Seminera
Lesona 117: Ny Tobin’i Isiraely: “Ny anjeliko no handeha hiakatra eo alohanareo”


“Lesona 117: Ny Tobin’i Isiraely: -Ny anjeliko no handeha hiakatra eo alohanareo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Ny Tobin’i Isiraely,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 117: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Ny Tobin’i Isiraely

“Ny anjeliko no handeha hiakatra eo alohanareo”

zavatra niainana tao amin’ny tobin’i Ziona

Nandao an’i Kirtland, Ohio, tamin’ny mey 1834 ny Tobin’i Isiraely mba hanomboka dia an-tongotra mihoatra ny 1280 kilaometatra. Na dia niatrika fahasarotana sy fahoriana maro aza ireo mpikambana tao amin’ilay toby teny an-dalany teny dia nahazo fitahiana maro ihany koa izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa Andriamanitra dia hiaraka amin’izy ireo ary hanampy azy ireo rehefa misafidy ny hanaraka Azy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity no lesona faharoa amin’ny lesona telo momba ny zavatra niainan’ny Tobin’i Isiraely izay nampianarina nandritra ny herinandro ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105. Raha tsy nampianatra ilay lesona teo aloha ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mampiditra ampahany avy amin’izany ao anatin’ity iray ity.

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fandalinana ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity ny lesona ka ifanakalozy hevitra ireo fanontaniana aorian’izany.

Namariparitra ny lalana izay mety hotakina amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

14:18
Loholona Jeffrey R. Holland

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, ny maha Kristianina dia mampionona kanefa matetika dia tsy mampahazo aina izany. Ny lalana mankany amin’ny fahamasinana sy ny fahasambarana eto sy aorian’izao fiainana izao dia sady lava no feno sakantsakana indraindray. Mitaky fotoana sy fikirizana ny fandehanana amin’izany. Kanefa mazava ho azy fa goavana ny valisoa azo vokatr’izany. (Jeffrey R. Holland, “Eo am-piandrasana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 116–117)

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba io teny nambara io?

    Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra mety haha sarotra ho azy ireo manokana ny fanarahan-dia ny Mpamonjy sy izay mety mahatonga na hahatonga izany ho mendrika ny ezaka ilaina amin’izany. Rehefa avy nieritreritra momba ny toe-javatra misy azy ireo manokana ny mpianatra dia miaraha mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no mety haha-sarotra ny fahatongavana ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny?

    Mety hizara hevitra toy izao ny mpianatra: ny fanarahan-dia ny Mpamonjy dia mety hitaky fotoana sy ezaka be, matetika ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy no takina mba hiavaka amin’izao tontolo izao, na indraindray ny mpanara-dia ny Mpamonjy dia enjehin’ny hafa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika hanaovana ny ezaka ilaina amin’izany ny fanarahana ny Mpamonjy?

Handalina ny dia nataon’ny Tobin’i Isiraely nanomboka tao Ohio ka hatrany Missouri ianao ato amin’ity lesona ity. Lavitra sy sarotra ary nitaky ezaka be ny dia nataon’izy ireo. Kanefa nahazo fitahiana lehibe koa ireo mpikambana tao amin’ilay toby teny an-dalana teny. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa hitanao fa sarotra izany mijoro ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izany.

Manomboka ny diany ny Tobin’i Isiraely

Asao ny mpianatra hizara izay tsaroan’izy ireo momba ny tanjon’ny Tobin’i Isiraely. Raha ilaina dia asehoy ity sarintany manaraka ity ary zarao na fintino ilay andian-pehezan-teny etsy ambany. ChurchofJesusChrist.org

21:29
tobin’i Ziona

Nanomboka ny diany izay nirefy 1280 kilaometatra mahery nankany Missouri ny mpikambana tao amin’ny Tobin’i Isiraely tamin’ny mey 1834. Andiany roa tao amin’ilay toby no niainga tamin’ny fotoana mitovy avy tao Kirtland, Ohio, sy avy ao Pontiac, Faritr’i Michigan. Tafahaona tao Missouri ihany ireo vondrona roa ireo taty aoriana. Nahitana olona teo ho eo amin’ny lehilahy 200 sy vehivavy 12 ary ankizy 10 ny Tobin’i Isiraely, izay fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Ziona taty aoriana. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanampy amin’ny famerenana ireo Olomasina tao Missouri tao amin’ny tanin’izy ireo izay nalaina tsy ara-drariny tamin’izy ireo.

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hianatra momba ireo zavatra sasantsasany niainan’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Isiraely nandritra ny dia nataon’izy ireo.

sary famantarana ny taratasy zarainaZarao ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Zavatra niainana tao amin’ny Tobin’i Isiraely.” Omeo fotoana ny mpianatra handalinana ny votoatin’ilay izy sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana avy ao amin’ilay taratasy zaraina.

Mba hahazoana lesona isan-karazany dia azonao atao ny manendry mpianatra telo izay manolo-tena hampianatra tsirairay ampahany iray avy ao amin’ilay taratasy zaraina. Afaka mampianatra eny aloha izy ireo na amin’ny toerana samy hafa ao amin’ny efitrano ary ireo vondrona kely kosa dia mihodinkodina mifandimby mankeo amin’izy ireo.

