Seminera
Lesona 196: Fahamarinan-toetra eo amin’ny fianarantsika: “Mino isika fa tokony ho marina”


“Lesona 196: Fahamarinan-toetra eo amin’ny fianarantsika: –Mino isika fa tokony ho marina,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fahamarinan-toetra eo famin’ny ianarantsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 196: Fahombiazana any an-tsekoly

Fahamarinan-toetra eo amin’ny fianarantsika

“Mino isika fa tokony ho marina”

zatovo manao ny asa ampanaovina any an-tsekoly

Rehefa miezaka ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mahavita zavatra sy azo itokisana isika dia zava-dehibe ny fananana fahamarinan-toetra sy fahitsiana ao am-pontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao asa tsaratsara kokoa amim-pahamarinan-toetra sy amim-pahitsiana eo amin’ny fianarany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fisafidianana ny fahamarinan-toetra sy ny fahitsiana

Asao ny mpianatra hizara rafi-tantara na toe-javatra iainana any an-tsekoly izay mety hitsapana ny fahitsian’ny olona iray. Zarao araka izay ilaina ireto ohatra manaraka ireto.

  1. Manana fanadinana manan-danja hatao ianao. Mahatsikaritra tahadikan’ny valin’ny fanadinana eo amin’ny latabatry ny mpampianatra ny mpiara-mianatra iray ary maka sary izany amin’ny findainy. Mandefa tahadikan’ilay sary aminao sy ny mpianatra maro hafa izy.

  2. Mila manoratra famakafakan-dahatsoratra ianao amin’ny taranja iray saingy tsy mbola naka fotoana hanaovana izany. Mandroso hevitra ny namana iray fa afaka mampiasa rindrambaiko an-jotra izay hanoratra ilay lahatsoratra tokony hoforoninao ianao. Na azonao atao ny maka ampahany avy amin’ny lahatsoratra samihafa avy ao amin’ny internet ary mampidira fehezan-teny vitsivitsy noforoninao mba hahatonga izany ho toy ny hoe zavatra nosoratanao. Milaza ilay namanao fa efa nanao ireo zavatra ireo izy taloha dia tsy tsikaritr’ilay mpampianatra mihitsy izany.

    • Inona no mety hitarika ny olona iray hieritreritra fa hevitra tsara ireo zavatra ireo?

    • Inona no afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hatao ao anatin’ny toe-javatra iainana tahaka ireo?

Hazavao fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra sy ny fahitsiana eo amin’ny fianarantsika. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny fahitsiana. Mety ho loharanom-pitaovana tena manampy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin ity.

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny fahitsiana tamin’ny fomba toy izao:

Loholona Joseph B. Wirthlin

Ny hoe fahitsiana dia midika hoe manao izay marina sy tsara mandrakariva, na inona na inona ny vokatr’izany eo no ho eo. Midika izany hoe marina hatrany anaty fanahintsika isika, tsy amin’ny asantsika fotsiny fa indrindra amin’ny eritreritsika sy ao anatin’ny fontsika. Ny fahitsian’ny tena manokana dia mifono hevitra milaza ny fahatokiana sy ny maha-tsy azo hozongozonina amin’ny fahamarinana hany ka tsy mahavita mivadi-pitokisana mihitsy na mivadika amin’ny fanekempihavanana iray. …

Mila fatratra lehilahy sy vehivavy manana hitsim-po izao tontolo izao. Saika ho isan’andro isika no mandre fisolokiana, fampiasana ny vola amin’ny fomba ratsy, dokam-barotra mamitaka, na fifanarahana hafa atao mba hahazoana tombontsoa amin’ny alalan’ny fametsifetsena na ny famitahana. Mankahala ny fomba fanao toy izany ny Tompo. (Joseph B. Wirthlin, “Personal Integrity,” Ensign, mey 1990, 30, 32)

  • Ahoana no fahitanao ny filana fahitsiana eto amin’izao tontolo ankehitriny izao?

