“Lesona 114: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–42: -Na dia eo aza ny fahotany, dia feno fangorahana aminy ny kiboko,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–42,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 114: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101
“Na dia eo aza ny fahotany, dia feno fangorahana aminy ny kiboko”
Ireo Olomasina tao Missouri dia sahirana tsy dia nahavita niaina tamim-pahamarinana araka ny nandidian’ny Tompo. Vokatr’izany dia nafoin’izy ireo ny ampahany lehibe tamin’ny hery sy ny fiarovan’ny Tompo ary noroahin’ireo fahavalony hiala ny tranony izy ireo. Na dia teo aza izany dia nomen’ny Tompo antoka ny amin’ny fitiavany sy ny fangorahany ho azy ireo izy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fangorahana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy ho azy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Asehoy ity sary manaraka ity ary anontanio ireo mpianatra ireo karazana antony mety mahatonga ilay zatovovavy ho sorena. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny valin-teny omen’ny mpianatra.
Rehefa ampy tsara ny fotoana nomena dia zarao amin’ny mpianatra fa ireo fitsapana iainantsika dia tonga noho ny antony maro samihafa. Ny sasany amin’izany dia ahitana ny safidintsika manokana, ampahany voajanahary amin’ny fiainana, na ireo safidy ratsy ataon’ny hafa. Tanisao ao amin’ny ampahany iray hafa amin’ny solaitrabe ireo sokajy telo ireo ary avelao ny mpianatra hanivana ireo antony notanisain’izy ireo tao anatin’ireo sokajy tsirairay.
Azonao atao ny miresaka ilay teny nambara ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” hita ao amin’ny lahatsoratra Lohahevitra sy Fanontaniana hoe “Fahoriana ” mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa momba ireo antony telo mahatonga ny fijaliana ireo.
Ny valin-teny nomen’ny Tompo ireo Olomasina izay nijaly
Azonao atao ny mamaky na mamintina ity fampahalalana araka ny sahan-kevitra manaraka ity amin’ny teninao manokana.
Tamin’ny 1833 dia lasa nahery vaika ny fanoherana tao Missouri raha nanomboka nampiasa hery ireo mpihetraketraka mba handroahana ireo Olomasina hiala tao Independence. Nisalasala ny Olomasina raha toa izy ireo ka tokony tsy hanaiky ny handeha handositra rehefa nihanangatsiaka ny toetr’andro ary nitombo ny tsy fifankahazoana. Tao Kirtland Ohio ny Mpaminany Joseph Smith tamin’io fotoana io fa nomena vaovao mikasika ny toe-javatra niainan’ireo Olomasina izy. Rehefa nahafantatra ny fanaintainana sy ny fahorian’izy ireo ny Mpaminany dia nivavaka mba hangataka amin’ny Ray any An-danitra raha toa ka afaka niverina tany amin’ny tranony tao Missouri izy ireo. Nandray fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 izy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–2 , ka tadiavo hoe nahoana ny Tompo no namela ny Olomasina hijaly tahaka izany.
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ankoatra ny fijaliana noho ny fandikan-dalàna dia niaritra ny vokatry ny safidy ratsy nataon’ny hafa (mpihetraketraka) sy ny ampahany voajanahary amin’ny fiainana (ny hatsiakan’ny ririnina) ireo Olomasina.
Azonao zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra amin’ity sahanasa manaraka ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ireo andininy ka ny iray amin’ireo mpianatra mpiara-miasa dia mitady ireo zavatra izay mety ho sarotra norenesina ary ny iray kosa mitady ireo zavatra izay mety ho nitondra fampiononana.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:3–9 , ka tadiavo ireo zavatra mety ho nitondra fampiononana sy ireo zavatra sarotra norenesina.
Inona no hitanao?
Ahoana no fahitan’ny Tompo ireo izay nanota araka ny andininy 3 sy 9 ?
Afaka mamantatra fahamarinana ny mpianatra, anisan’izany ny hoe na dia rehefa manota aza isika dia manolotra fangorahana sy famindram-po ho antsika ny Tompo .
Ampio ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba hanampian’io fitsipika io antsika hibanjina ny Tompo amin’izao androntsika izao. Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto.
Inona no ianaranao momba ny Tompo rehefa manolotra fangorahana sy famindram-po ho antsika Izy rehefa manota isika fa tsy hoe tsy miraharaha izany fotsiny?
Nahoana araka ny hevitrao no mahavita manana fangorahana sy famindram-po i Jesoa Kristy manoloana ireo fahotantsika?
Amporisihin’ny toetran’i Kristy
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny antony hilàn’izy ireo manokana ny fangorahana sy famindram-pon’ny Mpamonjy. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba hitahian’ny fandraisana ny fangorahana sy famindram-pon’i Jesoa Kristy ny fiainan’izy ireo.
Omeo fahafahana hifanakalo hevitra mombana lohahevitra ao amin’ny filazantsara ny mpianatra. Ity sahanasa manaraka ity dia mamporisika ny mpianatra handalina ary avy eo hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay ianaran’izy ireo. Raha te hahazo fampiofanana misimisy kokoa mikasika ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany ,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra . Ampiharo ilay fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hifampizara ny zavatra ianaran’izy ireo.
