Seminera
Lesona 207: Tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly: Afaka manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika isika ao amin’ny tranon’ny Tompo


“Lesona 207: Tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly: Afaka manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika isika ao amin’ny tranon’ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 207: Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly

Afaka manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika isika ao amin’ny tranon’ny Tompo

zatovo mihazona karatra fanaovana ôrdônansin’ny tempoly

Ao amin’ny drafitra feno famindram-pon’ny Ray any An-danitra, ireo izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy very mandrakizay. Afaka manolotra ho an’ireo razambentsika izay efa nodimandry ny fanampiana ilainy amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitady ny anaran’ireo razambeny sy hiomana hanatanteraka ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempolin’ny Tompo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ireo fitahiana avy amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly

Ampio ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana azo amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Raha efa niaina zavatra niainana manokana ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ireo fitahiana izay hitany.

ChurchofJesusChrist.org

2:3

Improve Your Temple Experience; Change Your Life

Elder Scott speaks of youth doing family history and how the youth in Kansas City embraced and succeeded in the work.

Safidy iray hafa azo atao ny mizara ity fijoroana ho vavolombelona manaraka ity.

I Pierre-Alban, izay 17 taona mipetraka any Frantsa, dia nizara ity fijoroana ho vavolombelona manaraka ity mikasika ny zavatra niainany rehefa nitsidika ny tempoly:

Tamin’ny fotoana voalohany nandehanako tany amin’ny Tempolin’i Berne Suisse, dia niaraka tamin’ny fianakaviako sy ny namako aho. Nitondra fifaliana lehibe ho ahy izany zavatra niainana izany. Samy nahatsapa ny Fanahy avokoa izahay rehetra. Fantatro fa tsara ny zavatra nataoko ary faly tamin’ny asa nataonay Andriamanitra. Fantatro fa mitondra fitahiana maro ho antsika ny tempoly. Rehefa manokana fotoana hanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika isika dia mitahy antsika ny Ray any An-danitra. Ho faly amin’ny zavatra nataontsika ho an’ireo zanany ao an-tranony Izy. (Pierre-Alban C., For the Strength of Youth, Apr. 2022, inside front cover)

  • Inona avy ireo fitahiana fantatrao fa afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly?

  • Ahoana no fomba mety hanombohanao manampy olona iray izay te handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana kanefa tsy mahafantatra ny fomba hanombohana izany?

Manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo izay efa nodimandry

Hevero ny hizara zavatra niainana vitsivitsy avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana momba ireo olona izay nianatra momba ny batisa ho an’ny maty tamin’ny fotoana voalohany nampianarana izany tamin’ity fotoampitantanana ity. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ity ampahany manaraka ity avy amin’ny Saints, Vol. 1, The Standard of Truth ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra ianaran’izy ireo miaraka amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy.

Nivory tao Nauvoo ny Olomasina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 1840. Nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny batisa ho an’ny maty i Joseph, ary nanazava fa ireo fanahin’ny maty dia niandry ny havany velona mba handray ny ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo.

Teo anelanelan’ireo fivoriana nandritra ny fihaonambe, dia nihazakazaka nankany amin’ny Renirano Mississippi ireo Olomasina, izay toerana nijoroan’ny loholona maro tao anaty rano, niantso azy ireo mba hatao batisa ho an’ny ray aman-dreniben’izy ireo, ny rain’izy ireo, ny renin’izy ireo, ny mpiray tampo amin’izy ireo ary ny zanak’izy ireo efa maty. Fotoana fohy taorian’izay dia natao batisa ho an’i Alvin rahalahiny i Hyrum.

Rehefa nijery ireo loholona tao amin’ny renirano i Vilate Kimball dia naniry ny hatao batisa ho an’ny reniny izy, izay maty folo taona mahery talohan’izany fotoana izany. Naniry ny hiverenan’i Heber avy any Angleterre izy mba hanatanteraka ilay ôrdônansy, saingy noho i Joseph namporisika ny Olomasina mba hanavotra ny maty faran’izay haingana dia nanapa-kevitra ny hatao batisa ho an’ny reniny izy.

Nifantoka tamin’ny fianakaviana ihany koa ny eritreritr’i Emma Smith. Maty tamin’ny Janoary 1839 i Isaac Hale rainy. …

… Tia ny rainy i Emma ary natao batisa tao anaty renirano ho azy. Tsy nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny teto amin’ity fiainana ity izy, saingy nanantena izy fa tsy ho toy izany mandrakizay izany. (Saints, 1:423–24)

  • Inona no hitanao fa manan-danja avy amin’ireo zavatra niainana ireo?

Ankoatra ireo zavatra hafa voalaza dia azonao atao ny manazava fa ireo batisa ireo dia notanterahina tao amin’ny Renirano Mississippi fa tsy tao amin’ny tempoly. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy tempoly na toerana fanaovana batisa tao Nauvoo. Mety hahatsikaritra ihany koa ireo mpianatra fa natao batisa ho an’ny rainy i Emma Smith. Azonao atao ny manazava fa taty aoriana ny Tompo dia nanambara ny lamin’ny fanatanterahan’ny vehivavy ôrdônansy ho an’ny vehivavy sy ny fanatanterahan’ny lehilahy ôrdônansy ho an’ny lehilahy (jereo ny Saints, 1:578–79).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29–36, ka tadiavo ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith momba ny batisa nataon’ireo Olomasina tao Nauvoo ho an’ny maty.

  • Inona no nambaran’ny Tompo?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba Azy?

