“Lesona 116: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103: Fananganana ny Tobin’i Isiraely,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tamin’ny 24 febroary 1834, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray fanambarana avy tamin’ny Tompo izay nandidy azy hanangana vondrona mpilatsaka an-tsitrapo mba hanampy ireo Olomasina nijaly tao Missouri. Nitaky finoana lehibe tamin’ireo izay namaly ny antso hiaraka tamin’ilay vondrona ny Tompo, izay lasa fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Isiraely. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hankatò ny didy izay nomen’ny Tompo azy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ity no lesona voalohany amin’ireo lesona telo mikasika ny zavatra niainan’nyTobin’i Isiraely, izay nampianarina nandritra ny herinandro ho an’ny ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105 . Raha toa ka tsy afaka mampianatra misaraka ireo lesona telo ianao satria tsy ampy ny fotoana hampianaranao dia eritrereto ny fomba hahafahanao manambatra ireo hevitra avy amin’ireo lesona ireo.
Ireo sakana tsy hahazoana ny fiainana mandrakizay
Hevero ny hanao sarin’olona vita amin’ny tsipika eo amin’ny lafiny ilany amin’ny solaitrabe. Soraty eo amin’ilay lafiny iray hafa eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe fiainana mandrakizay , ary manaova sarina sakana eo anelanelany. Aorian’izay dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha Wilford Woodruff ity.
Hoy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98):
Mikatsaka famonjena sy fiainana mandrakizay aho, ary tsy tiako hisy na inona na inona hijoro eo anelanelako sy ny zavatra izay katsahiko. (Wilford Woodruff, ao amin’ny Journal of Discourses , 17:246)
Inona avy ireo sakana mety havelan’ny olona hanakantsakanana ny fikatsahany ny fiainana mandrakizay?
Hazavao fa ny teny nambaran’i Wilford Woodruff dia ho setrin’ny didy sarotra iray izay noraisiny avy tamin’ny Tompo. Alohan’ny hiresahana momba izany didy izany dia hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra mangina momba ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity.
Amin’ny mari-drefy iray (tsy vonona) ka hatramin’ny folo (tena vonona), dia manao ahoana ny fahavononanao hankatò ny Tompo rehefa toa sarotra ny didiny?
Saintsaino ireo antony nahatonga anao namaly toy izany. Rehefa mandalina ianao anio dia mifantoha amin’ireo fampianarana sy bitsika ara-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay afaka hanampy anao hanaraka ny Mpamonjy, na dia toa sarotra aza ny didy iray.
Miantso olona hanavotra an’i Ziona ny Tompo
Mety hanampy ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra tsaroany mikasika ny toe-javatra natrehin’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny faramparan’ny taona 1833. Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo fa nenjehina sy noroahina hiala ny tranony ireo Olomasina.
Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra ny Mpaminany Joseph Smith mba hahalalany ny sitrapony mikasika ilay toe-javatra. Ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 dia voaray tamin’ny andro nanaovan’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana fikaonan-doha mikasika ny fomba hanampiana ny Olomasina tany Missouri.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:15–18, 22, 27–28 , ka tadiavo ny zavatra nandidian’i Jesoa Kristy ny Olomasina mba hataon’izy ireo.
Nandidy ny isam-batan’olona ny Tompo mba handrafitra andiany folo, roapolo, dimampolo, ary zato. Niantso dimanjato izy saingy nitaky lehilahy tsy latsaky ny zato mba handray anjara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:29–34 ). Raha atambatra dia roanjato mahery kely no tonga nandray anjara tamin’ilay vondrona fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Isiraely, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Tobin’i Ziona.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-miasa iray ary hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana etsy ambany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20, 36 , ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay handray anjara ao amin’ny Tobin’i Isiraely.
Hazavao fa tao amin’ilay teny nambara tany am-piandohan’ny lesona dia niresaka momba ny antsony mba hanatevin-daharana ny Tobin’i Isiraely i Wilford Woodruff. Hevero ny hampiseho an’ny mpianatra io teny nambara io amin’ny endriny lavalava kokoa.
