Seminera
Lesona 205: Fanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana: Mandeha any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainantsika


“Lesona 205: Fanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana: Mandeha any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainantsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 205: Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Fanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana

Mandeha any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainantsika

mpikambana mandao ny tempoly

Miaina ao anatin’ny fotoana mampientanentana amin’ny fanorenana tempoly mbola tsy nisy toy izany isika. Ataon’ny Tompo mora azo kokoa noho ny hatramin’izay ireo fitahian’ny tranony masina. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fandaniana fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly

Ampiasaina mandritra ity lesona ity ny fandalinana tranga iray mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly mitahy azy ireo mandritra ny fiainany. Asao ny mpianatra hieritreritra ny fiainany rehefa mandinika ilay tranga izy ireo. Ampifanaraho araka izay ilaina ilay fandalinana tranga mba hahatonga izany ho takatry ny mpianatrao. Ny fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hanolo izay ao anaty fonon-teny amin’ny zavatra izay tena mety ho an’ireo mpianatra.

I (Joses) dia (enina ambin’ny folo taona). Efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny (dimy taona) izy. Efa niaina zavatra maro ara-panahy izy saingy te hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. I (Joses) indraindray dia mahatsapa (ho vesaran’ilay hoe tsy maintsy mahomby any an-tsekoly). Mampiahiahy azy (ny hoaviny sy ny fomba hiainana amim-pahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana).

  • Alaivo sary an-tsaina hoe nangataka torohevitra taminao momba ny iray amin’ireo olany i (Joses). Nahoana no mety ho torohevitra hanampy ny fitsaohana ny Tompo ao amin’ny tempoliny?

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny fanampiana omen’ny Tompo antsika:

Filoha Russell M. Nelson

Aoka isika tsy hanadino velively ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao fotoana izao. Manao izay hisian’ny tempoly maro kokoa Izy. Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy. Ataony ihany koa izay hampamora ny hahalasa antsika ho tsaratsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampanantena aho fa ny fandaniana fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy ho vitan’ny zavatra hafa. …

Ry rahalahy sy anabavy malalako, enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly amin’ny fomba izay tsy mbola nataonareo hatrizay. Mitsodrano anareo aho mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isan’andro. (Russell M. Nelson, “Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022, 121)

  • Inona no manaitra anao ao amin’io teny nambara io?

  • Inona no fampanantenana nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny?

    Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fahamarinana iray toy izao manaraka izao: Mampanantena ny hitahy antsika ny Tompo amin’ny fomba izay tsy ho tsapantsika afa-tsy amin’ny fampitomboana ny fotoana lanintsika any amin’ny tempoliny.

    Raha toa ka voafetra ny fahafahan’ny mpianatrao mankany amin’ny tempoly dia azonao atao ny miresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo mifantoka amin’ny tempoly. Ohatra, afaka miezaka ny ho mendrika ny hiditra ny tempoly sy handray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ny mpianatra.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fandaniana fotoana bebe kokoa ao amin’ny tempolin’ny Tompo mitahy antsika amin’ny fomba izay tsy vitan’ny zavatra hafa ?

    Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanaovana fandinihan-tena. Afaka mandray soa avy amin’ny fanoratana ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra. Afaka mizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy ny mpianatra izay vonona.

  • Mety ho toy ny ahoana ny fahafahanao handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainanao? Nahoana?

  • Inona avy ireo sakana mety hilainao resena mba handehanana any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainanao?

Ireo fitahiana nampanantenaina

Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hampitombo ny faniriany hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoliny. Fomba iray ahafahana manao izany ny manampy ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana maro avy amin’ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoliny. Azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany ao amin’ireto soratra masina sy teny nambara manaraka ireto.

Vakio ireto soratra masina sy teny nambara manaraka ireto ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mitsaoka Azy ao amin’ny tranony:

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Filoha Russell M. Nelson

Mba manokàna fotoana ho an’ny Tompo ao amin’ny tranony masina. Tsy hisy zavatra izay hanamafy ny fototra ara-panahinao toy ny fanompoana sy ny fitsaohana ao amin’ny tempoly. (Russell M. Nelson, “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2021, 121)

Miangavy anareo aho hino ahy fa rehefa miteny aho hoe rehefa ny fototra ara-panahinareo no miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy dia tsy mila matahotra ianareo. Rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly ianareo dia hampatanjahan’ny heriny. Avy eo rehefa mitranga ireo horohoron-tany, dia ho afaka ny hijoro tsy hikoa ianareo satria mafy orina sy tsy voahozongozona ny fototra ara-panahinareo. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 96)

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

18:1
Filoha Henry B. Eyring

Tanora maro no nahita fa ny fanolorana ny fotoanany hanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly dia nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny drafitry ny famonjena. Nampitombo ny fitaoman’ny Fanahy teo amin’ny fiainan’izy ireo izany ary nampihena ny fitaoman’ny fahavalo. Nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny fianakaviany sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo izany. Nianatra izy ireo fa tsy mamonjy ny maty fotsiny io asa io, fa mamonjy antsika rehetra ihany koa (jereo ny F&F 128:18). (Henry B. Eyring, “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 22)

  • Inona no ampianarin’ireo fitahiana ireo anao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao tamin’ny fandraisanao anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana?

