Lesona 200—Mitia, mizara, ary manasa: Manangona ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy
“Lesona 200—Mitia, mizara, ary manasa: Manangona ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Mitia, mizara, ary manasa,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 200: Fiomanana ho misiônera
Mitia, mizara, ary manasa
Manangona ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy
Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia andraikitsika ara-panekempihavanana ny mizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy “hatrany am-paran’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:23). Afaka mandray anjara amin’io asa mahatalanjona io isika amin’ny alalan’ny fitiavana ny hafa sy ny fizarana ny hafatr’i Jesoa Kristy ary ny fanasana azy ireo hiaraka amintsika amin’ny alalan’ny fanatonana ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanao drafitra hanaparitahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipiky ny mitia, mizara, ary manasa.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Aza afenina ny fahazavan’ny filazantsaranao
Amin’ny toe-javatra manao ahoana avy no mety hahatonga ny olona iray haniry ny hafenina?
Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara zavatra izay tsy tiantsika hafenina momba ny tenantsika:
Ny ampahany manan-danja amin’ity ezaka fitoriana ity dia ny hahatonga ny mpikambana tsirairay ho ohatry ny fahazavan’ny fanilo na aiza na aiza toerana onenantsika. Tsy afaka ny hiafinafina isika. …
… Ny Tompo dia manantena ireo izay nandray ny filazantsarany mba hiezaka faingana ny ho tonga ohatry ny fanilo mpanazava izay hanampy ny hafa hanatona an’ Andriamanitra. Izany no ahafahan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika maneran-tany hianoka ireo fitahian’ny lanitra sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ho tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano. (Quentin L. Cook, “Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano,” Liahona, mey 2023, 23)
Inona ny zavatra nanaitra anao indrindra tamin’ny hafatry ny Loholona Cook?
Ny andraikitry ny misiôneran’ny Mpamonjy
Nampianatra ny Loholona Cook hoe:
Manasa antsika amim-panajana ny Mpamonjy mba ho feony sy tanany. Ny fitiavan’ny Mpamonjy no ho fahazavana mitarika antsika. Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.” [Matio 28:19]. …
Raha tiana ho lasa ampahany mandrafitra ny maha-isika antsika ilay didin’ny Mpamonjy hizara ny filazantsara, … dia mila mba ho lasa miova fo hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra isika, mila mitia ireo namantsika isika, mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary manasa ny rehetra ho avy ka hahita. (Quentin L. Cook, “Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2022, 56)
Ahoana no hanazavanao ny hafatry ny Loholona Cook amin’ny teninao manokana?
Inona avy ireo fomba mahomby sasantsasany izay hitanao nentin’ny hafa nizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
Inona no traikefa azonao tamin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin’ny hafa?
Mitia, mizara, ary manasa
Inona no hevi-baovao azonao momba ny fizarana ny filazantsara?
Ahoana no fomba nanehoan’ny Mpamonjy ilay fitsipika tao anatin’ny fifandraisany tamin’ny hafa?