Seminera
Lesona 209—Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo: Afaka mandre ny feon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpitarika notendreny isika


“Lesona 209—Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo: Afaka mandre ny feon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpitarika notendreny isika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 209: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo

Afaka mandre ny feon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpitarika notendreny isika

Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ity dia lesona fanolorana ho an’ireo andiana lesona izay hampianarina mandritra ny taona miainga amin’ny hafatra avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Ireo lesona ireo dia hampiasa ny maodely “Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana.” Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandalinana sy ny fampiharana ireo hafatry ny Tompo izay omen’ireo mpanompony.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny teny iray nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay manan-danja amin’izy ireo ary hanazava ny antony. Izany teny nambara izany dia mety ho avy amin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na hafatra nampitaina tao anatina horonan-tsary, na lahatsoratra napetraka tao amin’ny tambajotran-tserasera, na zavatra mitovitovy amin’izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mizara hafatra avy amin’ny Mpamonjy ireo mpanompony

Asehoy ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nampianarin’ireo mpitarika ireo vao haingana. Asao ny mpianatra hitanisa ireo sehatra sasany ampiasain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hizarana amintsika ny hafatry ny Tompo. Avy eo dia asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy na ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo:

  • Raha misy olona mandinika ny fiainanao, inona no ho hitan’izy ireo ka hahitana ny lanja omenao ny tenin’ireo mpanompon’ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 ka tadiavo ny zavatra nandidian’ny Mpamonjy antsika mba hataontsika amin’ny tenin’ireo mpanompony.

  • Inona araka ny eritreritrao no zava-dehibe tokony hotadidina avy amin’io andininy io?

  • Inona avy ireo fahamarinana afaka ny ho hitanao?

    Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Mandidy antsika ny Tompo mba handinika ny teny izay lazainy amintsika amin’ny alalan’ny mpanompony (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38).

  • Ahoana no niezahanao nikaroka ny tenin’ireo mpanompon’ny Tompo izay tafiditra ao anatin’ny fandalinanao tsy tapaka ny filazantsara?

Tamin’ny fiafaran’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2018 dia nanolotra ity fanasana manaraka ity ny Filoha Russell M. Nelson. Mitadiava teny na andian-teny izay afaka manampy olona iray hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny hafatry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

2:3
Filoha Russell M. Nelson

Mamporisika anareo aho handalina matetika ireo hafatra avy amin’ity fihaonambe ity, na dia averimberina mihitsy aza, mandritra ireo enim-bolana ho avy. Tadiavo amim-pahamalinana ireo fomba hampidirana ireny hafatra ireny ao amin’ny takarivan’ny mpianakavinareo, ny fampianaranareo ny filazantsara, sy ireo resaka ataonareo amin’ny fianakaviana sy namana, eny fa na dia ireo resaka ifanaovanareo amin’ireo izay tsy iray finoana amintsika aza. Maro ireo olona tsara handray ireo fahamarinana nampianarina tamin’ity fihaonambe ity raha toa ka zaraina amim-pitiavana. Ary ny fanirianareo hankatò dia hitombo rehefa mahatsiaro sy misaintsaina ny zavatra tsapanareo nandritra izay roa andro lasa izay ianareo. (Russell M. Nelson, “Ndao handroso hatrany,” Liahona, mey 2018, 118)

  • Inona no hitanao?

    Asao ireo mpianatra hanombantombana ny ezaka ataony amin’izao fotoana izao mba handalinana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Afaka mieritreritra izy ireo hoe impiry izy ireo no mandalina na mihaino hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ahoana no ahafahan’ny fianakaviany mandalina ireo hafatra toy izany koa. Afaka misaintsaina ireo mpianatra raha toa izy ireo ka te hanome lanja bebe kokoa ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay tafiditra ao anatin’ny fandalinany ny filazantsara.

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao mampiditra ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao anatin’ny fandalinanao ny filazantsara?

  • Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao tamin’ny fanaovana izany?

