Seminera
Lesona 211—“Safidy ho an’ny mandrakizay”: Mandalina ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana


“Lesona 211—-Safidy ho an’ny mandrakizay-: Mandalina ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Safidy ho an’ny mandrakizay,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 211—Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

“Safidy ho an’ny mandrakizay”

Mandalina ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Filoha Russell M. Nelson

Mandritra ny taona, ny mpianatra dia hanana fahafahana maro ao amin’ny seminera mba hianatra zavatra avy amin’ireo fampianaran’ireo mpitarika amin’ny andro farany nentanim-panahy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia manome ohatra maneho ny fomba ahafahan’ireo mpampianatra mampiasa ilay antontan-taratasy hoe “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana” mba hitarihana ny kilasy rehefa mandalina ireo hafatra ireo izy ireo. Ny ohatra ampiasaina ao amin’ity lesona ity dia ny “Safidy ho an’ny mandrakizay” izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ([fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitsipika mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny fiainana mandrakizay.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Ity lesona ity dia manome ohatra maneho ny fomba ahafahan’ireo mpampianatra mampiasa ilay antontan-taratasy hoe “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana” mba hanampiana ny mpianatra handalina ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Azonao ampifanarahana amin’izany ireo hevitra ao amin’ity lesona ity, na azonao ampiasaina ny amboaran-kevitra iray hafa avy ao amin’ilay maodely na ny hevitrao manokana izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra.

Atombohy ny lesona

Atombohy amin’ny fomba izay miteraka fahalianana ao amin’ireo mpianatra sy manampy azy ireo hanomana ny sainy sy ny fony ho amin’ilay traikefa amin’ny fianarana ny lesona. Mampiasà teny nambara na foto-kevitra iray avy amin’ny lahateny “Safidy ho an’ny mandrakizay” izay nataon’ny Filoha Nelson. Ity manaraka ity dia ohatra iray amin’ny fomba hanombohana ny lesona.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra hieritreritra momba ny hoavin’izy ireo eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay:

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ny lahateny iray nataony ho an’ireo tanora hoe:

Filoha Russell M. Nelson

Te hiresaka aminareo momba ny hoavinareo aho. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay,” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra momba ny hoavinao eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay ianao?

  • Inona avy ireo fanontaniana ho napetrakao raha afaka niresaka tamin’ny mpaminanin’ Andriamanitra momba ny hoavinao ianao?

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fanontaniana ananan’izy ireo momba ny hoavin’izy ireo. Ireo fanontaniana ireo dia mety hanampy ireo mpianatra hiomana handalina ilay hafatra.

Halalino ilay hafatra

Rehefa mandalina ny mpianatra dia amporisiho mba hifantoka amin’ny fampitomboana ny fahalalan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy sy hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy . Asao ny mpianatra handray an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana izay mety ho tonga avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina izy ireo.

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia hampiasana ilay hevitra hoe “Tadiavo” avy ao amin’ilay fizarana “Halalino ilay hafatra” ao amin’ilay antontan-taratasy “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.” Natao hanampiana ny mpianatra hampifantoka ny fandalinan’izy ireo amin’ilay lahateny ity fizarana ity.

sary famantarana ny taratasy zarainaRaha tsy afaka mahita an’ilay lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay” ny mpianatra, dia azonao omena ireo taratasy zaraina telo izay ahitana ampahany amin’ilay lahateniny izy ireo. Azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasinao ary angataho ny vondrona tsirairay handalina taratasy zaraina samihafa. Na azonao atao printy ny tahadikan’ilay lahateny iray manontolo ary azon’ireo mpianatra halalinina ao anatina vondrona kely ilay lahateny. Asao ny mpianatra hanaraka ireo torolalana etsy ambany eo am-panaovan’izy ireo ilay sahanasa.

Tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hiomana amin’ny hoavinao eto an-tany sy amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ilay lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay” ianao. Azonao atao koa ny mitady fampianarana izay afaka manampy hamaly ny fanontanianao momba ny hoavinao izay nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao na teny amin’ny solaitrabe.