  • Ahoana no mety hanosehan’ireo fitahiana ireo anao hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao? Mandritra ny androm-piainanao?

Fitsaohana any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainantsika

Ity tranga manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainan’izy ireo. Mandritra ilay fandalinana tranga dia amporisiho ireo mpianatra hieritreritra momba ny hoaviny sy ny fomba ahafahan’izy ireo mitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainany.

Azonao atao ny mampiasa karazana fandalinana isan-karazany amin’ny ampahany samihafa amin’ilay tranga. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ireo ampahany ireo miaraka amin’ny iray kilasy, sy mandalina izany samirery, ary ao anaty vondrona.

Aorian’ny fizarana tsirairay dia miatoa mba hifanakalozana hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fialan-tsiny azon’i (Joses) sy i (Isabel) lazaina mba tsy hanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho laharam-pahamehana?

  • Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fitsaohana ny Tompo ao an-tranony afaka manampy an’i (Joses) sy i (Isabel)?

  • Inona avy ireo karazana fahafoizan-tena mety hilain’i (Joses) sy i (Isabel) atao mba hitsaohana tsy tapaka ny Tompo ao amin’ny tempoly?

Faha-20 taona

Rehefa niverina nody avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno i (Joses) dia nikatsaka ny hanohy ny fianarany any amin’ny (sekoly fianarana varotra eo an-toerana). Rehefa (nanatrika institiota) izy dia nihaona tamin’ny zatovovavy iray antsoina hoe (Isabel), ary nivady izy ireo. Rehefa avy nahazo diplaoma i (Joses) (dia nanomboka ny orinasany manokana). Manahy izy (mikasika ny famelomana ny fianakaviany). Nanorina fianakaviana izy sy i (Isabel) ary nahazo zanaka (telo) tsara tarehy. I (Joses) sy i (Isabel) dia manao izay azony atao mba hitantanana ny fotoanany ho an’ny fianakaviany, (ny orinasany), ary ny antso ao amin’ny Fiangonana. (Naratra mafy tamin’ny loza iray) ny iray tamin’ireo zanany izay (efa-taona).

Faha-30 taona

I (Joses) sy i (Isabela) dia niasa mafy mba hamelomana ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny (fandraharahana ny orinasan’izy ireo). Miatrika ny fanamby amin’ny fitaizana ny zanany sy ny fanampiana azy ireo (mba hahazo manokana ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy) izy mivady. I (Joses) dia miezaka ny mampifandanja ny fotoana iarahany amin’ny fianakaviany, sy ny fotoana atokany ho an’ny (orinasany) ary ny fotoana atokany ho an’ny antsony amin’ny maha-(mpanoro hevitra azy ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra). I Isabel dia (filohan’ny Kilonga), sy miezaka manampy (amin’ny fampandehanana ny orinasan’ny fianakaviana), ary miezaka ny ho eo ho an’ireo zanany.

Faha-60 taona no ho miakatra

Ireo zanak’i (Joses) sy i Isabel dia (samy manana ny fianakavian’izy ireo manokana). I (Joses) sy i (Isabela) dia tia ny fianakaviany kanefa mbola manahy ihany momba ny (fanarahan’ny zafikelin’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fandraisany fanapahan-kevitra tsara). Noho ny fitomboan’ny taona, dia (lasa marefo kokoa ny fahasalaman’i Joses).

Hevero ny hamaky ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay mamaly ilay fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahantsika manao ho laharam-pahamehana ny fitsaohana any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao sy any aoriana?” Ifanakalozy hevitra ny fomba iantefan’ilay teny nambara eo amin’ny fandalinana ilay tranga sy eo amin’ny fiainantsika manokana.

Taratasy ho an’ny tenanao

Asao ny mpianatra hanoratra taratasy famporisihana ho an’ny tenany rehefa any aoriana any momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo ao amin’ny tempoliny. Afaka manoratra daty hanokafana ilay taratasy eo amin’ny valopy ny mpianatra ary mitahiry ilay taratasy ao anatin’io valopy io mba hosokafana amin’io daty io.

Azon’izy ireo atao ny manoratra momba ireto:

  • Ny zavatra iainan’izy ireo ankehitriny any amin’ny tempoly.

  • Ny ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Ny ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ireo fomba ahafahan’izy ireo manao ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao sy any aoriana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra mba handray andraikitra eo anatrehan’izay bitsika mety ho azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina sy hanoratra mikasika ireo eritreritra hafa izay ananan’izy ireo.