Azonao zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao izy ireo hamaky ireto teny nambara sy andinin-tsoratra masina eto ambany ireto. Afaka mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana izy ireo avy eo.
Vakio ity teny nambara sy andinin-tsoratra masina manaraka ity ka tadiavo ny zavatra ianaranao momba ny toetran’i Jesoa Kristy izay afaka manampy olona iray nanota.
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
13:12
I Kristy dia afaka mahita mazava tsara ny lafy rehetra amin’ny toe-javatra iray, tsy tahaka ahy sy ianao. Eny fa na dia fantany avokoa aza ny fahalementsika rehetra dia tsy mba manameloka be fahatany antsika ny Mpamonjy fa manohy miara-miasa miandalana amintsika amim-pangorahana. (Ulisses Soares, “Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy ,” Liahona , nôv. 2021, 15)
Hebreo 4:14–16
Mizarà zavatra niainana manokana momba ny fomba nitahiana anao tamin’ny fangorahana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra izay vonona mba hizara ihany koa ny zavatra niainany. Tsarovy fa na ianao na ny mpianatra dia tsy tokony hizara zavatra niainana izay mahakasika be loatra ny tena manokana na mibaboka fahotana natao taloha.
Zarao amin’ny mpianatra fa ireo Olomasina tao Missouri dia nanantena hanangana an’i Ziona tao Independence saingy noterena hiala tao. Na dia tsy azon’ireo mpianatra an-tsaina loatra aza ny atao hoe mamoy an’i Ziona dia mety hahatsapa izy ireo fa namoy zavatra hafa sarobidy na masina aminy toy ny namana na fahafahana hivoatra ara-panahy. Asao izy ireo hamaky ireto andininy manaraka ireto ka hieritreritra momba ny zavatra ampianarin’izany momba ny Mpamonjy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16–19 , ka tadiavo ireo fampiononana sy fomba fijery vaovao izay atolotry ny Tompo.
Manampy anao hahatakatra inona momba ny fomba fijerin’ny Mpamonjy ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Inona no nampianarin’ny Tompo momba an’i Ziona izay azontsika ampifandraisana amin’ny fiainantsika ankehitriny?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ireo olana sy safidin’izy ireo manokana. Azon’izy ireo valiana ao amin’ny diary fandalinany ireto fanontaniana manaraka ireto.
Andininy inona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–19 no tianao hotadidiana?
Inona no tsapanao momba ny fangorahana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy izay afaka ny ho fitahiana eo amin’ny fiainanao?
Inona no dingana azonao atao mba hampiharana ny zavatra tsapanao?
“Avy amin’ny loharano maro samihafa ny fahoriana. Ny fitsapana dia mety ho tonga vokatry ny avonavona sy tsy fankatoavan’ny olona iray manokana. Azo sorohina amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana ireo fitsapana ireo. Ireo fitsapana hafa dia ampahany voajanahary eo amin’ny fiainana tsotra izao ary mety hitranga indraindray rehefa iny miaina amim-pahamarinana iny ny olona. Ohatra, mety hiaina fitsapana ny olona amin’ny fotoan’ny aretina na tebiteby na amin’ny fotoam-pahafatesan’ny olona akaikin’ny fo. Mety hitranga ny fahoriana indraindray vokatry ny safidy ratsy sy ny teny ary ny fihetsika mandratra ataon’ny hafa” (Lohahevitra sy Fanontaniana, “Fahoriana ,” topics.ChurchofJesusChrist.org ).
Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
15:23
Saingy na dia tara tahaka ny ahoana aza ny fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka tahaka ny inona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao, na dia firy aza ireo talenta izay heverinao fa tsy anananao, na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy. (Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka ,” Liahona , mey 2012, 33)
Ny Loholona C. Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:
2:3
I Jesoa Kristy no Ilay Mpanasitrana Lehibe ny fanahintsika. Ankoatra ireo fahotan’ny fahaverezana, dia tsy misy fahotana na fandikan-dalàna, na fanaintainana, na fahoriana, izay tsy sitran’ny Sorompanavotany.
