Seminera
Lesona 204: I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly: “I Jesoa Kristy no antony hanorenantsika tempoly”


“Lesona 204: I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly: –I Jesoa Kristy no antony hanorenantsika tempoly,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 204: Fiomanana ho any amin’ny tempoly

I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly

“I Jesoa Kristy no antony hanorenantsika tempoly”

vehivavy mijery ny sarivongan’ny Mpamonjy

Hatramin’izay ny Tompo dia nandidy ny vahoakany hanangana tempoly. Amin’izao androntsika izao dia nahita isika fa nitombo be ny fananganana tempoly. I Jesoa Kristy no ivon’ny zavatra rehetra ataontsika any amin’ny tempoly. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitsaoka an’i Jesoa Kristy ao an-tranony.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny Mpamonjy no ivon’ny fitsaohantsika

Hevero ny hampiseho sarin’olona mandray ny fanasan’ny Tompo, zatovo mandeha any am-piangonana, ary tanora manompo amin’ny maha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno azy ireo.

mandray ny fanasan’ny Tompo
miditra ao am-piangonana amin’ny andro Sabata
misiônera mampianatra fianakaviana iray
  • Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fandraisana anjara amin’ny fanasan’ny Tompo, na ho ivon’ny fandehanana any am-piangonana, na ho ivon’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra niainan’ny olona iray raha tsy nifantoka tamin’ny Mpamonjy izy ireo rehefa nanao ireo zavatra ireo?

Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny tempoly iray akaiky anareo miaraka amin’ny sarin’ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety hahazo tombontsoa izy ireo amin’ny fanoratana ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany.

Saintsaino ireo zavatra niainanao manokana tany amin’ny tempoly na ny fiomanana ho any amin’ny tempoly.

  • Hatraiza no maha-ivon’ny fiomananao handray anjara any amin’ny tempoly sy maha-ivon’ny zavatra iainanao any amin’ny tempoly ny Mpamonjy?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fifantohana bebe kokoa amin’ny Mpamonjy eo amin’ny zavatra iainanao any amin’ny tempoly?

Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy hitarika azy ireo rehefa mikatsaka ny hianatra bebe kokoa momba ny mahatonga ny Mpamonjy ho ivon’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.

Mandidy ny olony hanorina tempoly ny Tompo

Ireto sary manaraka ireto dia maneho ny sasany amin’ireo toerana masina sy tempoly izay nandidian’ny Tompo ny olony mba haorina tamin’ny andro fahiny. Hevero ny hampiseho azy ireo sy hanontany ny mpianatra raha toa ka afaka mamantatra ireo trano naseho izy ireo (ny tabernakely naorin’i Mosesy tany an-tany foana [jereo ny Eksodosy 25:8], Ny tempolin’i Solomona tao Jerosalema [jereo ny 1 Mpanjaka 6:12–13], ny tempolin’i Nefita tao an-tanànan’i Soafeno [jereo ny 3 Nefia 11:1]).

ny tabernakelin’i Mosesy
ny Tempolin’i Solomona Mpanjaka
ny tempolin’ny Nefita tao Soafeno

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Tompo dia nandidy ny Olomasina hanangana tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3; 109:2; 115:7–8; 124:26–27). Ity didy ity dia manaraka ny lamina napetraky ny Tompo fahiny.

Nanambara ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Isaky ny nanana olona teto ambonin’ny tany vonona hankatò ny teniny ny Tompo, dia nodidina izy ireo hanangana tempoly. (“First Presidency Releases Statement on Temples,” Jan. 2, 2019, ChurchofJesusChrist.org)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:2, 5, 12–13, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny tempoly.

  • Inona no hitanao?

  • Ahoana no hamariparitanao ny andininy 13 amin’ny alalan’ny teninao manokana?

    Fahamarinana iray mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe ny tempoly dia tranon’ny Tompo, toeran’ny fahamasinany.

  • Inona avy ireo fitahiana mety ho tonga amintsika noho ny fahafantarantsika manokana io fahamarinana io?

Raha ilaina dia amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra niainany izay nahatsapany fa akaikin’ny Tompo izy ireo tao amin’ny tempoly na nahatsapany fa toerana masina ny tempoly. Ny fizarana ny zavatra niainanao manokana dia afaka manampy ny mpianatra hizara ny zavatra niainany koa.

Ny Mpamonjy no ivon’ny tempoly

Ireto fehezan-teny manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-ivon’ny tempoly ny Mpamonjy. Rehefa mamaky ireo fanambarana ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ny tanjona fototry ny tempoly.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

18:59
Filoha Russell M. Nelson

Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny fampianarana omena any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansiny izay tena ilaina dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana masina. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–94)

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona David A. Bednar

Ny zavatra rehetra izay ianarana sy atao ao amin’ny tempoly dia manamafy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra. (David A. Bednar, “Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako,” Liahona, mey 2020, 86)

  • Inona no tsapanao fa zava-dehibe amin’ireo teny nambara ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny tempoly dia manampy antsika hahatakatra sy hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy?

Raha toa ka azo atao, dia asao ny mpianatra hikaroka sarin’ny tempoly ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org ary hanazava ny fomba hampahatsiahivan’ny sary iray azy ireo an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ireo andian-teny hoe “Hamasinina ho an’ny Tompo” sy ny hoe “Ny Tranon’ny Tompo,” izay hita ao amin’ny tempoly tsirairay.

Ireto fiantombohan’andian-teny manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fomba ahafahan’izy ireo mahita ny Mpamonjy ho ivon’ny zavatra iainan’izy ireo any amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra mba hiaraka hameno ireto fiantombohana fehezan-teny ireto ao anaty vondrona kely. Ny vondrona tsirairay dia afaka miara-mameno ireo fiantombohana fehezan-teny ireo amin’ny taratasy iray monja.

Rehefa nofenoina ireto fiantombohana fehezan-teny manaraka ireto dia eritrereto ny fomba hampahatsiahivan’ny tempoly anao an’i Jesoa Kristy.

  1. Ny akanjo fotsy anaovantsika ao amin’ny tempoly dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy satria …

  2. Ny zavatra hitantsika ao amin’ny tempoly dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy satria …

  3. Ny zavatra ataontsika any amin’ny tempoly dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy satria …

  4. Ny fomba hiomanako handeha ho any amin’ny tempoly dia mampahatsiahy ahy an’i Jesoa Kristy satria …

Rehefa vitan’ny vondrona izany, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny vondrona iray hafa ao an-dakilasy. Rehefa mizara ny zavatra nianarany izy ireo, dia afaka mampitombo ny fahatakarany sy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy.

Faniriana ny hiaraka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny tempoly

Asao ireo mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany. Raha azo atao, dia azonao atao ny mandefa mozika malefaka izay afaka manampy ny mpianatra hieritreritra ny tempoly. Ny hira dia afaka manampy amin’ny fanasana ny Fanahy amin’ny fianarana ny filazantsara. Afaka mandefa hira ao amin’ny fihirana momba ny tempoly ianao. ChurchofJesusChrist.org

4:36
  • Inona no hitanao na tsapanao androany momba ny maha-ivon’ny fitsaohantsika any amin’ny tempoly ny Mpamonjy?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra nianaranao na tsapanao eo amin’ny fomba fiomananao sy fitsaohanao ny Tompo ao an-tranony?

Ataovy izay hananan’ny mpianatra fotoana ampy hamaliana izany mialoha ny hanasana ireo mpianatra izay vonona hizara ny eritreriny. Azonao atao ihany koa ny mizara ireo fomba hametrahanao ny Mpamonjy ho ivon’ny zavatra iainanao any amin’ny tempoly.