Safidy ho an’ny mandrakizay, Tapany 1

Ny tanjoko anio alina dia ny hahazoana antoka fa misokatra tsara ny masonareo amin’ilay fahamarinana fa ity fiainana ity tokoa no fotoana ahafahanareo manapa-kevitra hoe karazana fiainana toy ny ahoana no tia-nareo hiainana mandrakizay. Izao no fotoananareo “hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra.” [jereo ny Almà 12:24; 34:32]. …

Ny safidy marina rehetra ataonareo eto dia hitondra tombontsoa lehibe amin’izao fotoana izao. Saingy ny safidy tsara eto amin’ny fiainana an-tany dia hitondra tombontsoa mandrakizay tsy azo eritreretina. Raha misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianareo ary mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ireo, dia manana ny fampanantenana ny amin’ny “voninahitra anampy eo ambony loha[nareo] mandrakizay mandrakizay.” [Abrahama 3:26]. …

Mazava ho azy fa tsy tian’ny fahavalo hieritreritra ny ampitso ianao, mainka fa ny fiainana mandrakizay. Saingy aoka ianareo mba tsy ho diso hevitra na mba tsy ho badobado mahakasika ireo fahafahana manao zavatra azo araraotinasy ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany. Ao anatin’izany toe-tsaina izany ihany, dia mila mahatakatra fahamarinana fototra telo izay hanampy anareo hanomana ny lalanareo any aoriana ianareo: …

Voalohany: Fantaro ny fahamarinana momba ny hoe iza ianao. Mino aho fa raha toa ka niresaka mivantana taminao ny Tompo androany alina, ny zavatra voalohany hataony izay ho azonao dia ny hahatakaranao hoe iza marina moa ianao. Ry namako malala, tena zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianareo. Nihira io fahamarinana io ianao hatramin’ny nianaranao ny tonon’ny “Zanaky ny Ray aho” [Fihirina sy hira ho an’ny ankizy, lah. 113]. Kanefa, moa ve izany fahamarinana mandrakizay izany miraikitra ao am-ponao? Moa ve namonjy anao io fahamarinana io rehefa tojo fakam-panahy ianao?

Matahotra aho sao henonareo matetika io fahamarinana io ka toa zary lasa teny filamatra kokoa fa tsy fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Na izany aza, ny fomba fisainanareo momba ny tena maha-ianareo anareo dia misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisinareo. …

Iza moa ianao?

Voalohany indrindra sy alohan’ny zavatra rehetra dia zanak’ Andriamanitra ianao.

Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao. Ary fahatelo, ianao dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Miangavy anareo aho izao hariva izao mba tsy hanolo ireo famantarana telo faratampony sy tsy miova ireo amina zavatra hafa, satria ny fanaovana izany dia mety hanakana ny fandrosoanareo na hanakorontana anareo amina fomba fijery izay mety hanakana ny fivoaranareo mandrakizay. …

Misy marika isan-karazany izay mety ho zava-dehibe aminareo, mazava ho azy. Aoka tsy ho diso ny fandraisanareo ny teniko. Tsy milaza aho hoe tsy misy dikany ny fiantsoana sy ny famantarana hafa. Miteny tsotra fotsiny aho fa tsy misy famantarana tokony hamindra, na hanolo, na ho lasa laharam-pahamehana mihoatra noho ireto anarana telo maharitra ireto: “zanak’ Andriamanitra,” “zanaky ny fanekempihavanana,” ary “mpianatr’i Jesoa Kristy.”

Ny famantarana rehetra tsy mifanaraka amin’ireo anarana fototra telo ireo dia handiso fanantenana anao amin’ny farany. Ny marika hafa dia handiso fanantenana anao rehefa mandeha ny fotoana satria tsy manana hery hitarika anao mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izy ireny. …

Aza diso hevitra momba izany: Ny hery anaty anananao dia araka an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fikatsahanao amim-pahazotoana dia homen’ Andriamanitra fahafahana hahita kely an’izay mety hahatongavanao ianao. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Safidy ho an’ny mandrakizay, Tapany 2

Faharoa: Fantaro ny fahamarinana momba ny zavatra natolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ho anao.

Raha fintinina dia nanolotra anao ny zava-drehetra Izy Ireo!

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany dia manome fahafahana antsika hiaina any amin’ny toerana iainany sy hiaina ny fomba iainany ary amin’ny farany dia ho tonga kokoa hatrany tahaka Azy. Ny drafiny dia manao izay ahafahantsika mahazo ara-bakiteny ireo fitahiana sarobidy indrindran’ny mandrakizay rehetra, anisan’izany ny fahafahantsika ho tonga “mpiray lova amin’i Kristy” [Romana 8:17].