  • 21:29
  • 21:29
  • 21:29

Zavatra niainana tao amin’ny Tobin’i Isiraely

Zavatra niainana #1

Ny Loholona George A. Smith (1817–75) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara ireo toe-javatra sasany niainan’ireo izay tao amin’ny Tobin’i Isiraely nandritra ny dia nataon’izy ireo:

Loholona George Albert Smith

Niaritra ny havizanana rehetra nandritra ilay dia manontolo ny Mpaminany Joseph. Ankoatra ny fikarakarana mba hamatsy izay ilain’ilay Toby sy ny fiahiana izany dia nandeha an-tongotra izy ny ankamaroan’ny fotoana ary niaritra tongotra miempaka sy nandeha rà ary nanaintaina, izay vokatra voajanahary avy amin’ny fandehanana an-tongotra 40 ka hatramin’ny 60 kilaometatra isan’andro nandritra ny vanim-potoana nafana. Kanefa nandritra ilay dia manontolo dia tsy nahenoana fimonomononana na fitarainana mihitsy ny vavany, raha ny ankamaroan’ireo lehilahy tao amin’ny Toby kosa dia nitaraina taminy noho ny ratsan-tongotra marary, tongotra miempaka, dia lavitra loatra, vatsy tsizarizary, mofo ratsy kalitao, mofo katsaka ratsy, dibera nivadika, tantely mahery loatra, hena sy frômazy feno olitra, sns. … Kanefa Tobin’i Ziona izahay ary ny ankamaroanay dia tsy nivavaka, tsy nieritreritra, tsy niraharaha, tsy ampy fifantohana, adaladala na devoly toetra, kanefa tsy fantatray izany. Tsy maintsy niaritra niaraka taminay i Joseph ary nampianatra anay tahaka ny ankizy. Maro anefa ireo tao amin’ilay Toby no tsy nimenomenana mihitsy fa vonona foana ny hanao araka ny nirin’ireo mpitarika. (George A. Smith, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 287–88)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no samy hafa ny fomba fihetsik’ireo mpikambana tao amin’ilay toby tao anatin’ny toe-javatra niainana mitovy ihany?

  • Inona no afaka manampy antsika hanana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara hatrany rehefa miaina zava-tsarotra isika eo am-piezahantsika manaraka ny Mpamonjy?


Zavatra niainana #2

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20 sy ity teny nambara manaraka nolazain’ny Filoha Heber C. Kimball (1801–68) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha Heber C. Kimball

Na dia nandefa fampitahorana hanao herisetra hatrany aza ireo fahavalonay dia tsy natahotra izahay, na koa nisalasala tamin’ny fanohizana ny dianay, satria niaraka taminay Andriamanitra, ary nandeha teo anoloanay ireo anjeliny, ary tsy nihozongozona ny finoan’ilay vondrona kelinay. Fantatray fa anjely no namana niaraka taminay satria hitanay izy ireo. (Heber C. Kimball, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 288–89)

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’io fitahiana io taminao raha toa ka isan’ny tao amin’ny Tobin’i Isiraely ianao?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany anampian’ny Tompo ireo mpanara-dia Azy hanao zava-tsarotra amin’izao fotoana izao?


Zavatra niainana #3

Rehefa nandeha iray andro monja ny Tobin’i Isiraely avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson dia nisy lehilahy dimy nitondra fitaovam-piadiana nanatona azy ireo. Nirehareha ireo lehilahy fa nisy lehilahy telonjato mahery hafa no efa an-dalana hanafika ny toby. Rehefa nifanakalo hevitra momba ny zavatra tokony hatao ireo mpikambana tao amin’ilay toby dia nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Mitonia dia jereo ny famonjen’ Andriamanitra.”

Roapolo minitra taorian’izay, dia nisy oram-baratra lehibe nivatravatra nanerana ny toby. Nampiakatra be ny ranon’ny renirano iray teo akaiky teo ilay oram-baratra ka nanakana ny fahavalon’izy ireo tsy hiampita sy hanafika. Mpikambana maro tao amin’ny Tobin’i Isiraely no nahazo fialofana tao amin’ny fiangonana kely iray teo akaiky teo. Fotoana fohy taorian’izay, dia niditra tao amin’ny fiangonana i Joseph Smith izay kotsan’ny orana ary nihiaka hoe: “Ao anatin’ity oram-baratra ity Andriamanitra!”

Ny maraina taorian’ilay oram-baratra dia hitan’ireo mpikambana tao amin’ilay toby fa kotsa sy niparitaka ny tranolainy sy ny kojakojany, saingy tsy nisy lehilahy nanafika (notsongaina sy nofintinina avy tao amin’ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 203–04).

  • Raha toa ianao ka isan’ny Tobin’i Isiraely dia inona no mety ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany tamin’ny fahatsapanao momba ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Inona no azon’io zavatra niainana iray io ampianarina anao momba an’ Andriamanitra mandritra ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainanao?

Asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany avy amin’ity sahanasa fandalinana ity amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao.

  • Inona no nanan-danja taminao rehefa nandalina ny sasany tamin’ireo zavatra niainan’ny Tobin’i Isiraely ianao?

  • Inona no fahamarinana azonao ianarana momba ny Tompo avy amin’ireo zavatra niainana ireo?

Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Homba antsika Andriamanitra ary hanampy antsika rehefa miezaka ny hanara-dia Azy isika.

Mampitombo fahatakarana

Makà fotoana kely hitadiavana sy handalinana soratra masina iray na maromaro izay mampianatra momba ny fanirian’Andriamanitra hiaraka amintsika sy hanampy antsika eo amin’ny fiainantsika. Azonao atao ny misafidy ny soratra masinao manokana na misafidy vitsivitsy avy amin’ity lisitra manaraka ity:

  • Inona no nanan-danja taminao avy tamin’ireo soratra masina nohalalininao? Nahoana?

  • Inona no hitanao fa afaka manampy olona iray izay mahita fa sarotra ny manara-dia an’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay noresahinareo ary amporisiho ny mpianatra hanao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy izay mety noraisin’izy ireo.