Seminera
Lesona 206: Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly: Afaka manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana


“Lesona 206: Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly: Afaka manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 206: Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly

Afaka manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana

zatovo any amin’ny tempoly

Ao anatin’ilay fanomezana, na fanafiana masina, izay azontsika raisina avy amin’ny Tompo ao amin’ny tempoliny, dia manao fanekempihavanana masina isika. Iray amin’ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Ray any An-danitra ny fitandremana ny lalàn’ny fanokanana. Ireo mpikambana nandray ny fanafiana masina dia nampanantena hanokana ny fotoanany sy ny talentany ary ireo fitahiana hafa izay raisin’izy ireo amin’ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny lalàna masin’ny fanokanana, izay anaovantsika fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly fa hankatoavintsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Manaraka ny fomba fahandroan-tsakafo iray

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mampahafantatra ireo fanekempihavanana ataontsika ao anatin’ny ôrdônansin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary mifantoka amin’ny lalàn’ny fanokanana. Miresaka momba ireo lalàna hafa ireo taranja ao amin’ny kilasin’ny seminera hafa.

Asao ny mpianatra hikaroka fomba fahandroan-tsakafo iray izay mety ho tian’izy ireo hohanina. Amporisiho izy ireo hitady sary miaraka amin’izany izay mampiseho ny vokatry ny fanarahana ilay fomba fahandroan-tsakafo. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanao fikarohana sy hanao tatitra ao anaty vondrona kely maromaro. Raha toa ka tsy afaka mijery ireo fomba fahandroan-tsakafo sy ireo sary miaraka amin’izany ao an-dakilasy ireo mpianatra dia azonao atao ny mampiseho ity sary manaraka ity ary anontanio ny mpianatra hoe ahoana no ahafahan’ny fahitana ny vokatra farany avy amin’izany manosika azy ireo hanaraka ilay fomba fahandroan-tsakafo.

mofomamy misy crème
  • Inona no nataonao tamin’ny alalan’ny fampiasana fomba fahandroan-tsakafo iray?

  • Afaka manampy amin’ny fomba ahoana ny fananana sary na horonan-tsary miaraka amin’ilay fomba fahandroan-tsakafo?

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly masina isika

Toy ny sary na horonan-tsary ahitana sakafo efa vita, ny fahafantarana ny vokatra irina ho azo avy amin’ny fandraisana ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia mety hanampy. Ao anatin’ny ôrdônansin’ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika mba hankatò lalàna dimy samy hafa. Ny fanarahana ireo lalàna ireo dia toy ny fanarahana ny dingana manan-danja tsirairay amin’ny fomba fahandroan-tsakafo iray. Ireo lalàna izay anaovantsika fanekempihavanana fa hankatoavintsika any amin’ny tempoly dia manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa ary afaka manomana antsika hiara-hiaina Aminy any amin’ny fanjakana selestialy.

Hevero ny hanoratra ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe (avelao ao anaty fonon-teny ireo teny) ary angataho ny mpianatra hanoratra ny tsirairay amin’ireo lalàna izay nanaovantsika fanekempihavanana fa hotandremantsika rehefa mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia azonao atao ny mitarika azy ireo ho any amin’ny 27.2, “Ny fanafiana masina,” ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  1. Ny lalàn’ny (fankatoavana)

  2. Ny lalàn’ny (fahafoizana)

  3. Ny lalàn’ny (filazantsaran’i Jesoa Kristy)

  4. Ny lalàn’ny (fahadiovam-pitondrantena)

  5. Ny lalàn’ny (fanokanana)

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ao anatin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika fa hiaina ny lalàn’ny fanokanana.

    Mety ho efa nianatra momba ny lalàn’ny fanokanana ireo mpianatra nandritra ny lesona teo aloha. (Jereo ny “Lesona 57: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39: Natokana ho an’ny Tompo”)

    Asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba io lalàna io. Ny fanombanana ny fahalalana efa ananan’ireo mpianatra dia afaka manampy anao hahafantatra izay tokony hanampy ireo mpianatra mba hifantoka mandritra ny lesona. Azonao atao indray ny mametraka ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo any amin’ny faran’ny lesona mba hanampiana ireo mpianatra hilaza ny zavatra nianarany.

    • Inona no fantatrareo momba ny lalàn’ny fanokanana?

    • Inona ireo fanontaniana mbola anananareo momba ny lalàn’ny fanokanana?

Amporisiho ireo mpianatra hikatsaka fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahatakatra ny lalàn’ny fanokanana sy ny fomba ahafahan’ny fiomanana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly mitahy azy ireo.

