Seminera
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Topimaso ankapobeny


“Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Topimaso ankapobeny

Matetika ny Tompo no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpanompony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Rehefa mihaino sy mandalina ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana isika dia afaka mianatra ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho fantatsika. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ireo mpianatra handalina ny hafatry ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpanompony.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia azo ampianarina fotoana fohy mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny volana aprily na ôktôbra.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana handre ireo hafatra manokana avy amin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hiresaka amin’ny fianakaviany mikasika ny zavatra azony atao mba hiomanana sy handraisana anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Sary: Sarin’ny fianakaviana iray mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

  • Votoatiny haseho: Fanontaniana fanombanan-tena any amin’ny fiandohan’ny lesona.

  • Taratasy zaraina:Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Hevero ny hampianatra ity lesona ity alohan’ireto lesona manaraka ireto ao amin’ity vondrona ity. Azonao atao ny mampianatra izany any amin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana mba hampahafantarana ireo mpianatra ny fandalinana ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandalinana sy fampiharana ny hafatry ny Tompo izay nomen’ny mpanompony.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny teny iray nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay manan-danja amin’izy ireo ary hanazava ny antony. Izany teny nambara izany dia mety ho avy amin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na hafatra nampitaina tao anatina horonan-tsary, na lahatsoratra napetraka tao amin’ny tambajotran-tserasera, na zavatra mitovitovy amin’izany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Ampahana hafatra na hafatra iray manontolo avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na avy amin’ny gazetiboky Liahona na Ho zatovo mahery!, na avy amin’ny fivoriana fampaherezam-panahy na fampitana avy amin’ny Fiangonana

  • Sary haseho: Sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao

  • Horonan-tsary:Ndao handroso hatrany” (6:01; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 1:17 ka hatramin’ny 1:58)

Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ny lesona rehetra mampiasa ity maodely ity dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Na izany aza, raha mbola tsy nampiasa io maodely io ianao teo aloha, dia mety hanampy ny fampianarana ny lesona “Safidy ho an’ny mandrakizay” etsy ambany alohan’ny hanomanana lesona vaovao momba ny hafatra avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Ny lesona dia manome ohatra ho an’ny fampianarana momba ny hafatra iray avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana.

Tanjon’ny lesona: Ity maodely ity dia manome hevitra anao mba hanampiana ireo mpianatra handalina ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ny lohatenin’ny hafatra izay hohalalinin’izy ireo ao an-dakilasy. Amporisiho izy ireo hamaky, na hijery, na hihaino ilay hafatra mialoha ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hiomana ombam-bavaka mba handray ny fampianaran’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny hafatr’ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.

“Safidy ho an’ny mandrakizay”

Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana ohatra iray amin’ny fomba ahafahan’ny mpampianatra mampiasa ny “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana” mba hitarihana ny iray kilasy rehefa mandalina ireo hafatra ireo izy ireo, ary mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitsipika mba hanampiana azy ireo hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay.