“Lesona 208—Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Mandre ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 208: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Mandre ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Ny fiomanana sy ny fandraisana anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana an-tsitrapo dia ahafahantsika mandray fanambarana ho an’ny tena manokana. Ireo hafatra feno fitaomam-panahy sy ny fitarihana omena mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpitarika nofidiny. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana handre ireo hafatra manokana avy amin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Miomana amin’ireo fotoana miavaka
Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana miavaka izay mahafinaritra azy ireo ny mandray anjara aminy, toy ny fety manokana, lalao ara-panatanjahan-tena, fialan-tsasatra, na fotoana miavaka iray hafa. Angataho izy ireo hizara ny fomba nandraisany anjara na niomanany handray anjara tamin’ireo zavatra ireo. Ifanakalozy hevitra ny fomba hanampian’ny fiomanantsika antsika hiaina zavatra manan-danja kokoa mandritra ilay fotoana. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia hevero ny hampiseho ny sarin’ny fianakaviana iray mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ny tanjon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Tamin’ny Febroary 1831, ny Tompo dia nanome fanambarana ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay nanome toromarika azy ireo mba hanangona ireo loholona hiaraka hanatrika fihaonambe iray izay natao ny volana jona tamin’io taona io.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:2 ka tadiavo izay zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hataony mandritra io fihaonambe io.
Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny tanjon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ny tanjon’ity fihaonambe ity sy ny fihaonambe maneran-tany rehetra dia ny hanampy antsika handre Azy. (Russell M. Nelson, “Hafatra fanokafana ,” Liahôna , mey 2020, 7)
Afaka manoratra na mampifandray ny tenin’ny Filoha Nelson ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:2 ireo mpianatra.
Antitrantero ilay fahamarinana hoe, ny tanjon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ny hanampy antsika handre an’i Jesoa Kristy .
Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina momba ny fiomanany amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana fanombanan-tena manaraka ireto. Afaka misaintsaina ireo fanontaniana ireo mpianatra ary manoratra ny valinteniny ao anatin’ny diary fandalinana.
Manao ahoana ny fiomananao handre ny Mpamonjy miresaka aminao amin’ny alalan’ireo hafatra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?
Inona no ilainao na antenainao horaisina avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?
Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Ny tanjon’ilay taratasy zaraina dia ny hanampy ireo mpianatra hahita fomba samihafa ahafahan’izy ireo miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka miasa ao anatina vondrona kely ny mpianatra, na miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray, na samirery.
Rehefa namangy ny Nefita i Jesoa Kristy dia nanasa azy ireo Izy mba hanomana ny sain’izy ireo hihaino sy hahatakatra ny hafany (jereo ny 3 Nefia 17:3 ). Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny zavatra hiainanao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana raha toa ka manao toy izany koa ianao.
Halalino ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ary tadiavo ireo fomba ahafahanao manomana ny tenanao handray ny hafatry ny Tompo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.
Môzià 2:9 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Hanohy handre fahamarinana avy eto amin’ity polipitra ity ianareo androany sy rahampitso. Miangavy aho ny mba handraisanareo an-tsoratra ireo eritreritra misarika ny sainareo ary ireo izay tonga ao an-tsainareo sy mijanona ao am-ponareo. Angataho am-bavaka ny Tompo mba hanamafy fa marina izay zavatra norenesinareo. (Russell M. Nelson, “Inona no marina ,” Liahona , nôv. 2022, 30)
Nampianatra izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Fantatro ireo mpanompon’ny Tompo izay hiteny aminareo mandritra ity fihaonambe ity. Nantsoin’ Andriamanitra izy ireny hanome hafatra ho an’ny zanany. Niteny tamin’izy ireo ny Tompo hoe: “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38 ].
Maneho ny fahatokianareo Azy ianareo rehefa mihaino amin’ny finiavana ny hianatra, hibebaka, ary hanatanteraka izay rehetra angatahiny. Raha toa ka ampy ny fahatokianareo hihaino ny hafany amin’ny fivoriana rehetra, amin’ny hira, ary amin’ny vavaka mandritra ity fihaonambe ity, dia hahita izany ianareo. Ary raha mandeha sy manatanteraka izay asainy ataonareo ianareo, dia hitombo ny hery entinareo mahatoky Azy ary ho avy ny fotoana izay haha-feno fankasitrahana lalina anareo noho ny fahafantarana fa natoky anareo koa Izy. (Henry B. Eyring, “Trust in God, Then Go and Do ,” Liahona , Nov. 2010, 73)
Nampianatra izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:
Rehefa miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianao, dia manasa anao aho hisaintsaina ireo fanontaniana anananao izay ilanao valiny. Ohatra, mety mikatsaka fitarihana sy torolalana avy amin’ny Tompo ianao mahakasika ny fanamby izay atrehanao.
