“Fahombiazana any an-tsekoly: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fahombiazana any an-tsekoly,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahombiazana any an-tsekoly
Fahombiazana any an-tsekoly
Topimaso ankapobeny
Rehefa ampandraisintsika anjara amin’ny fianarantsika ny Tompo dia afaka manampy antsika hahomby eo amin’ny fianarana Izy. Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fananana fahitsian-toetra amin’ny enti-mody ataontsika. Ny fahatsiarovana ny Tompo sy ny zavatra azony atao ho antsika dia manome antsika fahatokian-tena mba handresena ireo olana eo amin’ny fianarana.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampandray anjara ny Tompo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fianarany rehefa mikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray manokana izay tsy maintsy nianaran’izy ireo zavatra vaovao na sarotra. Angataho izy ireo hiomana hizara ny fomba nampandraisan’izy ireo anjara ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy tamin’ny fianarany.
-
Votoatiny haseho: Ireo fehezan-teny efatra fanombanan-tena tany am-piandohan’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Lasa mahomby kokoa ao amin’i Kristy: Fanoharana momba ny solampy” (10:01; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:05)
Fahitsian-toetra eo amin’ny fianarantsika
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanana fahamarinan-toetra sy fahitsiana eo amin’ny fianarany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo toe-javatra niseho tany aloha teo anatrehan’ny enti-modiny izay nananan’izy ireo safidy ny hangala-tahaka na hanao zavatra tsy amim-pahamarinana ary nisafidiany ny tsy hanao izany. Asao izy ireo hisaintsaina hoe nahoana no tsy maty antoka izy nanao an’izany ary inona no nanome azy ireo hery hanaovana izany safidy izany.
Fiomanana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hiomanana amim-pahombiazana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nahatsapany fa nanampy azy ireo tamina fanadinana na tetikasa nanahirana na sarotra tany an-tsekoly ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hisaintsaina sy ho vonona hizara hoe toy ny ahoana izany hoe mandray ny fanampiany izany.
-
Votoatiny haseho: Fanontaniana hapetraka amin’ny mpianatra eo ambanin’ny lohateny hoe “Manomeza torohevitra”
Fomba fisainana tia fivoarana
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanana fomba fisainana tia fivoarana mba handresena ireo sakana eo amin’ny fianarana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo sakana izay atrehin’izy ireo eo amin’ny fanabeazany na ny fianarany. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fihetsika hasehon’izy ireo rehefa miatrika ireo sakana ireo.
-
Votoatiny haseho: Famaritana ny fomba fisainana tia fivoarana sy ny fomba fisainana tery; tabilao mampiseho teny ambara manazava fomba fisainana tia fivoarana sy ny fomba fisainana tery