Ity sosokevitra manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombantombana ny eritreriny manokana momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa amim-pahitsiana amin’ny fianarany: Asao izy ireo hitady pejy tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ary hanome anarana izany hoe “Nahoana no zava-dehibe amiko ny fahitsiana eo amin’ny fianarana.” Angataho ny mpianatra mba hitanisa ireo antony rehetra maha-zava-dehibe ny fahitsiana amin’izy ireo. Rehefa vitan’izy ireo izany dia afaka mizara ireo antony vitsivitsy hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy ny olona manolo-tena vitsivitsy.

Amporisiho ny mpianatra hanohy hanampy hevitra sy fahamarinana ary soratra masina ao amin’ny lisitra nataon’izy ireo mandritra ny lesona.

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika mba hanao zavatra amim-pahitsiana

Hazavao fa ny fahatakarana ny toetra sy ny fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mamporisika antsika hanao asa amim-pahitsiana. Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hanao ity sahanasa fandalinana manaraka ity miaraka amin’ny namana iray na ao anatina vondrona kely iray.

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy antsika hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanao asa amim-pahitsiana: 3 Nefia 27:18; Etera 3:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:2; 51:9; 124:15, 20; Fanekem-pinoana 1:13.

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra sy ny fahitsiana eo amin’ny fiainantsika?

    Asao ny mpianatra hizara fahamarinana maromaro izay nianarany. Afaka mamantatra fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Marin-toetra tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa manao asa amim-pahamarinan-toetra sy amim-pahitsiana isika dia lasa tahaka Azy Ireo kokoa.

  • Inona no mety hampananosarotra ny fanaovana asa amim-pahamarinan-toetra sy amim-pahitsiana eo amin’ny fianarantsika?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fiantraikan’ny fahitsiana eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy:

Loholona Neil L. Andersen

Misy hery ara-panahy goavana avy amin’ny fijanonana ho marina sy mahitsy na dia hita ho toy ny fahavoazana aza ny vokatry ny fahamarinan-toetranareo. Tsy maintsy handray fanapahan-kevitra toy izany ny tsirairay aminareo. Hisedra ny fahitsianareo ireo fotoana manan-danja ireo. Rehefa misafidy ny fahamarinan-toetra sy ny fahamarinana ianareo, na mizotra araka izay antenainareo ny toe-javatra misy na tsia, dia ho tsapanareo fa ireo fotoana fandraisana fanapahan-kevitra ireo dia ho lasa andry fototra hahazoana tanjaka amin’ny fivoaranareo ara-panahy. (Neil L. Andersen, “Le principe divin de l’honnêteté,” Liahona, août. 2017, 40)

  • Inona avy ireo tombontsoa sy fitahiana azo avy amin’ny fahamarinan-toetra sy ny fahitsiana any am-piasana sy any an-tsekoly?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo izay nahitany ny fitahian’ny Tompo rehefa naneho fahitsiana tamin’ny fianarany izy ireo. Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “L’honnêteté : À prendre au sérieux !” (4:46), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra amin’ny fahitsiana.

4:46

Ampiharo ny zavatra nianaranao

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny maha-Andriamanitra azy ireo amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny be fitiavana any an-danitra azy ireo. Ampahany amin’ny maha-izy azy ireo izany, anisan’izany ny any an-tsekoly. Rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy sy manao asa amim-pahamarinan-toetra sy amim-pahitsiana izy ireo dia hampiavaka azy ireo amin’ny ambin’izao tontolo izao ireo toetra ireo.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Filoha Russell M. Nelson

Ny maha-izy anao izay sarobidy dia mendrika ny fahitsianao sarobidy! Arovy ho toy ny fanomezana tsy voavidim-bola izany. (Russell M. Nelson, “Integrity of Heart” [Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 23 feb. 1993], 7, speeches.byu.edu)

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hiarovany na hampitomboany ny fahamarinan-toetrany sy ny fahitsiany dia asao izy ireo hamaly ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona no tsapanao androany mikasika ny fahitsiana eo amin’ny fianarana ka tianao hotadidina?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izay hanampy anao rehefa halaim-panahy hanao zavatra tsy amim-pahamarinana ianao?

  • Inona no zavatra iray na roa hataonao mba hampitomboana ny fahamarinan-toetranao sy ny fahitsianao any an-tsekoly?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara ny valinteniny. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra, ary amporisiho ny mpianatra mba hanao zavatra mifanaraka amin’ny drafitr’izy ireo.