Lesona 198: Fomba fisainana tia fivoarana: Miezaka manana toe-tsaina sy manao asa izay manatsara ny fomba fisainantsika
“Lesona 198: Fomba fisainana tia fivoarana: Miezaka manana toe-tsaina sy manao asa izay manatsara ny fomba fisainantsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fomba fisainana tia fivoarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 198: Fahombiazana any an-tsekoly
Fomba fisainana tia fivoarana
Miezaka manana toe-tsaina sy manao asa izay manatsara ny fomba fisainantsika
Isika tsirairay avy dia hiatrika sakana eo amin’ny fianarantsika sy ny fanabeazana antsika. Miankina amin’ny fomba fisainantsika, isika dia afaka mijery ireo sakana ireo ho toy ny zavatra izay hanakana antsika na ho toy ny fahafahana hianatra sy hivoatra. Mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny fisafidianana ny hiatrika ireo sakana amin’ny fomba fisainana tia fivoarana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanana fomba fisainana tia fivoarana mba handresena ireo sakana eo amin’ny fianarana.
Sahanasa fianarana azo atao
Sakana eo amin’ny fianarana
Rehefa fantatr’i Caden ny momba ireo taranja izay hataony amin’ny taom-pianarana ho avy, dia tsikariny fa mila mianatra ny taranja matematika izy. Tsaroan’i Caden hoe tsy nahay matematika mihitsy izy tany aloha tany. Mihevitra izy fa tsy hahomby raha hanao io taranja matematika io.
Inona no zavatra manan-danja taminao tamin’ny fomba fisainan’i Caden?
Inona no torohevitra azonao zaraina aminy?
Fomba fisainana tia fivoarana
Fomba fisainana tia fivoarana: Ny olona manana fomba fisainana tia fivoarana dia mino fa afaka mianatra sy mahazo tanjaka avy amin’i Jesoa Kristy izy ireo. Mailaka ny hiova izy ireo rehefa mianatra. Manosika ny tenany izy ireo na dia sarotra aza ny zavatra atao amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy.
Fomba fisainana tery: Misalasala ny amin’ny fahafahan’izy ireo mianatra ny olona manana fomba fisainana tery. Matahotra ny tsy hahomby izy ireo, ary mino izy ireo fa tsy afaka mianatra zavatra sasantsasany.
Fomba fisainana tery
Fomba fisainana tia fivoarana
Fomba fisainana tery
“Ny fahadisoako dia mampiseho fa tsy marani-tsaina aho.”
Fomba fisainana tia fivoarana
“Noho ny Mpamonjy dia afaka mianatra avy amin’ireo fahadisoako aho ary ho lasa tsaratsara kokoa.”
“Noho ny fahafantarako fa faly amin’ny ezaka rehetra ataoko mba hivoarana i Jesoa Kristy dia afaka manandrana zavatra vaovao aho ary mankafy miatrika fanamby.”
Fomba fisainana tery
“Tsy afaka mianatra zavatra aho.”
Fomba fisainana tia fivoarana
“Raha te hianatra zavatra aho dia afaka mianatra izany miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.”
Fomba fisainana tery
“Rehefa mahatsiaro hoe tsy hahavita aho dia milavo lefona.”
Fomba fisainana tia fivoarana
“Ny fiezahana ao anatin’ny fahasarotana dia manampy ahy hivoatra sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.”
Rahalahy Devin G. Durrant, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nanazava ny antony tokony hiezahan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy manana fomba fisainana tia fivoarana:.
Mamporisika antsika ny Ray any An-danitra mba hikatsaka ny hanana fanomezam-pahasoavana sy hampivoatra ny tenantsika satria Izy, amin’ny maha-ray aman-dreny be fitiavana Azy, dia mino fa afaka manatontosa zavatra lehibe isika, anisan’izany ny fisandratana amin’ny farany. Ray aman-dreny manana fomba fisainana tia fivoarana izy. Raha te ho tonga tahaka Azy isika dia mila miezaka manana izany toe-tsaina izany ary mianatra mitombo amin’ny fomba rehetra izay andrandrainy. (Devin G. Durrant, “Helping Children and Youth Develop a Growth Mind-Set,” Ensign, Feb. 2020)
Manampy anao hahatakatra inona momba ny mety ho fiantraikan’ny fisainana tia fivoarana eo amin’ny fiainanao io teny nambara io?
Inona araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hanana fomba fisainana tia fivoarana?
Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo manampy anao hanana fomba fisainana tia fivoarana eo amin’ny fianaranao?
Inona avy ireo ohatra sasantsasany ahitana olona ao amin’ny soratra masina izay nampiasa ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra mba hiatrehana ny olan’izy ireo tamin’ny fomba fisainana tia fivoarana?
Ahoana no nanampian’ny Tompo anao, na ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Tompo manampy anao, hanana fomba fisainana tia fivoarana sy handresy ireo sakana eo amin’ny fianaranao?
Ny fomba fisainana tia fivoarana ananako
Misafidiana sakana roa na telo izay mety ho hita eo amin’ny fianaranao sy ny fanabeazana anao. Ho an’ny sedra tsirairay dia manorata fehezan-teny mifono fomba fisainana tia fivoarana izay maneho ny finoanao ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hahomby.