Mahafantatra sy mahita ny zava-drehetra Andriamanitra. Any amin’ny mandrakizay rehetra dia tsy hisy olona hahafantatra anao na hiraharaha anao mihoatra noho Izy. Tsy hisy olona na oviana na oviana ho akaiky kokoa anao mihoatra noho Izy. Afaka mamboraka ny ao am-ponao Aminy ianao ary matoky Azy fa Izy dia handefa ny Fanahy Masina sy ny anjely hikarakara anao. Naneho ny fitiavany faratampony Izy rehefa naniraka ny Zanany Lahitokana ho faty ho anao, mba ho Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao!

Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, i Jesoa Kristy Tompo dia nandresy an’izao tontolo izao [jereo ny Jaona 16:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41]. Noho izany, Izy dia “mahery ka … mampahadio [anareo] amin’ny tsy fahamarinana rehetra” [Almà 7:14]. Hanafaka anareo amin’ny toe-javatra mampahory anareo indrindra Izy amin’ny fombany sy amin’ny fotoanany manokana. Rehefa manatona Azy amim-pinoana ianao dia hitarika sy hitsimbina ary hiaro anao Izy. Hanasitrana ny fonao torotoro Izy ary hampionona anao amin’ny fahorianao [jereo ny Lioka 4:18; Almà 7:10–12]. Hanome anao fahafahana hahazo ny heriny Izy. Ary hataony ho azo tanterahina ny tsy azo tanterahina eo amin’ny fiainanao. …

Manana fitiavana manokana ho an’ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana Aminy ao amin’ny ranon’ny batisa Andriamanitra. Ary hiorim-paka izany fitiavana masina izany rehefa misy fanekempihavanana fanampiny atao sy tandremana amim-pahatokiana. Ary amin’ny fiafaran’ny fiainana an-tany dia sarobidy ny fihaonan’ny zanaky ny fanekempihavanana tsirairay amin’ny Raintsika any An-danitra. [jereo ny Salamo 116:15].

Izy ihany koa dia miahy lalina ny fanomezana fahafahana ny zanany rehetra mba handre ny vaovao mahafaly momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Efa maherin’ny enina arivo taona no nandefasan’ny Ray any An-danitra ireo zanany ety an-tany. Ny ankamaroan’ireo olona ireo dia mbola tsy nandray ireo ôrdônansy izay hahamendrika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no maha-zava-dehibe ny tempoly. Izany no mahatonga ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafiy roan’ny voaly ho ny asa lehibe indrindra eto an-tany ankehitriny. Ianareo, ry mpiara-miasa amiko malala amin’ity asa masina ity, dia manana anjara toerana lehibe amin’izany fanangonana izany, ary misaotra anareo aho noho izany. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Safidy ho an’ny mandrakizay, Tapany 3

Fantaro ny fahamarinana mifandray amin’ny fiovam-ponareo. Ny marina dia tsy maintsy mandray andraikitra manokana ianareo mba hahazoanareo ny fiovam-ponareo. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany eo amin’ny toeranareo.

Ankehitriny, mamelà ahy hanasa anareo handinika fanontaniana vitsivitsy? Te hahatsapa fiadanana mahakasika ireo olana mampahory anao ankehitriny ve ianao? Te hahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa Kristy ve ianao? Te hianatra ny fomba ahafahan’ny heriny masina manasitrana ny ratranao sy ny fahalemenao ve ianao? Te hiaina ilay hery mamy sy mampitony avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy miasa eo amin’ny fiainanao ve ianao?

Mitaky ezaka, izay ezaka mafy ny fikatsahana ny hamaly an’ireo fanontaniana ireo. Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo.

Manaova vavaka isan’andro, amin-kafanam-po, ary amim-panetrentena. Fahano amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny fanahinareo. Angataho ny Tompo mba hampianatra anareo ny fomba hihainoana Azy tsara kokoa. Mandania fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly sy amin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

Rehefa manao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.

Raha manana fanontaniana ianareo, ary manantena aho fa manana ianareo, dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino. Ianaro izay rehetra azonareo hianarana momba ny filazantsara ary makà antoka fa ianareo dia hitodika any amin’ireo loharano feno fahamarinana mba hahazoana fitarihana. Isika dia miaina ao anatin’ny fotoampitantanana izay “tsy hisy na inona na inona hotanana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:28]. Noho izany, rehefa mandeha ny fotoana, dia hamaly ny fanontaniantsika rehetra ny Tompo.

