Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Topimaso ankapobeny

Nandray fanambarana avy amin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 24 febroary 1834 izay nandidiana azy ny hanangonany mpilatsaka an-tsirapo mba hanampiana ireo Olomasina izay nijaly tany Missouri. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo nihoatra ny 200 dia fantatra tamin’ny anarana hoe Tobin’i Isiraely (tobin’i Ziona taty aoriana) ary nanao dia an-tongotra mihoatra ny 1280 kilaometatra mba hanampy ireo Olomasina tao Missouri hitaky ny tanin’izy ireo. Rehefa tonga tao Missouri ilay toby dia nanambara tamin’i Joseph ny Tompo fa tsy mbola tonga ny fotoana hanavotana an’i Ziona, ary dia rava ilay toby. Tokony ho enim-bolana taorian’ny fiverenana tany Kirtland, Ohio, dia nanangana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Kôlejin’ny Fitopololahy i Joseph. Valo tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifoloahy sy ireo mpikambana tsirairay tao amin’ny Fitopololahy no niara-nandeha an-tongotra tamin’ny Tobin’i Isiraely.

sary famantarana ny fanofananaAmporisiho ny fiomanana amin’ny traikefa amin’ny fianarana: Misy fomba maro ahafahan’ny mpianatra manomana ny sainy sy ny fony hianatra ny filazantsara. Ny sasany amin’izany dia ahitana fivavahana mba hahazo fanambarana, ny fiezahana hanana faniriana hianatra, ny fibebahana, ny fandalinana, ny famaliana fanontaniana, ary ny fahatongavana efa vonona hampianatra ny hafa. Raha te hianatra misimisy kokoa momba izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hiomana hianatra” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ihany koa ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105.”

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hankatò ireo didy izay nomen’ny Tompo azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany ray na reny iray na olon-dehibe iray atokisan’izy ireo mahakasika fotoana iray izay tsy maintsy nampiharan’izy ireo ny finoany mba hitandreman’izy ireo didin’ny Tompo iray izay nanahirana azy sy ny zavatra nianarany avy amin’io zavatra niainany io.

  • Sary: Sarin’olona vita amin’ny tsipika, sakana iray, ary ny teny hoe fiainana mandrakizay

  • Votoatiny haseho: Safidy amin’ny sahanasa fandalinana sy famporisihana hanao fampiharana rehefa akaiky ho tapitra ny lesona

Ny Tobin’i Isiraely

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa Andriamanitra dia hiaraka amin’izy ireo sy hanampy azy ireo rehefa misafidy ny hana-dia Azy izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra mety hahatonga ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ho sarotra sy ny antony maha-mendrika ny hanaovana ezaka ny fanarahan-dia Azy.

  • Horonan-tsary:Eo am-piandrasana ny Tompo” (14:09; jereo amin’ny mari-potoana 9:25 ka hatramin’ny 9:56)

  • Sarintany:Zion’s Camp Route, 1834

  • Taratasy zaraina: “Zavatra niainana avy tamin’ny Tobin’i Isiraely”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitoetra ho mahatoky amin’ Andriamanitra rehefa sedraina ny finoan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mba hanampiana ny mpianatra handray anjara mandritra ireo lesona, dia hevero ny hanasa azy ireo hivavaka amim-kitsimpo alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Azon’izy ireo atao ny mivavaka mba handray ny fitahiana hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, handray fanampiana amin’ny fanamby iray manokana, na hery hijanonana ho mahatoky amin’ny Tompo sy amin’ireo fanekempihavanany.