo ny fahaizanao miandry amim-paharetana ny Tompo?

  • Inona no tsapanao fa tokony hataonao ka hanampy anao hiandry amim-paharetana ny Mpamonjy rehefa miatrika fanamby sarotra ianao?

Ho famaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mizara zavatra niainanao iray izay niandrasanao tamim-paharetana ny Tompo na fotoana iray nanaovan’ny Tompo izay hahatonga ny fitsapana iray hiara-hiasa hahasoa anao sy ho an’ny voninahiny. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahavononan’ny Ray any An-danitra hitahy antsika mandritra ny fahoriana rehefa miandry amim-paharetana Azy isika.