Lesona 202: Fitaovana enti-manova fo ny Bokin’i Môrmôna: Mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hiomanana hizara ny filazantsara
“Lesona 202: Fitaovana enti-manova fo ny Bokin’i Môrmôna: Mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hiomanana hizara ny filazantsara,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fitaovana enti-manova fo ny Bokin’i Môrmôna,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 202: Fiomanana ho misiônera
Fitaovana enti-manova fo ny Bokin’i Môrmôna
Mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hiomanana hizara ny filazantsara
Ny Bokin’i Môrmôna dia fanomezana nomen’ Andriamanitra antsika mba hanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany ho any amin’i Jesoa Kristy. Mba hampiasan’ny mpianatra io fanomezam-pahasoavana io mba hanampiana amin’ny fanangonana ny hafa dia zava-dehibe ny handraisan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona manokana avy amin’ Andriamanitra fa marina izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny tokony hanatanjahan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna eo am-piomanan’izy ireo hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fitaovana iray hanangonana an’i Isiraely
Oviana ny fotoana farany nampiasanao ny iray amin’ireo fitaovana ireo? Ahoana no nampiasanao azy?
Ahoana no ahafahan’ny fitaovana hafa manao asa mitovy amin’izany?
Inona avy ireo fitaovana sasantsasany izay nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanangonana ny olona ho eo amin’Izy ireo?
Nampianatra ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho fitaovana mahery vaika eo amin’ny fiovam-po sy fanangonana olona hanatona an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna?
Nampianatra izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Mba hahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy maintsy mamaky izany isika ary manao ilay safidy hita ao amin’i Môrônia hoe: mivavaha mba hahafantarana raha marina izany. Rehefa vitantsika izany, dia afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny zavatra niainana manokana amin’ny namantsika isika fa afaka manao izany safidy izany izy ireo ary mahafantatra izany fahamarinana izany. (Henry B. Eyring, “A Voice of Warning,” Ensign, Nov. 1998, 34)
Inona no nianaranao avy amin’ny teny nambaran’ny Filoha Eyring sy ny Môrônia 10:3–5?
Amin’ny fampiasana mari-drefy iray ka hatramin’ny dimy, ka ny iray dia “tsy marina amiko” ary ny dimy dia “tena marina amiko,” dia omeo salanisa ireto teny ambara manaraka ireto:
Afaka manazava amin’ny namana iray ny atao hoe Bokin’i Môrmôna sy ny fomba ahafahan’izany mitondra ny olona hanatona an’i Kristy aho.
Mandalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba izay mampitombo ny fiovam-poko manokana ho an’i Jesoa Kristy aho.
Efa niaina zavatra izay mamela ahy hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.
Manome lanja ny fanomezan’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna
Tao anatin’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith, ny Tompo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra tsapany rehefa misy olona manamaivana izany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–57, ary eritrereto ny fomba mety hiantefan’ireoo andininy ireo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo izay miomana hizara ny filazantsarany.
Inona no hitanao fa miantefa amin’ireo izay maniry ny hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
Inona avy ireo fomba sasantsasany mety hanehoantsika ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainantsika?
Fahalalana manokana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna
Vao avy nanatrika ny kilasy fiomanana ho misiônera i Annie. Nangataka ireo mpampianatra izay misiônera vao avy niverina vao haingana izy mba hanome sosokevitra mikasika ny fiomanana hizara ny filazantsara. Samy nanoro hevitra azy ireo mpampianatra mba hanamafy orina ny fahalalany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ireo fomba rehetra azon’izy ireo natao hamaliana izany dia tsy ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna no valinteny nandrasan’i Annie.
Fampiharana
Inona no azonao atao mba hampitomboana ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?
Manomana anao hizara ny Bokin’i Môrmôna, eo amin’ny fiainana isan’andro na amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno anao, amin’ny fomba ahoana, ny fanaovana ny zavatra nosoratanao?