Seminera
Lesona 118: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105: “Ny hitondrana azy ireo hatreto ho fizahan-toetra ny finoany”


“Lesona 118: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105: -Ny hitondrana azy ireo hatreto ho fizahan-toetra ny finoany,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 118: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105

“Ny hitondrana azy ireo hatreto ho fizahan-toetra ny finoany”

renirano fanjonoana any Missouri

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’ny Tobin’i Isiraely tao Missouri dia nanambara ny Tompo fa ny fanavotana an’i Ziona dia “tokony [hiandry] … mandritra ny fotoana fohy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9, 13). Vao avy nanao diabe maherin’ny 1280 kilaometatra ilay vondron’olona ary nanantena ny hanampy ireo Olomasina tao Missouri hitaky ireo taniny, no nahatsapa fa nosedraina tamin’ny alalan’ny torolalana nomen’ny Tompo ny hiverenan’izy ireo hody. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa ny hitoetra ho mahatoky amin’ Andriamanitra rehefa tsapaina ny finoan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

sary famantarana ny fanofanana Amporisiho ny fiomanana amin’ny traikefa fianarana. Raha te hianatra misimisy kokoa momba ny fanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny traikefa amin’ny fianarana dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Asao ny mpianatra hiomana hianatra” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Manaova fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao hoe “Mamoròna fanasana izay hanampy ny mpianatra hiomana amin’ny fianarana manaraka.”

Ity no fahatelo amin’ireo lesona telo mikasika ny zavatra niainan’ny Tobin’i Isiraely ao amin’ny herinandro ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105. Raha toa ka tsy nampianatra ny iray na izy roa tamin’ireo lesona teo aloha ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mampiditra ampahany amin’ireo lesona ireo ao anatin’ity lesona ity.

Fisedrana ny finoantsika

Mizarà rafi-tantara iray tahaka izao manaraka izao ary mifanakaloza hevitra momba ireo fanontaniana aorian’izay.

Raha ny fahatsiarovako azy dia tsindrin-daona ny hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ho an’ny Tompo Rahavavy Gonzalez. Nandritra ny asa fitoriana nataony dia niasa tamim-pahazotoana sy niantehitra tamin’ny Tompo izy. Na dia teo aza ireo ezaka ireo dia olona vitsy dia vitsy no hitan-dRahavavy Gonzalez sy ireo mpiara-mitory taminy hampianarina ary mbola vitsy kokoa aza ireo nanaiky ny fanasan’izy ireo hanatona an’i Kristy sy hatao batisa. Ny ankamaroan’ireo naman-dRahavavy Gonzalez izay nanao asa fitoriana dia toa nanampy olona maro kokoa hanaiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy raha noharina taminy.

  • Mety ho nalaim-panahy hisintona tsoan-kevitra ratsy toy ny ahoana momba ny asa fitoriany Rahavavy Gonzalez?

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny tsoan-kevitra nosintoniny raha toa ka mijery ny asa fitoriana nataony amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izy?

Hazavao fa mety hisy fotoana hahazoana vokatra hafa noho izany nandrasantsika avy amin’ny ezaka ataontsika hanara-dia ny Tompo. Asao ny mpianatra hizara ohatra sasantsasany amin’ireo karazana toe-javatra iainana ireo. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ity manaraka ity: miezaka mitandrina ny didy kanefa mahatsikaritra fa ny hafa izay tsy manara-dia an’ Andriamanitra dia toa tsara kokoa ny fiainany, mandalina ny soratra masina tsy tapaka kanefa tsy mahatsapa ho mahazo tombony akory, na miezaka ny miaina ny filazantsara kanefa miaina olana toy ny tebiteby na fahaketrahana.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fihetsik’izy ireo na ny mety ho fihetsik’izy ireo ao anatina toe-javatra tahaka ireo. Amporisiho izy ireo, rehefa mandalina, mba hitady fampianarana izay afaka manampy azy ireo rehefa miteraka vokatra tsy ampoizina ny ezaka ataony hanompoana sy hankatoavana ny Tompo.

Ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ny Tobin’i Israely

tobin’i Ziona

Alohan’ny hizarana ity famintinana manaraka ity dia omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny antsipirian-javatra izay tsaroan’izy ireo avy amin’ny lesona teo aloha momba ny Tobin’i Isiraely sy ny dian’izy ireo avy any Ohio nankany Missouri.

Rehefa avy nanao diabe efa ho fito herinandro sy niaina zava-tsarotra sy fahagagana ny Tobin’i Isiraely dia nanatona ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Maika ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy hahalala ny fomba hanavotana an’i Ziona ireo mpikambana tao amin’ilay toby. Ny fanavotana an’i Ziona, ho an’ny maro, dia nidika hoe famerenana ireo Olomasina avy ao Missouri tao amin’ny tranon’izy ireo. Tamin’ny 22 jona 1834, raha teo amin’ny dia tokony ho iray andro tsy hidirana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson no nisy azy ireo, dia nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 i Joseph Smith.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9, ka tadiavo ao izay nolazain’ny Tompo momba ny fanavotana an’i Ziona.

  • Raha toa ianao ka mpikambana tao amin’ny Tobin’i Isiraely, dia inona no mety ho tsapanao momba izany torolalana izany? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:10–14, 17–19, ka tadiavo ny antony nomen’ny Tompo fa tsy mbola hanavotana an’i Ziona tamin’izany fotoana izany.