Mandra-pahatongan’izany dia arobohy ao anatin’ilay fitahirizana fanambarana sarobidy ananantsika eo am-pelatanantsika ny tenanareo. Mampanantena aho fa ny fanaovana izany dia hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo, na dia mbola tsy voavaly aza ny sasany amin’ireo fanontanianareo. Ny fanontanianareo amin-kitsimpo, apetraka amim-pinoana, dia hitarika hatrany amin’ny finoana lehibe kokoa sy fahalalana betsaka kokoa. …

Rehefa mandray andraikitra momba ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao ary mampitombo izany, dia ho lasa fitaovana mahery vaika kokoa eo am-pelatanan’ny Tompo ianao. “[Ho]entanin’ny foto-kevitra tsaratsara kokoa,” [Alma 43:45] ianareo, dia ny asan’i Jesoa Kristy!

Tsy misy zava-mitranga manan-danja kokoa eto amin’ity tany ity mihoatra noho ny fanangonana an’i Israely ho Azy. Ampahafantaro ny Rainareo any An-danitra fa te hanampy ianareo. Angataho Izy haniraka anao hiasa amin’izany asa be voninahitra izany. Aorian’izany dia mihataha kely ary ho talanjona ianao ny amin’ny zavatra mitranga rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao ianao.

Ry namako malala, tiako ianareo. Misaotra anareo aho. Matoky anareo aho. Amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo ahy dia mitsodrano anareo aho mba hahafantatra ny marina momba ny maha-ianareo anareo sy hankamamy ilay fahamarinana momba ny hoe inona marina ilay hery anaty feno voninahitra anananareo. Mitsodrano anareo aho mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona [anananareo]. Ary mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana sy hery hitandrina ny fanekempihavananareo ianareo.

Rehefa manao izany ianareo dia mampanantena aho fa hiaina fivoarana ara-panahy, fahafahana amin’ny tahotra, ary fahatokian-tena izay zara raha azonareo alaina sary an-tsaina amin’izao fotoana izao ianareo. Hanana ny hery hitarihana amin’ny tsara mihoatra lavitra noho ny fahaizanareo ara-boajanahary ianareo. Ary mampanantena aho fa ny hoavinareo dia hahafaly kokoa noho izay rehetra azonareo inoana ankehitriny. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo izay afaka manampy azy ireo hiomana amin’ny hoavin’izy ireo eto an-tany sy amin’ny fiainana mandrakizay. Afaka misaintsaina koa izy ireo hoe iza amin’ireo fanontaniana napetrak’izy ireo momba ny hoavy no voavaly ary ahoana no namaliana izany. Angataho ny sasany amin’ireo mpianatra hizara ny fomba namaliana ny fanontanian’izy ireo.

Mampitombo ny fahatakarana

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia hampiasana ilay hevitra hoe “Mamoròna zavatra” avy ao amin’ilay fizarana “Mampitombo ny fahatakarana” ao amin’ilay antontan-taratasy “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.”

Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampy ny mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ilay lahatenin’ny Filoha Nelson “Safidy ho an’ny mandrakizay.”

Saintsaino ireo hevi-baovao izay noraisinao rehefa nandalina ny hafatry ny Filoha Nelson ianao. Mamoròna zavatra izay afaka manampy anao hahatadidy ny zavatra nianaranao na afaka mitaona ny hafa hiomana ho amin’ny hoavy manan-danja sy ny fiainana mandrakizay. Ireto manaraka ireto misy ohatra vitsivitsy amin’izay zavatra azonao foronina:

  • Sary iray

  • Tononkalo iray

  • Mème iray

  • Zavatra iray aely ao amin’ny tambajotran-tserasera

    Raha azo atao dia afaka manome taratasy na fitaovana hafa izay ilaina ianao. Rehefa vita ny ataon’ny mpianatra dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny zavatra noforoniny. Rehefa mizara izy ireo dia afaka mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ianao:

  • Inona ny ampahany tamin’ny lahateny nataon’ny Filoha Nelson izay nanentana ny fanahinao hamorona izany? Nahoana no nanentana ny fanahinao izany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitadidiana io hafatra io mitarika anao amin’izao fotoana izao sy any aoriana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ilay zavatra noforoninao olona iray hibanjina ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

Zarao ny fijoroanaoho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay nanentana ny fanahinao avy tao amin’ny hafatry ny Filoha Nelson. Amporisiho ny mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika izay mety ho azony.