Namariparitra ny fanapahan-keviny hanatevin-daharana ny Tobin’i Isiraely i Wilford Woodruff:
Nantsoina aho mba hitondra ny aiko teo an-tanako ka handeha hiakatra ho any Missouri, ary vitsivitsy taminay no nandeha niakatra mba hanavotra ireo rahalahinay. Azo antoka fa tsy maintsy nandeha tamim-pinoana izahay. Niantso ahy ireo mpifanolobodirindrina tamiko ka niangavy ahy mba tsy handeha. Hoy izy ireo:—“Aza mandeha, fa raha mandeha ianao, dia hamoy ny ainao.” Hoy aho tamin’izy ireo—“Raha toa ka fantatro fa [hotifirina] amin’ny bala ny foko raha vantany vao manitsaka ny faritr’i Missouri aho dia handeha aho.” … Izany no fahatsapana nananako tamin’izany andro izany mikasika ny asan’ Andriamanitra, ary izany no fahatsapana ananako ankehitriny. Mikatsaka famonjena sy fiainana mandrakizay aho, ary tsy tiako hisy na inona na inona hijoro eo anelanelako sy ny zavatra izay katsahiko. (Wilford Woodruff, ao amin’ny Journal of Discourses , 17:246; nohavaozina ny tsipelina)
Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana iray toy izao manaraka izao izy ireo: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hahatsapa fahavononana sy fahafahana bebe kokoa hankatò ireo didiny.
Finoana hankatoavana ny didin’ny Tompo
Hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Alohan’ny hiarahan’ny mpianatra rehetra mifanakalo hevitra momba izany dia azon’ny mpianatra atao aloha ny mifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny namana mpiara-miasa iray na amin’ny vondrona kely. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ny valin-teniny amin’ny fanontaniana voalohany eny amin’ny solaitrabe.
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo didin’ny Tompo izay mety ho sarotra ho an’ny zatovo ny hankatò azy amin’izao fotoana izao?
Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny mitandrina ireo didy ireo?
Ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra kokoa momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy mba hankatò ny didiny. Hevero ny hampiseho ireto safidy momba ny zavatra azo halalinina manaraka ireto sy hanome fotoana ny mpianatra mba handalinana. Azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona telo ka hampanao ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto. Ho solon’izany dia azonao atao ny mamela ny mpianatra hifantina safidy iray hianarana ao anatina vondrona kely maromaro.
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay sahirana amin’ny didy iray sarotra hankatoavina. Misafidiana iray amin’ireto safidy momba ny zavatra azo halalinina manaraka ireto ary tadiavo ireo fampianarana sy fahamarinana izay tianao hozaraina amin’ilay namanao.
Safidy 1: Tantara avy ao amin’ny soratra masina
Safidy 2: Tantara momba an’i Jesoa Kristy
Safidy 3: Fampianarana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (kiboky, 2022).
Rehefa avy nomena fotoana hamitana ny sahanasa fandalinana ny mpianatra dia omeo fahafahana hizara ny zavatra hitany izy ireo. Afaka mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:
Inona no nianaranao avy amin’ireo loharanom-pitaovana nianaranao izay afaka manampy antsika hankatò ireo didy izay sarotra tandremana?
Ahoana no nitahian’ny Tompo anao rehefa naneho finoana Azy ianao rehefa tsapanao hoe sarotra tandremana ireo didiny?
Omeo fotoana ny mpianatra hikatsahana fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa mieritreritra ny hampihatra ny zavatra nianarany eo amin’ny fiainany manokana izy ireo. Hevero ny hampiseho ity torolalana manaraka ity ary asao ny mpianatra hirakitra ny valin-teniny amin’izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na fandraisana an-tsoratra nomerika.
Mieritrereta didy iray izay mety ho sarotra aminao ny hankatò izany.
Fantaro hoe inona no maha sarotra an’io didy io.
Fantaro ny zavatra nianaranao androany izay afaka hanampy anao hankatò tsara kokoa io didy io.
Manaova drafitra izay hanampy anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hankatoavana io didy io.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12 . Ahoana no ahafahan’ny fahoriana mitondra fitahiana?
Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Ary ho rariny ianao raha hanontany tena hoe nahoana ilay Andriamanitra be fitiavana sy mahefan’ny zava-drehetra no mamela ny fisedrana antsika ety an-tany ho tena mafy tokoa. Izany no izy satria fantany fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahadiovana sy tanjaka ara-panahy isika vao afaka miaina eo anatrehany ao anaty fianakaviana mandrakizay. …
Ny fitahiana lehibe indrindra ho avy rehefa mampiseho isika fa mahatoky ao amin’ny fanekempihavanantsika mandritra ny fisedrana antsika dia ny fiovan’ny tenantsika. Amin’ny alalan’ny fisafidianantsika ny hitandrina ny fanekempihavanantsika dia afaka miasa ao amintsika ny herin’i Jesoa Kristy sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany. Azo alefahina ny fontsika ka hitia sy hamela ary hanasa ny hafa hanatona ny Mpamonjy. Hitombo ny fahatokiantsika ny Tompo. Ary hihena ny tahotra ao amintsika. (Henry B. Eyring, “Notsapaina, nosedraina ary notefena ,” Liahona , nôv. 2020, 97-98)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20 . Impiry Andriamanitra no mampiasa anjely mba hanampiana antsika?
Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Hatrany am-piandohana ka hatramin’ireo fotoampitantanana nifandimby, dia nampiasa anjely Andriamanitra ho irany hampita ny fitiavany sy ny fiahiany ny zanany. …
Matetika dia tsy hita maso ny anjely. Indraindray hita. Fa na hita na tsy hita dia eo akaiky eo foana izy ireo. Indraindray ny iraka ampanaovina azy dia misy lanjany lehibe ho an’izao tontolo izao manontolo. Indraindray izany ho an’ny olona iray manokana. Indraindray ny iraka nampanaovina an’ireo anjely dia ny hampitandrina. Fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny hampionona, hiahy amin’ny alalan’ny famindrampo, ary hitarika amin’ny fotoana sarotra. (Jeffrey R. Holland, “Ny anjara fanompoan’ny anjely ,” Liahona , nôv. 2008, 29)
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia hanome fiarovana ara-nofo sy ara-panahy. Ary tsarovy, ny anjely masin’ Andriamanitra dia ho eo foana hanampy antsika. Nanambara ny Tompo hoe: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 ]. Fampanantenana lehibe izany! Rehefa mahatoky isika, dia hanampy antsika Izy sy ny anjeliny. (Russell M. Nelson, “Hatreho am-pinoana ny ho avy ,” Liahona , mey 2011, 35)
Hevero ny hampiseho ilay horonan-tsary hoe “Mitondra fitahiana ny fankatoavana ” (3:26). Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hifantoka amin’ireo fitahiana nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) fa afaka ny ho azon’ireo izay mankatò ny didin’ny Tompo.
Aorian’ilay horonan-tsary dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba mety hahafahan’ny fisafidianana ny hampihatra finoana an’i Kristy hankatò ireo didy sarotra manampy antsika hanana toetra tahaka ny an’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy.
2:3
Hevero ny hampiseho takela-pamantarana misy soratra hoe “Mila mpilatsaka an-tsitrapo.” Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nonina tany Kirtland, Ohio, izy ireo tamin’ny febroary 1834 ary nasaina hanatrika fivoriana manokana mba hiresaka momba ny tolona natao tao Missouri.
21:29
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba azo hampiharana ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:27 eo amin’ny fiainan’izy ireo dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
Ho an’ny ankamaroantsika … dia tsy ny ho faty ho an’ny Fiangonana no takina amintsika fa ny hiaina ho an’izany. Ho an’ny maro, dia mety ho sarotra aza ny miaina fiainana tahaka ny an’i Kristy isan’andro raha oharina amin’ny famoizana ny ain’ny tena. (James E. Faust, “Être disciple ,” Liahona , nôv. 2006, 22)
Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe toy ny ahoana izany miaina ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izany. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia hevero ireto fanontaniana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ireto:
Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony? (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka ,” Liahona , nôv. 2020, 94)