Seminera
Lesona 115: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101: Fanoharana momba an’i Ziona


“Lesona 115—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101: Fanoharana momba an’i Ziona,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 115: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101

Fanoharana momba an’i Ziona

fanoharana ao amin’ny F&F

Rehefa nahare momba ny fanenjehana goavana izay nianjady tamin’ireo Olomasina tao Missouri ny Mpaminany Joseph Smith dia nitalaho ho azy ireo tamin’ny Tompo izy. Tao anatin’ny valin-teny nomeny dia nampiasa fanoharana ny Mpamonjy mba hanomezana torohevitra sy fampiononana ireo Olomasina. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra handalina fanoharana iray sy hahita ny heviny ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Nampianatra matetika tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana i Jesoa Kristy

Mampisehoa zavatra fampiasa mahazatra toy ny fitaovam-pianarana na karazan’akanjo na fitaovana elektrônika. Na asao ny mpianatra hijery ireo zavatra manerana ny efitrano fianarana na ireo zavatra nentin’izy ireo. Asao ny mpianatra hisafidy zavatra iray ary hieritreritra fomba miavaka hampitahana izany amin’ny lafin-javatra anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mampitaha ny finday iray amin’ny vavaka satria ny vavaka no fitaovana ampiasaintsika hifandraisana amin’ny Ray any An-danitra. Asao hizara ny zavatra nosafidian’izy ireo sy ny fampitahana ara-panahy nataon’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra iray miara-miasa aminy na amin’ny kilasy iray manontolo ny mpianatra.

Matetika i Jesoa Kristy no nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana tantara tsotra izay fantatra amin’ny hoe fanoharana. Tamin’ireny fanoharana ireny dia nampitahain’i Jesoa tamin’ireo zavatra na toe-javatra fahita andavanandro ireo fahamarinana ara-panahy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanoharana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny fanoharana izay nampianarin’ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo fahamarinana ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao anatin’ireo fanoharana ireo?

Ohatra, afaka mizara ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny mpianatra (jereo ny Lioka 10:25–37), izay mampianatra momba ny fitiavana sy fanompoana ny hafa tahaka ny ataon’ny Mpamonjy. Na azon’izy ireo atao ny mizara ilay fanoharana momba ireo virijiny folo (jereo ny Matio 25:1–13), izay mampianatra antsika mba hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Mba hanomanana ny mpianatra handalina fanoharana iray momba ny fanavotana an’i Ziona dia angataho ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo avy amin’ireo lesona farany momba ireo fitsapana niaretan’ny Olomasina tao Missouri. Azonao atao ny mizara ity famintinana manaraka ity raha ilaina izany:

Nandritra ny fotoana nisian’ny fanenjehana mavaivay dia nampiasa fanoharana ny Mpamonjy hampianarana an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina momba ny fanavotana an’i Ziona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43). Tamin’ny faramparan’ny taona 1833 dia nitarika ho amin’ny fandroahana Olomasina mihoatra ny 1000 hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny herisetra nataon’ireo mpihetraketraka ary mihoatra ny 200 ny tranon’izy ireo izay nodorana. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith hoe nahoana ny Olomasina no noroahina hiala tao Ziona ary inona no zavatra tokony hataon’izy ireo mba hahafahan’izy ireo miverina. Namaly izany tamin’ny alalan’ny fanoharana ny Tompo.

Fandalinana fanoharana

Nampianatra ity manaraka ity momba ny fianarana avy amin’ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy ny Loholona David A. Bednar:

13:57
Loholona David A. Bednar

Ny hevitra na hafatra tiana hampitaina amin’ny alalan’ny fanoharana iray dia mazàna tsy ambara mazava. Fa ilay tantara kosa dia mampita fotsiny ihany fahamarinana masina amin’ny olona iray mandray izany arakaraka ny finoany an’ Andriamanitra sy ny fahavononany manokana ara-panahy ary ny finiavany hianatra. Ny olona iray araka izany dia tsy maintsy mampiasa ny fahafahany misafidy ary “mangataka sy mitady ary mandondòna” [jereo ny Matio 7:7–8; Lioka 11:9–10] amim-pahazotoana mba hahitana ireo fahamarinana izay miafina ao amin’ny fanoharana iray. (David A. Bednar, “Tafio ny herinao, ry Ziona ô,” Liahona, nôv. 2022, 92)

  • Inona no fiantraikan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny fahaizantsika mahatakatra ny fampianarany?

  • Mampita inona amin’ny Mpamonjy momba ny zavatra tsapantsika Aminy ny ezaka ataontsika amin’ny fandalinana ny teniny?

sary famantarana ny taratasy zarainaOmeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny fomba handalinana ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy” ny mpianatra mba hitarihana azy ireo mandritra ity lesona ity.

Ny fomba handalinana ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika, na trangan-javatra.