  • Ahoana no hamintinanao amin’ny teninao manokana ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny andininy 19?

    Alohan’ny hiresahana momba ny fanontaniana manaraka dia ampahatsiahivo an’ny mpianatra ilay tantara momba an-dRahavavy Gonzalez sy ny ohatra nasehon’izy ireo manokana momba ny hoe rehefa tsy mifanaraka amin’ny zavatra nandrasantsika ny vokatra azo avy amin’ny fanarahana ny Tompo.

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy rehefa miatrika fisedrana ny finoantsika isika?

Afaka mizara fahamarinana isan-karazany amin’ny teniny manokana ireo mpianatra, ka tafiditra ao anatin’izany ny zavatra toy izao manaraka izao: Nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay mitoetra ho manetry tena sy mahatoky Aminy mandritra ny fisedrana ny finoany Andriamanitra.

Raha ilaina dia hazavao fa ny fizahan-toetra ny finoana dia mety ho fitsapana raha toa ka hisafidy ny hatoky sy hankatò ny Tompo isika na tsia na inona na inona toe-javatra misy.

Tonga aorian’ny fisedrana ny finoana ny fitahiana

Hazavao fa misy fahamarinana maro ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy antsika mandritra ny fisedrana ny finoantsika. Ny fitadidiana ireo fahamarinana ireo mandritra ny fotoan-tsarotra dia afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra.

Makà fotoana kely hitadiavana fampianarana avy amin’ny soratra masina na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy anao hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra rehefa sedraina ny finoanao. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny Isaia 55:8–9; Romana 8:28; Etera 12:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:2–3.

Alohan’ny hametrahana ny fanontaniana manaraka dia asao ny mpianatra hanoratra andian-teny iray izay hitany fa manan-danja manokana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa vita ny fanoratana andian-teny maromaro, dia manondroa andian-teny vitsivitsy, ary asao ireo mpianatra izay nanoratra izany mba hanazava ny antony maha-manan-danja amin’izy ireo ny andian-teny nofidiny.

  • Inona no hitanao fa afaka manampy anao hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra rehefa tsapaina na sedraina ny finoanao?

  • Inona avy ireo fitahiana sasany azonao na azon’olon-kafa noho ny fijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra mandritra ny fisedrana ny finoana?

Rehefa mieritreritra zavatra niainana ireo mpianatra dia zarao ny zavatra niainanao manokana. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hitady ohatra ana olona ao amin’ny soratra masina. Mety ho isan’ny ohatra i Abrahama (jereo ny Genesisy 22:1–18), i Gideôna (jereo ny Mpitsara 6:11–16; 7:2–9, 15–21), na i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 11:10–11).

Hazavao fa mpikambana maro tao amin’ny Tobin’i Isiraely ihany koa no nahatsapa fitahiana lehibe taorian’ny fandraisany anjara.

Ny Filoha Brigham Young (1801–77) izay niara-dia tamin’ny Tobin’i Isiraely, dia nitantara ny resadresaka nifanaovany taman’olona rehefa nody izy:

Ny Filoha Brigham Young

Rehefa niverina aho dia betsaka ireo namana izay nanontany ahy hoe inona no tombontsoa azo avy amin’ny fiantsoana lehilahy hiala amin’ny asa aman-draharahan’izy ireo mba handeha ho any Missouri ary avy eo hiverina, kanefa tsy nahavita na inona na inona akory raha ny fijery azy. Nanontany izy ireo hoe: “Iza no efa nahazo tombontsoa tamin’izany?” “Raha toa ka nandidy ny hanaovana izany ny Tompo, dia inona no tanjony tamin’ny fanaovana izany?” … Nilaza tamin’ireo rahalahy aho fa nahazo valisoa lehibe tokoa—valisoa nihoatra ny tokony ho izy—eny, tena lehibe tokoa ny valisoako niaraka tamin’ny fahafantarako fa efa nahazo tombony tokoa aho tamin’ny alalan’ny dia nataoko niaraka tamin’ny Mpaminany. (Brigham Young, “Discourse,” Deseret News,3 des. 1862, 177)

  • Inona avy ireo fitahiana izay tsapan’i Brigham Young fa voarainy vokatry ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Tobin’i Isiraely?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ohatra iray hafa momba ny tanjon’ Andriamanitra sy ny fitahiana ho an’ireo izay nanao diabe tamim-pahatokiana niaraka tamin’ny Tobin’i Isiraely, dia zarao ity famintinana manaraka ity. ChurchofJesusChrist.org

21:29

Ny fisedrana nandritra ny fotoana nisian’ny Tobin’i Ziona, tao anatin’ny fahendren’ny Tompo tonga lafatra, dia nanampy tamin’ny fanomanana mpitarika maro vaovao an’ny Fiangonana. Tamin’ny febroary 1835 dia nanangana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjy. Ny sivy tamin’ireo Apôstôly tany am-boalohany sy ireo Filoha fito tao amin’ny Fitopololahy ary ireo mpikambana telo amby enimpolo hafa rehetra tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy dia niara-nanao ilay diabe tamin’ny Tobin’i Isiraely tamin’ny 1834.

Eritrereto ny fiainanao

Omeo fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo nandritra ny lesona androany ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana azy ireo hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany izay afaka manampy rehefa miatrika ny fisedrana ny finoanao ianao?

Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny zavatra nosoratany. Ho famaranana ny lesona dia mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra androany.