Ny valin’ireo vavakao manokana dia mety ho tonga mivantana avy amin’ny alalan’ny lahateny na andian-teny iray manokana. Amin’ny fotoana hafa ireo valiny dia mety hiseho amin’ny alalan’ny teny iray na andian-teny na hira iray izay toa tsy nifandray tamin’ny lohahevi-dehiben’ny lahateny akory. Hanomana ny fomba handraisana ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny fo feno fankasitrahana an’ireo fitahian’ny fiainana sy ny faniriana mafy handre sy hanaraka ny teny feno torohevitra. (Dieter F. Uchtdorf, “General Conference—No Ordinary Blessing ,” Ensign , Sept. 2011, 4)
Tanisao, avy amin’ny zavatra nohalalininao, ireo fomba ahafahanao miomana mba hihaino ny feon’ny Tompo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Mitanisà fomba hafa ahafahanao miomana mba hihaino ny feon’ny Tompo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ny fiomanako amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny torohevitry ny Loholona Uchtdorf ao amin’ilay taratasy zaraina. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinany na amin’ny taratasy kely na karatra kely izay azony entina mody mba ho fampahatsiahivana.
Inona avy ireo fanontaniana ananako? Inona no fitarihana ilaiko amin’ireo olana atrehiko?
Inona no zavatra manokana hataoko mba hiomanako hihaino ny fitarihan’ny Tompo ho ahy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? (Misafidiana fomba iray na roa voatanisa ao amin’ilay taratasy zaraina any aminao.)
Ampio ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra niainany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ny fiantraikan’ny fiomanany ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana teo amin’ny zavatra niainany. Mety tsy nahita fihaonambe ny mpianatra sasany. Azonao atao ny manome fotoana ho an’ireo mpianatra ireo hijerena ny famintinana ireo lahateny.
Afaka mizara ny fahatsapany na ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny zavatra tsapany na reny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana koa ny mpianatra.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
5:27
Ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana dia hampifantoka ny hafatr’izy ireo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny famindram-pony ary ilay heriny manavotra tsy misy fetra. Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao. Alaivo sary an-tsaina ny ho nampivaha haingana ireo ady mandravarava manerana an’izao tontolo izao, ary ireo ady atrehantsika eo amin’ny fiainantsika manokana, raha toa ka nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny olona rehetra. (Russell M. Nelson, “Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio ,” Liahona , nôv. 2021, 6)
Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Rehefa mandray an-tsoratra aho mandritra ny fihaonambe dia tsy manoratra ara-bakiteny izay lazain’ilay mpandahateny; fa manoratra kosa ny fitarihana natao ho an’ny tenako manokana izay omen’ny Fanahy Masina ahy.
Ny zavatra voalaza dia tsy manan-danja tahaka ny zavatra rentsika sy tsapantsika. (Robert D. Hales, “Ny fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ,” Liahona , nôv. 2013, 6.)
Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Omeko anareo ny tenivavolombeloko fa i Jesoa no Kristy, fa Izy no mitarika ny raharahan’ity asa masina ity, ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no iray amin’ireo fotoana tena manan-danja hanomezany fitarihana ho an’ny Fiangonany sy ho antsika manokana. …
Ireo fampianarana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no ireo fifantohana irin’ny Tompo ho eo anoloantsika manomboka izao sy mandritra ireo volana manaraka. (Neil L. Andersen, “Ny feon’ny Tompo ,” Liahona , nôv. 2017, 122, 124)
Ho fomba iray hafa hanombohana ny lesona dia anontanio hoe nahoana no zava-dehibe ny fanavaozana tsy tapaka ny rafi-pikirakirana amin’ny finday. Inona no ifandraisan’izany amin’ny fisafidianana ny handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?
Amin’ireo andro sy herinandro mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia matetika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no mametraka zavatra mikasika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny kaontiny ao amin’ny tambajotran-tserasera. Asao ny mpianatra hijery ny sasany amin’ireo lahatsoratra navoakan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamin’ny tambajotran-tserasera, izay navoaka herinandro vitsivitsy taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany. Hevero ny hanome ohatra vitsivitsy. Asao ny mpianatra hitady izay torohevitra mety hanampy azy ireo hiomana handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba izay fitahiana nampanantenain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
facebook.com/neill.andersen
Ny edisiônan’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! mivoaka ny volana martsa sy septambra dia matetika ahitana “Fandraisana an-tsoratra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” izay azo alaina sy atao printy ary ampiasaina rehefa mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mitondrà tahadika vitsivitsy amin’ny “Fandraisana an-tsoratra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” avy amin’ireo edisiôna vao haingana mba hojeren’ny mpianatra, na amporisiho ny mpianatra hijery izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ny hevitra sasany hitany tao amin’ilay “Fandraisana an-tsoratra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” izay afaka manampy azy ireo hiomana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Hevero ny hampiseho ny “Ny feon’ny Tompo ” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:07 ka hatramin’ny 5:17. Ny Loholona Neil L. Andersen dia miresaka momba ny ezaka ataon’ireo mpandahateny amin’ny fanomanana lahateny ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra azontsika ianarana amin’ny alalan’ny fahafantarana ny fomba fiomanan’ireo mpandahateny. Ity fanontaniana manaraka ity dia mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra.
2:3
Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianarany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka manoratra fanontaniana maromaro eny amin’ny solaitrabe toy izao manaraka izao ianao: Inona no nampihomehy anao? Inona no lahateny tsy andrinao ny handalinana azy indray? Inona no nianaranao ka mety hanampy anao eo amin’ny fiainanao? Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy?
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo. Hevero ny hizara valiny iray avy amin’ny zavatra niainanao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azon’ny mpianatra atao ny maka ny sasany amin’ireo valiny eny amin’ny solaitrabe ary manasa ireo mpiara-mianatra aminy mba hamelabelatra kokoa ny zavatra niainan’izy ireo.