  2. Manaova fampitahana. Fantaro hoe mety haneho inona na fanehoana an’ohatra ny inona ny antsipiriany tsirairay ao amin’ilay fanoharana. Mety hanampy ireo fanoroana araka ny sahan-kevitra sy ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina ary ny fisaintsainana.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy. Rehefa avy manao fampitahana ianao dia katsaho ny fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamantarana ireo lesona sarobidy nampianarin’ny Mpamonjy tao amin’ilay fanoharana.

  4. Fantaro ny fomba hampiharana izany amin’ny tena manokana. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny zavatra azonao atao manokana mba hampiharana ireo lesona hitanao amin’ny tenanao manokana.

Ilay fanoharana momba ny andriandahy

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazatra tena amin’ny fampiasana ireo dingana efatra amin’ny fomba fandalinana fanoharana. Ampisehoy ity tabilao manaraka ity na adikao eny amin’ny solaitrabe izany. Mamoròna vondrona enina ary omeo andraikitra hamita efajoro iray avy ao anatin’ilay tabilao ny tsirairay amin’izy ireo. Na asao ny mpianatra handika ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo sy hameno izany samirery.

Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62. Manaova sary tsotsotra iray na manorata famintinana iray mba hanehoana ireo andinin-tsoratra masina ho an’ny vondron’andinin-tsoratra masina tsirairay avy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–45. Ireo torolalana nomen’ilay andriandahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:46–50. Ny fihetsik’ireo mpanompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:51. Ny vokatry ny asan’ireo mpanompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:52–54. Ny valin-tenin’ilay andriandahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:55–58. Ny torolalana manaraka nomen’ilay andriandahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:59–62. Ny valin-teny nomen’ilay mpanompo

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany. Ataovy azo antoka fa takatr’izy ireo ny antsipiriany ao amin’ilay fanoharana.

Vitao miaraka amin’ny mpianatra rehetra ireo dingana telo farany amin’ny fandalinana fanoharana.

Manaova fampitahana

  • Inona avy ireo fanoroana afaka manampy antsika hahita fa maneho an’i Jesoa Kristy ilay andriandahy?

  • Mety maneho inona ilay tanimboaloboka na ilay tilikambo?

  • Inona indraindray no mety hitovizan’ny fihetsika ataontsika amin’ny nataon’ireo mpanompo?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Ezekiela 3:16–17 ary tadiavo ny fampitahana azo atao amin’ireo mpitily. Ity sahan-kevitra manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao fampitahana fanampiny:

Nanao tsinontsinona ny fananganana ny tempoly araka ny torolalana nomen’ny Tompo azy ireo ireo Olomasina tao Missouri, tahaka ireo mpanompo ao amin’ilay fanoharana izay nandà hanangana tilikambo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3; 84:3–4; 97:10–12).

Ilay mpanompo resahina ao amin’ny andininy 55 dia naneho an’i Joseph Smith ho an’ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:21). Nanaraka ny didin’ny Tompo i Joseph Smith ka nanangana vondrona iray izay nantsoina hoe Tobin’i Ziona mba hanavotana ny tanin’i Ziona. Horesahina ao amin’ireo lesona Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 sy 105 ny Tobin’i Ziona.

Fantaro ireo lesona sarobidy

  • Inona avy ireo lesona sarobidy izay mety hampianarin’ny Tompo amin’ny alalan’io fanoharana io?

  • Inona no ampianarin’io fanoharana io anao momba ireo toetra tsara ananan’i Jesoa Kristy?

    Raha manana olana amin’ny famantarana ireo lesona sarobidy ny mpianatra dia omeo ny iray na mihoatra izany amin’ireto fitsipika manaraka ireto. Asao ny mpianatra hizara ny fomba anehoan’ilay fanoharana ireo fahamarinana ireo. Rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika dia mampatanjaka antsika izy mba handresentsika ireo fahavalontsika ara-panahy sy ara-batana. Mpitily eo ambony tilikambo ireo mpaminany, izay manome antsika fampitandremana avy amin’ny Tompo ny amin’ireo loza mananontanona. Manomana antsika handresy ny fahavalontsika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly ny Mpamonjy.

  • Nahoana no mety ho nahasoa ireo Olomasina tamin’ny taona 1833 ireo lesona ireo?

  • Ahoana no efa nahitanao ny porofon’ny iray na ny mihoatra izany amin’ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainanao?

Fantaro ny fomba hampiharana izany amin’ny tenanao

  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy azonao hampiharana io fanoharana io amin’izao androntsika izao?

Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamantarana fomba iray na roa azonao hampiharana fahamarinana iray manan-danja aminao avy amin’ity fanoharana ity. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ny fandalinana ireo fanoharana izay azon’izy ireo ampiasaina mba hanatsaran’izy ireo ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina. Amporisiho ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina sy misaintsaina ary mampihatra amin’ny tenany manokana ny fampianarany izy ireo.