Rehefa manota isika, dia lazain’i Satana hoe very. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Mpanavotra antsika dia manolotra fanavotana ho an’ny rehetra—na inona na inona hadisoana vitantsika—na dia izaho sy ianao io aza. (C. Scott Grow, “Ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana ,” Liahona , mey 2011, 109)
Nandritra ny fampitana iray ho an’ny zatovo dia nizara ity ohatra iray manaraka momba ny zatovo izay nahatsapa ho tsy mendrika ny fitiavan’ Andriamanitra ity ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
59:34
Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’ Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’ Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika. (D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko ,” Liahona , mey 2011, 98)
Mialoha ny nandroahana ny Olomasina hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nahazo fampitandremana maro izy ireo fa hiaritra fahoriana raha toa ka tsy mibebaka. Ohatra, tamin’ny janoary 1833 dia nanafay an’i William W. Phelps sy i Sidney Gilbert i Joseph Smith mombana taratasy izay nosoratan’izy ireo izay nahitana fitsikerana sy zava-dratsy. Nanoratra taratasy ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Missouri i Orson Hyde sy i Hyrum Smith nampitandrina azy ireo mombana “endrikendrika ratsy sy maizina ary & an-jambany” izay nolazaina momba ny Mpaminany Joseph Smith. Noho ireo fandikan-dalàna ireo sy ny maro hafa dia nampitandrina ireo Olomasina tao Missouri i Orson Hyde sy i Hyrum Smith fa hisy “kapoka & fitsarana” hihatra amin’izy ireo (The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 2: July 1831–January 1833 , ed. Matthew C. Godfrey sy olona hafa [2013], 367, 373–74).
Raha tsapanao fa mety hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fahamarinana izay hitany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:3–9 ny rafi-tantara kely iray, dia afaka mampiasa rafi-tantara tahaka ity manaraka ity ianao:
Zatovovavy iray izay tsy dia nandray anjara firy tao amin’ny Fiangonana na ny filazantsara nandritra ny taona maro i Grace. Nandritra io fotoana io dia nanao safidy maro izay tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy izy. Ireo safidy ireo dia nahatonga azy hahatsapa ho lavitry ny Fiangonana sy ireo zatovo mitovy taona aminy. Ny fahitany an’i Jesoa Kristy dia hoe olona iray tonga lafatra izay tsy manaiky ny safidy nataony. Mahazo aina kokoa izy rehefa tsy miraharaha ireo zavatra ara-pivavahana sy fanontaniana ananany eo amin’ny fiainany. Mahatsapa ihany koa izy fa tsy nahay nanararaotra ireo fotoana nahafahany nianatra sy nivoatra tahaka ireo zatovo hafa mitovy taona aminy nandritra ny fotoana ela tsy naha teo azy.
Inona avy amin’ny zavatra nianaranao na tsapanao androany no mety hahasoa an’i Grace ny hahatakarany azy?
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarantsika ny fangorahana sy famindram-pon’i Jesoa Kristy amin’ny fahazotoantsika hibebaka?
Inona no fijoroana ho vavolombelona na zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao manokana izay azonao zaraina amin’i Grace momba ny fangorahana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy?
Mety hanome hevitra ny mpianatra ny mianatra momba ireo toe-javatra iainana mandritra ny Arivotaona.
Azonao atao ny manazava fa tao anatin’ny fampiononana nomeny ireo Olomasina dia nizara fomba fijery mivelatra momba an’i Ziona sy ny fanangonana ary ireo fitahiana ho an’ireo Olomasina ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16–19 ). Novelabelarin’ny Tompo misimisy kokoa izany fomba fijery izany rehefa nampianatra ireo Olomasina momba ny Arivotaona Izy izay ho avy aorian’ny fananganana an’i Ziona sy ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:20–23 ).
Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:27–35 , ka tadiavo ny zavatra nambaran’ny Tompo fa hitranga mandritra ny Arivotaona. Azonao anontaniana ny mpianatra ny zavatra nianarany ka mampientanentana azy. Afaka manasa ny mpianatra hametraka ny fanontaniana izay ananany momba ireo andininy ireo ianao. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ao amin’ny soratra masin’izy ireo fa ireo andininy ireo dia miresaka momba ny Arivotaona.
Azonao asaina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36–38 ny mpianatra avy eo ary hizara ny fomba hanampian’ireo andininy ireo azy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–41 (jereo koa ny Matio 5:13 ), dia azonao atao ny manontany azy ireo ny antony ilàna ny sira. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny sira dia manatsara ny tsiron-tsakafo sy mitahiry sakafo ary manasitrana. Asao izy ireo hamaky ny andininy 39–40 , ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny olona sy ny sira.
Zarao ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Carlos E. Asay (1926–1999) ity: “Nilaza tamiko ny simista iray fanta-daza maneran-tany fa ny sira dia tsy ho very tsiro na mandroso aza ny taona. Ny fampifangaroana azy sy ny fahatafidiran’ny loto no maha-very ny tsiro” (Carlos E. Asay, “Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men ,” Ensign , May 1980, 42). Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:
Ahoana no ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy ho tonga toy ny sira ho an’ireo olona eto an-tany?
Ahoana no azo ampitahana ity fanoharana ity amin’ireo Olomasina tao Missouri?
Ahoana no ahafahan’ny vahoakan’ny Tompo mitahiry ny tsiron’izy ireo amin’izao fotoana izao?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:41–42 , ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo fa tokony hitranga mba hahafahan’ireo Olomasina mahazo indray ny tsiron’izy ireo. Omeo fahafahana hizara ny mpianatra ary ampio izy ireo hahatakatra fa ny Tompo dia maniry ny Olomasiny ho voadio amin’ny alalan’ny famaizana sy ny fanetren’izy ireo tena eo anoloany.