Ampitomboy ny fandalinanao

Ny ampahany manaraka amin’ny lesona dia natao hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena mandalina ny hafatry ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny fampiasana hevitra avy amin’ilay maodely “Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana.” Izany dia afaka manomana ireo mpianatra handalina ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao amin’ireo lesona manaraka.

Ireto hevitra manaraka ireto dia namboarina avy amin’ny fizarana “Halalino ireo hafatra” sy “Ampitomboy ny fahatakarana” ao amin’ilay maodely. Azonao atao ny misafidy hevitra hafa avy amin’ilay maodely na manome safidy mitovy amin’izany izay noforoninao.

Misafidiana iray amin’ireto manaraka ireto mba hanampiana anao hampihatra ny fandalinana hafatra avy amin’ny iray amin’ireo mpanompon’ny Tompo:

  • Soraty eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao ny teny hoe Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ilay lahateny ianao dia tadiavo ireo teny na andian-teny izay mampianatra mikasika ireo toetran’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany. Soraty ao anatin’ny diarinao ny zavatra nianaranao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ary ny fomba mety hanampian’izany anao hanaraka Azy.

  • Fantaro ireo soratra masina voatonona ao amin’ilay lahateny (na eo amin’ny fanozovan-kevitra eny amin’ny farany ambany). Vakio ireo andininy ary mariho ny zavatra ampianarin’izy ireo na anampian’izy ireo anao hahatakatra ilay lohahevitra. Azonao atao ny mamorona rohy eo amin’ilay andininy sy ilay lahateny ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na manao fanamarihana ao amin’ny soratra masinao.

  • Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ilay lahateny ka mamoròna sary, na peta-drindrina, na mème, na lahatsoratra apetraka ao amin’ny tambajotran-tserasera, na zavatra mitovy amin’izany izay azo ampiasaina mba ho fampahatsiahivana ho an’ny olona iray na mba hanentanana ny fanahin’ny olona iray. Miomàna hizara ny zavatra noforoninao, ka hazavao ilay hafatra sy ny fomba ahafahan’izany mitahy ny hafa na manentana ny fanahin’izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny fandalinana hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manomeza ampahana lahateny na lahateny iray manontolo avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Liahona na Ho zatovo mahery!, na avy amin’ny fivoriana fampaherezam-panahy sy fampitana avy amin’ny Fiangonana. Omeo fotoana ampy handalinana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ilay hevitra nosafidiny etsy ambony.

Afaka mandehandeha manodidina ny efitrano fianarana ianao ary manampy sy mamporisika ireo mpianatra rehefa manao fanazaran-tena izy ireo. Aorian’ilay sahanasa dia azonao atao ny mizara ireo mpianatra ho ao anatina vondrona kelikely kokoa mba hizara ny hevitra nofidiny, ny fahaiza-manao izay nanaovany fanazaran-tena, ary ny eritreritra sy ny fahatsapana izay tonga tao amin’izy ireo rehefa nandalina izy ireo.

Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fampiharana fahaiza-manao iray hafa avy amin’ilay maodely amin’ny alalan’ny fampiasana an’ilay hafatra na lahateny.

Ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny tenin’ny mpanompon’ny Tompo

Asao ny mpianatra hifidy ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba horesahina na hovalina ao anatin’ny diary fandalinany:

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany ka nanampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny tenin’ny Mpamonjy izay nomen’ny mpanompony?

  • Inona no tianao hotsaroana rehefa manohy mandalina ny hafatry ny mpanompon’ny Tompo ianao?

  • Ahoana no mety hahazoanao tombontsoa amin’ny fandalinana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tafiditra ao anatin’ny fandalinanao tsy tapaka ny filazantsara?

Hevero ny hanasa ny mpianatra handrafitra ny fomba handalinany ny hafatry ny mpanompon’ny Tompo ao anatin’ny fandalinany tsy tapaka ny filazantsara. Afaka mizara zavatra niainana iray ianao izay nandrenesanao ny feon’ny Tompo rehefa nandalina ny hafatr’ireo mpitarika notendreny ianao.