Sary famantarana ny taratasy zarainaOmeo ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra ary asao izy ireo mba hitady ny atao hoe lalàn’ny fanokanana sy ny fomba hanampian’ny fiainana izany lalàna izany antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fanokanana

Nanazava izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona D. Todd Christofferson

Ny lalàn’ny fanokanana napetraky ny Tompo (jereo ohatra ny F&F 42:32, 53) … dia manana anjara asa ara-toekarena, fa ankoatra izany dia fampiharana dieny izao ilay lalàna selestialy eo amin’ny fiainana izany (jereo ny F&F 105:5). Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina. Ny fahombiazana marina eo amin’ity fiainana ity dia azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho masina, dia ny fotoanantsika sy ny safidintsika izany, mba ho amin’ny tanjon’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 17:1, 4; F&F 19:19). Rehefa manao izany isika dia mamela Azy hampisondrotra antsika any amin’ilay anjarantsika ambony indrindra eo amin’ny fiainantsika. (D. Todd Christofferson, “Fanehoan-kevitra momba ny fanokanana ny fiainana ho masina,” Liahona, nôv. 2010, 16)

Nampianatra izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dieter F. Uchtdorf

Ny fahafoizan-tena sy ny fanokanana dia lalàna anankiroa izay nanaovantsika fanekempihavanana ny fankatoavana azy tany amin’ny tempoly masina. Misy zavatra mampitovy an’ireo lalàna ireo fa tsy sahala akory izy ireo. …

Ny fanokanana dia tsy mitovy amin’ny fahafoizan-tena na ny fanaovana sorona farafahakeliny amin’ny lafiny iray manan-danja. Rehefa manokana zavatra iray isika dia tsy avelantsika ho levona eo ambonin’ny alitara izany. Fa ampiasaintsika mba hanompoana ny Tompo kosa izany. Manokana izany ho Azy sy ho an’ireo tanjony masina isika. Mandray ireo talenta izay nomen’ny Tompo antsika isika ary miezaka ny mampitombo azy ireo mba ho maro, mba ho lasa mitondra fanampiana bebe kokoa eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny Tompo.

Tena vitsy amintsika no hangatahina rahatrizay mba hanao sorona ny aintsika ho an’ny Mpamonjy. Saingy asaina isika rehetra mba hanokana ny fiainantsika ho Azy. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny avy ao am-pontsika manontolo,” Liahona, mey 2022, 124)

Inona no atao hoe lalàn’ny fanokanana? Inona no fiantraikan’izany amiko?

Ankehitriny isika dia miaina io lalàna io amin’ny fomba samihafa. Ohatra, manompo ny hafa isika, manaiky ireo antso sy andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy manao izay tsara indrindra avy amintsika amin’izany, ary mandoa fahafolonkarena feno sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana. Rehefa manao izay asain’ny mpaminany sy ny Fanahy Masina ataontsika isika mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra sy hanampiana ireo sahirana dia miaina ny lalàn’ny fanokanana. (“En quoi consiste la loi de consécration ? Quel effet a-t-elle sur moi ?,Jeunes, soyez forts!, apr. 2021, 31)

  • Raha miainga avy amin’ny fahatakaranao ny lalàn’ny fanokanana dia ahoana no maha-fitahiana avy amin’ Andriamanitra izany?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana manampy antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny dikan’ny hoe miaina ny lalàn’ny fanokanana

Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho ny zavatra nianarany dia azonao asaina izy ireo hanao ity sahanasa manaraka ity mitokana, na miaraka amin’ny namana iray, na ao anatina vondrona kely maromaro. Raha misafidy ny iray amin’ireo sosokevitra roa voalohany ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hampiditra sary.

Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fitadiavana ohatra ao amin’ny soratra masina ho an’ny safidy voalohany dia azonao atao ny manoro hevitra ny hampiasana ny Matio 4:23; 26:36–44; Lioka 8:1–3; 10:30–37; Asan’ny Apostoly 3:2–8; 4:32.

Ampiasao ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto mba hamoronana zavatra iray izay afaka manampy anao hanazava antsipirian-javatra manan-danja momba ny lalàn’ny fanokanana. Ny zavatra foroninao dia afaka ny ho mpampahatsiahy rehefa manomana ny tenanao handray ny fanafiana masina avy amin’ny Tompo ianao.

  1. Manorata fehezan-teny roa na telo izay manazava ny lalàn’ny fanokanana amin’ny zatovo iray. Asio ohatra vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina izay nanehoan’i Jesoa Kristy na ireo mpianany ny fiainana io lalàna io tamin’ny alalan’ny fizarana ny fotoanany, ny talentany, na ireo fitahiana hafa tamin’ny hafa.

  2. Manorata lahatsoratra fohy ho an’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!. Azonao atao ny misafidy ny hampifantoka ny hafatrao amin’ny fanampiana ireo zatovo izay miomana handray ny fanafiana masina avy amin’ny Tompo.

  3. Mandrafeta filalaovana tantara an-tsehatra fohy na hatsikana mba hanehoana ireo fomba iainana ny lalàn’ny fanokanana. Miezaha mampiditra ohatra izay mety hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny zatovo izay nisafidy ny hiaina io lalàna io.

    Omeo fahafahana ireo mpianatra hampiseho ny fahatakarany ny lalàn’ny fanokanana amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra nomaniny. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao tatitra amin’ny iray kilasy, na mety ho tian’izy ireo ny hifampizara izany ao anatina vondrona kely.

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara hoe nahoana ny fanombohana miaina ireo fitsipiky ny lalàn’ny fanokanana no mety ho fitahiana ho azy ireo sy ho an’ny hafa sahady dieny izao. Ataovy izay hisian’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto fanontaniana manaraka ireto sy ny fangatahana ny mpianatra hamaly ny iray amin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ny fijoroana ho vavolombelona anananao ao anatin’ny zavatra zarain’ny mpianatra.

    • Inona no zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao hiomana ho any amin’ny tempoly sy handray ny fanafiana masina avy amin’ny Tompo?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?