    Mety hahita fahamarinana samihafa momba ny Tompo izay manasongadina ny lanja omeny ny tempoliny ny mpianatra. Ohatra iray amin’izany ny hoe, manaiky ireo ôrdônansy izay tanterahintsika ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tempoliny masina ny Tompo.

    Mety hilaza fahamarinana momba ny toetran’ny Tompo ihany koa ny mpianatra. Mety hahita izy ireo fa manana faharetana sy olo-marina i Jesoa Kristy satria nampanantena ireo Olomasina “fotoana ampy” (andininy 31, 33) hananganana ny tempoly Izy. Na dia mifantoka manokana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika aza ny ambin’ity lesona ity, dia aza misalasala manokana fotoana hifanakalozana hevitra momba ireo toetran’i Jesoa Kristy raha maniry izany ny mpianatra.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampiasan’ny Tompo ny teny hoe “batisa ho an’ny maty eo aminareo ”? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:32–33; 127:5).

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao momba ireo razambentsika:

Loholona Quentin L. Cook

Ny Tompo tao amin’ny torolalana fanambarana voalohany dia niresaka momba ny “batisa ho an’ny maty eo ami nareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5; nampiana fanamafisana]. Ny andraikitsika araka ny fotopampianarana dia miompana amin’ireo razambentsika manokana. Ny anton’izany dia satria ny rafitra selestialy any an-danitra dia mifototra amin’ny fianakaviana. (Quentin L. Cook, “Faka sy sampana,” Liahona, mey 2014, 45)

  • Inona no fiantraikan’ny fianarana momba ireo razambenao teo aminao? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo aminao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambenao eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra?

Ny anjara asa azonao atao ao amin’ny asan’ny Tompo ho an’ny famonjena

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra niainan’izy ireo tao anatin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fisaintsainana hoe hatraiza ny fiantefan’ireto fanambarana manaraka ireto amin’izy ireo.

Eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 5 (1 = tsy marina ary 5 = tena marina), dia manao ahoana ny fomba hamaritan’ireo fanambarana ireo anao.

Fantatro ny fomba hahitana ny anaran’ireo razambeko.

Fantatro ny fomba handefasana ny anaran’ireo razambeko any amin’ny tempoly.

Te hitady anaran’ireo razambeko aho ary hanatanteraka ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly.

Tsapako ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa ho an’ireo havako efa maty.

Amporisiho ireo mpianatra hizara ny fahatakarany sy ny zavatra niainany mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Anontanio azy ireo ny zavatra tiany hianarana sy ny zavatra ilany fanampiana. Asao izy ireo mba hianatra avy amin’izy samy izy ary avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miresaka momba ireo fitahiana azo avy amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Raha ilaina dia hevero ny hampiseho ity horonan-tsary ity.

Mifantoha amin’ny tempoly” (7:18; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:50 hatramin’ny 4:36)

7:19

Mifantoha amin’ny tempoly

Mampianatra momba ny maha zava-dehibe an’ireo tempoly ny Filoha Nelson ary manambara drafitra hanorenana tempoly maro hafa.

2:40

Spiritual Dynamite

Family history and temple service combine to create a spiritual power that will enable you to become the person God wants you to be. You can read Elder Renlund's talk from Family Discovery Day here.Read about Alfred Nobel - Man of Peace.

4:18

Gathering the Family of God

Family History enthusiasts share touching experiences they had while finding their ancestors’ stories.

Dingana azonao atao

Asehoy ireto dingana manaraka ireto izay afaka manampy ny mpianatra hirotsaka ao anatin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Amporisiho ireo mpianatra izay nanao ireo dingana ireo teo aloha mba hanampy ny mpianatra hafa araka izay azo atao.

  • Dingana 1. Mamoròna kaonty ao amin’ny Fiangonana.

  • Dingana 2. Fakafakao ny boky kely Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay , na ny FamilySearch, na ny application Arbre familial.

  • Dingana 3. Ampiasao ny fitaovana natao ho an’ny Ordinances Ready (Ôrdônansy vonona).

  • Dingana 4. Mamandriha fotoana ary mandehana any amin’ny tempoly.

Hevero ny hanasa mpianatra iray hampiseho ny fomba fampiasana ny fitaovana natao ho an’ny Ordinances Ready (Ôrdônansy vonona). Amporisiho ny mpianatra hisintona sy hianatra hampiasa ny application Arbre familial. Ao amin’ilay application dia azon’izy ireo atao ny manindry ny sary famantarana ny tempoly sy ny rohy Ôrdônansy vonona mba hitadiavana ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay azon’izy ireo hanatanterahana ôrdônansy. Ampio ny mpianatra hianatra ny fomba fangatahana sy fanaovana printy ireo karatra misy anarana mba hoentina any amin’ny tempoly. Rehefa nahita anaran’ny razambe vitsivitsy ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hamantatra ny rohim-pihavanan’izy ireo sy izay fampahalalana momba ny tena manokana misy mikasika ireo razambe ireo. Asao ireo mpianatra izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba handrindra fotoana hidirana ny tempoly.

Raha ilaina dia afaka manome fitarihana fanampiny ireto fampahalalana manaraka ireto.

Rehefa avy nifanampy ireo mpianatra mba hitady anarana hoentina any amin’ny tempoly, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara hevi-baovao sy lesona nianarana. Amporisiho izy ireo hieritreritra momba ny Mpamonjy sy ny faniriany hanampy ireo razambentsika. Afaka manontany toy izao ianao:

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ankehitriny manampy anao hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tempoliny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly mampitombo ny fitiavanao ny Mpamonjy?